Pôlisy nitsapa veinard .

1. Fiffi ( 29/06/2006 07:20)

Hagagana ny an’ireo mpandeha tao anatina zotra iray ho eny Ankatso raha tonga tetsy Ankorahotra omaly hariva. Izay mpandeha niala ity « taxi-be » ity mantsy dia nosavain’ireo pôlisy telo lahy nirongo basy kalaky avokoa.

Tsy nanavahana io fa na hatramin’ny vehivavy aza dia notsapatsapain-dry zalahy, hatrany anaty akanjo rehetra any. Raha ny fantatra dia hoe nisy vehivavy izay isan’ireo mpandeha tao no nitaraina fa very ny telefaoniny. Noheveriny fa ny tao anatin’ity fiara fitateram-bahoaka ity ihany mantsy no nangalatra ny fananany.
Nataon’ireo pôlisy ny
fisavana izay olona niala an’ilay « taxi-be », saingy raha hatreo Ankorahotra, samy tsy nahitana an’izay finday very izay
avokoa ireo olona tao anaty «taxi-be». Nampieritreritra ny maro, indrindra ireo izay nahita ity trangan-javatra ity. Ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fahasahian’ireo pôlisy misava ireo vehivavy amin’ity andro maizina, tsy misy jiro akory. Eo ihany koa anefa ny hoe : fa alalana avy aiza tokoa re no nahafahan’ireo pôlisy nanao izany.

J . La Gazette de la Grande Ile
2. jentilisa ( 29/06/2006 08:59)
eo anoloan'ny fiasany tokoa ve moa tsy tonga dia ho hitan'ny la gazette?
3. dadabe ( 29/06/2006 09:38)
:-D:-D:-D
4. toovs ( 29/06/2006 09:51)
Fiffi:


Hagagana ny an’ireo mpandeha tao anatina zotra iray ho eny Ankatso raha tonga tetsy Ankorahotra omaly hariva. Izay mpandeha niala ity « taxi-be » ity mantsy dia nosavain’ireo pôlisy telo lahy nirongo basy kalaky avokoa.

Tsy nanavahana io fa na hatramin’ny vehivavy aza dia notsapatsapain-dry zalahy, hatrany anaty akanjo rehetra any. Raha ny fantatra dia hoe nisy vehivavy izay isan’ireo mpandeha tao no nitaraina fa very ny telefaoniny. Noheveriny fa ny tao anatin’ity fiara fitateram-bahoaka ity ihany mantsy no nangalatra ny fananany.

J . La Gazette de la Grande Ile




koa raha tsy adala ny mpangalatra finday ka hijanona ela ao anaty taxibe.
faharoa an'izany, vao hitany fa nisy ny fisavana de efa mety nalatsany tao anaty maizina tao ny finday.
fahatelo ahoana no tonga de nahafantaran'ny polisy hoe misy finday very ao anaty taxibe raha tsy nisy niantso polisy. Ka matoa tonga ara-potoana ny polisy de tsy olontsotra izany io niantso na very finday io.

5. Fiffi ( 29/06/2006 11:19)
toovs: hoy ny gazety.
6. Fiffi ( 29/06/2006 17:38)
angamba t@ nijanona le taxibe no hitan'ny tompon'ny finday fa very de heu...justement nisy polisy teo ?
7. boubounezy ( 29/06/2006 18:40)
tsy lé polisy iany ve no tena mpangalatra ra zany sa mpanararôtra ra ny fazahoko lé tantara?:?:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1124