Fandrika ho an-dRavalomanana.

1. Fiffi ( 28/06/2006 05:51)

Fandrika ho an-dRavalomanana, hoy ny Teza.

Zava-dehibe iny nataon'ny filoha nanome fanalefahan-tsazy ho an'ny olona mahatratra 5000 iny, hoy ny filohan'ny Teza, Moxe Ramandimbilahatra, fa raha misy kosa mitady ny mihoatra izay, dia efa fandrika atao ho an'ny filoha Ravalomanana izany. Misy mantsy no mitady ny famotsoran-keloka talohan'ny faha 26 Jiona, fa tsy fanalefahan-tsazy, kanefa tsy anjarany izany fa ny eo anivon'ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona no manao ny famotsoran-keloka.
Olona maro no nahazo tombon-tsoa isan-taona amin'izao ataon'ny filoha izao, ka aoka tsy ny tombontsoan'ireo nahavita heloka nandritra ny taona 2002 no jerena fa ao koa ireo mba manan-jo hahazo fanalefahana ny sazy.
Momba ny fetin'ny 26 Jiona indray, dia tsy fahazoana ny fahaleovantena io daty io fa niverenan'ny fahaleovantena satria efa nahazo izany isika tany aloha, ka aoka tsy ho disoana ny tantara, hoy ity mpanolon-tsaina manokan'ny filohan'ny repoblika.
Madagascar Tribune
novalian'i prime ny 03/10/2006 13:10
2. booboo ( 28/06/2006 06:13)
hihihihihi i Moxe sy ny " aoka tsy ho disoina ny tantara ". N'aiza sehatra misy azy tsy maintsy miteny an'io foana hihihihihihi
3. Nickovy ( 28/06/2006 06:22)
=D=D=D=D=D=D
4. ravatorano ( 28/06/2006 06:27)
zay olona tena hitapoko hitapirenena fa nanao haddisoana teto amin ny tanindrazana v mbola omena famotsoran keloka ihany eh
Aza hadino fa ny minisitry ny tanora teoaloha tamin ny andron i Deba dia anisan ny nahazo iny fanalefahan tsazy iny ary efa miandry ny taratasy famotsorana azy izy sisa izao.
5. sareraka ( 28/06/2006 09:56)
Atao mahagàga ve moa ny an'ingahy MOXE? nenjehina ery ny mpitondra teo aloha hoe kitrano an-trano sy ny mpihavana etc...nefa mbà fantatrareo hoe inon 'i RAVALOMANANA i MOXE torak'izany koa ingahy HAJA filohan'ny TIM nandimby an'i questeur HARINAIVO...
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY E?
6. prime ( 28/06/2006 12:49)
ra8 mbola fetsy e!:lol:
7. fijo ( 28/06/2006 18:55)
sareraka,fa inony tokoa kay,fa izahay tsy mahalala.
8. Fiffi ( 29/06/2006 07:17)
sareraka: tsy lazainao akory hoe inona ka maninona no tonga de lazaina hoe "INONA NO TSY MARINA AMIN'IZANY ? ovay ny diska eh!
9. sarobidy ( 30/06/2006 11:18)
raha ny hitako aloha de tena mahaleo tena toko ve tsika satria mbola eo ihany ny saina voan-devon'ny frantsay @ ty tsy fitiavana ny "VITA GASY " ty fa ny fireharehana @ importé.
Tsy tonontononina fahatany nge zany fahaleovan-tena e !!!
10. prime ( 03/10/2006 13:10)
fahaleovantena... tokony halalinina tokoa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1415