Ny Anjely (Islam)

1. soanja ( 28/06/2006 22:54)
Mino tokoa ny silamo fa misy ny anjely. Bestaka ry zareo ary manantanetraka ny didin'Atra no ataony. Tsy ambony noho ny olombelona ny anjely satria ny olombelona no cretaion ambony indrindra sady nomena ny mariboninahitra "caliphate" izay solo-tena na manantanteraka ary atokisan'Atra. Ny anjely nalaza indrindra dia ny arkanjely Gabriel. Izy no nitondra ny hafatr'Atra tamin'i Mpaminany isan-karazany ary niresaka tamin'ny tenin'ireo momba ny fikasan'Atra sy ny didiny.

Ny farany nitrangan'i gabriel dia tamin'i mpaminany farany 610. Nisy koa ny anjely Michael, izay anjely mpiandry ny Jiosy sy manome soa azy), Israfil (niresaka ny fitsanganana amin'ny maty), ary i Izrail (Anjelin'ny fahafatesana). Nino ny Silamo fa misy anjely roa foana no miaraka amin'ny olona iray manoro sy mitazona any records momba ny olona tsi-1-1. Tsy azo atao ny manompo Anjely. Any amin'ny Universe ry zareo no mipetraka ary i Atra no manome asa azy.

Ankaotran'ny anjely dia nisy koa ny "Jinn" izay noharian'Atra. Ireo Jinn ireo dia manatsaina ary tsy hita maso, manana safidy hanao tsara na ratsy.

I Satana dia tsy nanaiky an'Atra tamin'ny fanamboarana an'i Adama ka mila miondrika eo aminy izy. Izy no antony nahatonga an'i Adama sy Eva nihinana ny hazo tsy azo hoanina. Ny sasany mihevitra fa anjely nivadika i Satan ary ny sasany milaza fa Jinn izy. Fa lasa Satana izy tamin'ny fotoana nanamboarana an'i Adama.
novalian'i prime ny 14/07/2006 10:32
2. ravatorano ( 29/06/2006 04:04)
ao tsara ny info kah !
3. prime ( 29/06/2006 11:41)
Fanamarihana : @ teny gasy ny dikan'ny teny hoe "Djinn" dia fanahy ratsy nitaiza ka afaka manendrikendrika sy miampanga satria mahalala tsara ny olombelona sy ny fiainany ary dia avy amin'io no nahazoana ny hoe "TSINY"... Izay no mahatonga ny gasy mandrakariva miala tsiny mba hoa afaka aloha ilay mpiampanga vao miteny...
4. Rafotsy ( 29/06/2006 12:29)
prime:

Fanamarihana : @ teny gasy ny dikan'ny teny hoe "Djinn" dia fanahy ratsy nitaiza ka afaka manendrikendrika sy miampanga satria mahalala tsara ny olombelona sy ny fiainany ary dia avy amin'io no nahazoana ny hoe "TSINY"... Izay no mahatonga ny gasy mandrakariva miala tsiny mba hoa afaka aloha ilay mpiampanga vao miteny...



prime : tena nahafantatra zavatra vao2 aho ! misaotra e !
5. prime ( 29/06/2006 12:58)
Rafotsy> tsy misy fisaorana...:-*
6. soanja ( 29/06/2006 18:13)
prime:

Fanamarihana : @ teny gasy ny dikan'ny teny hoe "Djinn" dia fanahy ratsy nitaiza ka afaka manendrikendrika sy miampanga satria mahalala tsara ny olombelona sy ny fiainany ary dia avy amin'io no nahazoana ny hoe "TSINY"... Izay no mahatonga ny gasy mandrakariva miala tsiny mba hoa afaka aloha ilay mpiampanga vao miteny...


Izaho koa izao vao nahafantatra izany ry Prime fa misaotra betsaka amin'ny info.

7. marozevo ( 01/07/2006 21:14)
Misy zavatra tsy azoko ity :
Ara-tantara, dia inona no niseho tamin'ny taona 610, ary inona ny tamin'ny 622 ? Mazava ho azy fa eo anivon'ny finoana Silamo no ipetrahan'ny fanontaniana.
8. soanja ( 06/07/2006 01:29)
Tamin'ny taona 610, tamin'ny faha40 taonany i Muhammad dia niseho taminy ny Anjely Gabriel tamin'izy tany anaty lagroty iray nifady hanina. Niteny taminy tamin'ny teny Arabo ny anjely ka "Iqra" na hoe "famakiana" na "filazana na hoe famerenana an-kandrina" no netiny. Namaly i Muhammad fa tsy mahay mamaky teny sy manoratra izy. na izany na tsy izany dia nomen'ny anjely ihany ilay hafatra. Nandritra ny taona 610 ka hatramin'ny 622 dia niseho taminy matetitetika sy nitondra hafatra ilay Anjely tamin'izay izy nipetraka tany Mecca. Tamin'ny 622 dia nisy olona 12 lahy avy any Medina namangy an'i Muhammad mba hila hevitra aminy tany Mecca. Ireo no lasa Muslims sady niverina tany Medina. Tamin'ny taona 622, 73 lahy sy vehivavy 3 no nihaona taminy tany Mecca koa tao Aqabah. Ny olona tao Mecca dia nitady hamono azy tao aorian'io ka voatery nandositra tany Medina izy (16 Jolay 622) ka io andro io no andro voalohany amin'ny fanisanandron'ny Islam (Islamic calendar)zany hoe: Ny taonan'ny Hegira na Na ny fandosirana tany Medina.
9. prime ( 06/07/2006 11:38)
10. marozevo ( 06/07/2006 17:44)
Tena mazava tsara io fanazavan'i Soanja farany io. Tohizo ohatran'io hatrany. Dia inona indray no nitranga avy eo.

Tokony hasiana fintina ara-tantara kely aloha ka ! Na fara faharatsiny jalons historiques kely.
11. soanja ( 06/07/2006 18:07)
Ok. Ao fa tohizako indray ary rahariva e.
12. marozevo ( 06/07/2006 18:32)
Fa izao angaha maraina any aminareo le aza ah ! fa aiza nareo izany eh..

Tsy sanatria manova sujet akory fa maka aina kely fotsiny i Soanja dia mba omena tsiky kely.
13. soanja ( 06/07/2006 22:57)
Aty Colorado aho ka. Efa nilentika efa ela ny masoandro any @ nareo ny anay mbola tena miredareda be.

Chronology of Islam

Between l'an 0 -l'an 500:
1- Environment of Pre-Isalmic Arabian Peninsula: Tribalism, Animism, Polytheism, Byzantine and Persian Empires, Christian and Jewish Influences.

570-632 AD : Muhammad the Prophet

632-661 : Early Caliphs : Abu Bakr, Omar, Uthman, Ali , expansion into Palestine, North Africa and Persia
661-750 : Umayyad Callphate: Damascus headqueters, expansion to Spain and India
Hussein son of Ali Killed at kabala 680, Sunni and Shiite split widened.

750-1258 : Abbasid Caliphate; Baghdad, Isalmic renaissance in Literature, Arts, Scienec and Medicine
European Crusades 11th -13 Centuries, Turkish invasions.

1258- 1517 :Fragmentation of Isalmic Lands:
Seljuk, Mamluk, Mongol, turk invasions, Constantinople captured 1453. Muslims expelled from Spain 1492.

1517-1924: Ottoman Empire: Ottoman Turks headquartered in Constantinople. Persian with Safavid Dynasty of Shahs and Shiite Islam. Napoleon invades Egypt 1798
European Colonization
World War I
End of Empire Ataturk: Father of Modernization in Turkey.

2000 Islam in the 20th Century.
14. soanja ( 06/07/2006 22:59)
Amin'ny manaraka indray ny "Nation of Islam in America" izay tena mahavariana tokoa.
15. marozevo ( 07/07/2006 14:33)
Soanja.. misaotra fa tena ilaina be io. Avelanao ho enregistreko ve io ?

Raha mba azo atao, dia mba asio détail ilay periode 570 - 632
632 - 661
16. soanja ( 07/07/2006 14:58)
marozevo:

Soanja.. misaotra fa tena ilaina be io. Avelanao ho enregistreko ve io ?

Raha mba azo atao, dia mba asio détail ilay periode 570 - 632
632 - 661


Omeko anao tanteraka io ry Marovezo raha ilainao. Ary alaivo izay tianao alaina fa mizara anie no mahazo fahafaham-po indrindra e. :D:D Rahariva indray ary.


17. dadabe ( 07/07/2006 16:03)
ahan !! io indray le resaka daty ry marozevo a , mahafinaritra ahy io resaka daty io ka hehehe
18. soanja ( 07/07/2006 18:26)
Dadabe o, sao mba misy sopapa koa any fa mba zarao eto raha azo atao. Ianao toa any ampotony any?
19. marozevo ( 07/07/2006 18:49)
Tsy fitia te hiresaka daty akory, ry dadabe, fa tena mahaliana ahy ilay finoana Silamo, satria tsy misy zavatra fantatro mihitsy.

Aza matahotra i dadabe fa tsy hanao Silamo aho eh...

Alefaso ny manaraka ry Soanja fa efa azo aloha iny ah.
20. soanja ( 07/07/2006 22:40)
Aza manahy fa lefako eo ihany raha vao malalaka aho fa mila mahandro aloha ramatoa izao. Sera2 apres. :D8)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1956