vola

1. xxx ( 28/06/2006 09:31)
tiako fantatra kely we ahoana ny fomba hametrahana ny asiny vola na valeur eo @fiarahan'olon-droa raha mbola tsy mpivady , zany we olona efa samy manajanaka , vhv divorcé mananjanaka 1 ary lhldivorcé manajanaka 1, ny hiarahana @olona aloha tsy we resaka vola nefa io koa ao anatiny fanambadiana tsy azo atao hambaninjavatra satria tsy velona @ ranomangatsiaka ny olona , ka mahakamo raha resaka vola no anisy olana eo @ fiarahana ka hitondra fisarahana indray , ka zao mbola tsy mivady zao no tokony fantarina we namana v ilay olona.tsy izany manko fa efa 3velona zao zahay niaraka nefa tsy mbola nisy we geste kely toy ny fanomezana kely toa ny ranomanitra na fleur, nataony t@ko , nefa izy tena tia ahy, izy aloha rehefa mba sendra noana eny andalana aloha miantoka sakafo na resto ihany , fa ny tena koa olondehibe tsy variana @ zavatra tsy misy dikany tahakizany, hotrany omaly zao izy nilaza fa nahita zavatra mora b , valeur 50 euro , novidiany ilay izy fa apres izy nilaza we avereno ny vola d hotrany choqué ihany za naheno anizay resaka izay , ka mba tiako fantatra we interessé v za @zay sa normale ny reaction-ko?xxx aloha vhv 35taona
novalian'i HESHA ny 06/07/2006 06:50
2. Zina ( 28/06/2006 14:03)
tsy maintsy miresaka momban'ny vola ianareo. Io dia olana be mihitsy @ ny fanambadiana ary maha-tonga divorce mihitsy. Ka raha izy no miteny oe avereno ny volako hummmmm mila mieritreritra ihany ianao... mila miresaka be mihitsy nareo aloha ny hivadiana. a moins que manana vola be ianao ka tsy rarahinao izay an'azy zany ndray hafa..
Dia bonne chance ooo
3. dailynews ( 28/06/2006 14:12)
tsy azoko hoe , nividy zavatra ho anao ve izy izany hoe 50 euro izany ??? dia nasainy naverinao ny vola nony avy eo ???? raha toa ka izay dia kahihitra izy izany fa asio fiheverana.
eritereto ihany aloha e, mbola vao telo volana ianareo izao no niaraka ary marina fa samy mbola tia be ary anefa koa mbola azo atao hoe tsy lalina ny fitiavana ka raha mahita zavatra tsy mety dieny voalohany dia eritrereto tsara iny.
tadidio fa araka ny stasitsikandry zareo amerikana dia ny resaka vola no mampisaraka voalohany ny mpivady. donc tena zava dehibe mihitsy io izany ary mino aho fa mitombona io na aiza na aiza.
tsy interessee izany mihitsy ianao fa normal be ny fihetsikao.
4. xxx ( 28/06/2006 16:44)
dailynews
5. tisera ( 29/06/2006 04:31)
:?:x teba hafahafa mihitsy kosa izany a!
6. kally ( 29/06/2006 04:36)
Ka ilay valizy ve ianao no niteny hoe ividiano sa izy no nanapa-kevitra, raha ianao no nilaza dia rariny raha miteny anao izy hoe avereno ny volany, raha izy no nanapa-kevitra dia lazao izy hoe izaho angaha niteny anao hoe ividiano an'io aho hoe!

Marina fa toa manahirana be ny resakareo ka asanao!aza dia atao an-doha loatra ny resaka kaonty sy vola e! miaraha fotsiny amin'izao aloha sa olona hi-spons anao ve no tena ilainao? Handeha vacances ianareo samy miantoka ny frais misy fatiantokao ve? Nahazo valizy mora ianao, aiza ny fatiantokao? Sa ve mahatsiaro ho voambaka marina ianao eo amin'ny fifandraisanareo? Asanao re!
7. rapala ( 29/06/2006 06:21)
xxx: mila miresaka tsara nareo 2, aza menamenatra izany manazava ny ao am-ponao fa raha tsy izany de ho prob ny fiarahanareo. Ny lehilahy ange toy ny zazakely ka mila tononina tsara mihintsy izay tianao sy tadiavinao é, tsy mila manao hakamantatra izany fa tonga de tsorina.
8. miantra ( 29/06/2006 06:49)
Ataovy mazava ny resaka sy ny fe-petran'ny fiainana (règle de jeu) dieny voalohany e! Raha misy zavatra tsy tianao tonga teneno mba tsy hisian'ny hevitra tsy azo (quiproco).

Hoy ny Ntaolo:"Mpifanakatia tsy mifamarafara ka ady no hiafarany"
9. dailynews ( 29/06/2006 16:08)
raha ny fahitako azy dia izao, olona efa nipetraka ela tao frantsa angaha izy na eropa matoa manana fisainana tahaka izany ? samy mandoa ny azy ary tsy mieritreritra mihitys hoe hiantoka ilay iray, ..asa aloha fa na izany aza hafahafa ihany.
raha ny vehivavy amerikana mantsy dia ry zareo ihany nomiantoka ny rehetra hafa tsy ilay miaraka voalohany iny..ary izay nohitandry zareo fa mety..raha tsy hoe ilay lehilahy no te hiantoka...ianareo anefa tsy mipetraka ao usa fa toa euro no vola aloanareo... hmm...mety ho tean kahihitra ihany izy raha izany kah..anefa anie izy gasy e, mahafanatra tsara fa ny vehivavy hiantohana raha tsy hoe miresaka mialoha iznay ianareo. sa lehibe tany eropa izy ? ..na izany aza....mailo ihany ianao
10. vale ( 29/06/2006 16:47)
Efa mahazatra @ fomba malagasy ny hoe ny lhl miantoka, nefa kosa raha samy miasa ilay olona 2 dia hafa ny fipetrany @zay!!

amiko aloha i xxx mety diso fanantenana @ fihetsik'ilay namany satria manao fomban'ny vahiny araka ny voalazan'i dailynews ilay namany, ny mba fijeriko @izay zavatra iray izay indray dia rariny ny an'ilay rangahy, ohatra fotsiny t@ ilay valizy: noho izy nanana avantage @ carte ny any ampiasàna no nanampiany an'i xxx (angamba?) fa mety tsy hoe hanao KDO ho azy an'ilay valizy.

Momba ny billet ho rembourser-na indray dia rariny ihany koa raha mandoa i xxx satria olona miasa izy na dia hoe "vehivavy" aza!!! Ny hoe hahazo tombony ilay namany, jereon'i xxx raha toa ka tsy mamerina ny différence izy dia hafetsena indray izay. Mazotoa.
11. xxx ( 30/06/2006 16:35)
eropeanina izy, fa tsy gasy ary samy miasa zahay sy izy,fa za mbola tsy niaraka t@ vazaha raha tsy zay ka,raha miaraka zahay 2 ka hividy zavatra ho any zanako d tsy miandry azy ary tsy tiako izy no mividy zavatra ho any zanako satria adidiko ,fa za zany hotrany we t ahita geste avy @ mihintsy , ary au contraire toa ny vazaha mihintsy anie no tia manome KDO nohony gasy e!, ary ny tena tsy azoko anie milaza fa we tia , ary haka vady e, ary hitako fa sincere b izy @io resaka io ary fantako izy tia ahy , fa ny tena efa lehibe tsy vitany fitiavana koa ny fiainana, ka raha ohatra ka mbola mitovy @ fiainana celibataire ihany ny manabandy aleo tsy misy satria lasa resaka hafetsena ny azy , en plus raha izy no tonga hipetraka ao @ko , ary fanampiny izany koa anie manana lavitra noho izahako izy , fa raha misy hevitra , d miheno ny fanampianareo!
12. vale ( 30/06/2006 21:04)
xxx: ok! mazava iny an!! fa tia manome kdo ry zareo fa mety t@ io resaka valizy io tsy noeritreretiny ho hatao kdo ilay izy? sa?? ianao ihany no mahalala izay tena izy kà;-), fa raha ny hoe tsy mba mbola nanao geste taminao indray izany kosa alou euu,, mampieritreritra ihany an! asa, mety katity ve izany izy? diniho tsara aloha mialohany hifamatotra @ raha izany!:), mahereza:wink:
13. adidy ( 01/07/2006 08:36)
raha izaho aloha dia tsy tiako ilay fihetsiny e! Miasa ve ianao (lay bandy io )dia tsy mahay mampirevy akory!Mahihitra be ny anao! Mety ho diso fanantenana ihany ianao raha nanantena galanterie
14. sipagasy ( 02/07/2006 13:54)
mmhhh mba tsy rariny kosa aloha ny fahitako izany ry xxx ann, eritrereto ihany e! sao io ilay ho tonga @ fitenenana hoe dony tapany handoa erany e!! toa tsy mety kannnn, mitandrema e!
15. HESHA ( 06/07/2006 06:50)
xxx ra zany ny fiainam-bazaha, aleo ihany gasy hoatrantsika. Jereo tsara fa efa midika sahady izany fa efa mitokana ny anao de hafa koa ny azy, marina ny anao hoe ra hitovy am tsy manambady ihany ny manana, mitotoa koba hatavy e.
Ianao ndray ve no lany vola nefa ny fahafinaretana anareo 2.
Ny zaza efa anananao, ny vola anananao, fahafinaretana tadiavina refa tsy hisy tombony le fanambadiana.
Aza adino fotsiny zay tokony hiadananao am androm-pahaterana, tsy voatery ho vady zany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6652