Mba toroy hevitra re e!

1. xxx ( 27/06/2006 13:11)
Nisy namako niara-nanao sonia bail hanofa trano izay ka dai niara-nisoratra tamin'ny contrat ny anaranay roalahy sy ny sonia ary ny an'ny tompontrano.

Maharitra 10 volana ny contrat kanefa dia nitsoaka antenantenany razokiny (4eme mois) sady tsy nampilaza no tsy nitady solution ohatra hoe nitady solony. Voatery nanome hofantrano feno aho izany (double) nandritr'izay enimbolana izay.

Inona no azo atao satria raha mitory aty andafy aty dai misy verdict mivoaka kanefa tsy afaka henjehina ilay olona satria efa lasa nody any Dago ary tsy mety mamaly telephone no tsy mamaly mail no manao menace ny fianankaviako any. :roll:
novalian'i fijo ny 12/09/2006 21:03
2. Fiffi ( 27/06/2006 14:43)
heu....aleo aloha haka renseignement kely vao hamaly.
3. ds ( 27/06/2006 22:54)
Raha misy "clause de solidarité" ny bail, dia tokony mandoa ny anjarany amin'ny ampahan'ny hofan-trano mandrapahatapitry ny fifanarahana ny mpanofa trano tsirairay voasoratra na dia mandao ny trano nofaina aza.
Azonao natao ny tsy mandoa ny anjaran'ilay niala. Raha mitory anareo ny tompon-trano, dia anjaranao indray avy eo, no mitory ilay akama tsy nanao ny adidiny amin'ny alalana "action recursoire".
Kanefa moa naloanao tsara ny hofan-trano (satria ianao tsy te hiala ilay trano angamba), dia tsy misy azo hatao intsony fa dia miandry ny sitrapony e.
4. miantra ( 28/06/2006 05:57)
Mba dadany koa izany!

Mahereza e!
5. xxx ( 28/06/2006 12:27)
Ny momba ilay bail aloha dia marina fa misy resaka responsabilité solidaire fa saingy kosa misy clause miteny mihintsy hoe: "rehefa tsy eo ny itray dia an'ny iray manontolo aloha ny mandoa ny hofantrano feno, avy eo izy vao manenjika ilay iray.

Eo aloha tsy misy olana.

Ny olana dia rehefa voahangona ary ny taratasy rehetra ka nandeha nanao plainte ary ni-decider ny tribonaly aty andafy hoe tokony handoa ilay ranamana iray.

Ilay ranamana nefa efa any dago, dia inona no recours azo hatao mba ho valide any Dago ihany koa io "decision"-ny tribonaly aty andafy io? Alefa interpole toy ny crime ve sa alefa Ambassade sa ahoana?

Tokony handoa mantsy io ranamana io fa raha tsy mandoa izy dia lasa za-dratsy mamitaka toy izany.
izaho mbola tsotra fa ny tsy tiako de hanao izany amin'ny mpaka kitay any izy noho io fahazarandratsy mandositra responsabilité io ka manjary hotsiponina eny Ikopa ny fatiny.
6. ds ( 28/06/2006 22:52)
Raha izay indray , dia hafa ny fandehany.

Fangatahana fampiharana didim-pitsarana frantsay (EXEQUATUR) any Dago no azonao hatao.
Misy fifanarahana eo amin\'ny firenena malagasy sy frantsay momba ny fampiharana didim-pitsarana. Amin\'ny ankapobeny rehefa tsy mifanipaka amin\'ny fepetra manaraka ireto ny didim-pitsarana frantsay, dia azo hampiharina ao Madagasikara.
Ireo fepetra takian\'ny fampiharana didy :
a) tribonaly ara-dalàna no namoaka ny didy
b) tsy azo toherina (appel, cassation, ...) intsony ilay didy araka ny lalàna frantsay
d) tsy mifanohitra amin\'ny filaminam-bahoaka (tsy miteraka korontana) ao Dago ilay didy
e) tsy misy raharaha hafa momba ity resaka ity any amin\'ny fitsarana gasy

Mila manana mpisolovava mampiditra ny fangatahana fampiharana ny didy any amin\'ny tribonaly. Tsaratsara kokoa any amin\'ny toerana ipetrahan\'ilay olona raha fantatra.
Mety elabe vao mivoaka ny didy arakaraka ny fahavitrihan\'ny tribonaly...


7. fijo ( 29/06/2006 20:21)
raha ny zavatra misy aloha dia tsy misy fika azo andrasana,fa dia enao irery no mandoha izao.afaka manao "action recursoire" ihany avy eo,dia mangataka "exequatur"nefa dia lany andro ihany,satria raha "insolvable "ny akama any,dia vita ny kabary.
8. unjila ( 29/07/2006 18:53)
eh mampalahelo ianao ,nisy namako ko efa voa otran'io ,izy mba manantena hoe samy gasy mba mifanapy kanefa inona no teo,izao izy lasa tsy mahatoky namana zany tsony mahereza @ ireo torohevitrin'ny namana ireo é
9. Herimiafina ( 05/08/2006 14:16)
tena henjana tokoa ny manjo an'i xxx izany klé. tsotra ny fanafodiny, rehefa mody dia vakio ny vavany dia samy vita, ny vidin'ny solonify mety ho lafolafo lavitra noho ny hofantrano tsy nalohany! :^)
10. minoum ( 08/08/2006 03:31)
salut!
NY probleme eo aminao de ny 80% de ny manodidina anao no mitondra azy,ka aza kivy , mivavaka ho anao ,satria mbola ho lava ny tohiny, tsy hanomé vola izao izy aloha donc mbola be ny ho hefaianao , mahereza fa hatramizay vitanao.Ho hita eo ny anjarany
11. fijo ( 09/08/2006 20:17)
izay no hilana fitandremana foana amin'i namana sy akama io;
12. Dan ( 19/08/2006 11:45)
Tena mampivonto fo mihitsy an. Efa hitako ny sahalahala @ io, ny azonao atao dia mandoa vola dia mionona, dia éviteo ny hihaona aminy. Raha ho vakianao ny vavany dia rehefa lasa ianao dia mety ho vonoiny indray ny fianakam's dia hiverina indray ianao , dia tsy mety ho vita; raha tsy ohatra angaha ianao dia mivadika horera hamono hahafaty azy dia samy vita (il faut battre le mal par le mal).
Mahereza fa aza manao fahotana be izany.
NY Vola fitady r'ise, dia tsy hitondra azy mankaiza iny
13. fijo ( 23/08/2006 22:35)
tsy hitondra azy mankaiza ,fa izy efa milamina anie e,enao no taraiky eo
14. Herimiafina ( 24/08/2006 16:13)
:-wMisaotra ry zalahy sy ry zavavy fa dia nahafampo tokoa e, izaho ihany io manontany io fa tena henjana ilay olana tamin'ireny e, efa nalamiko moa izy izao fa dai aleo ny ho avy no hitsara ny tsirairay e!
15. prime ( 25/08/2006 12:29)
HM> Hummmm... fa mahaliana ny lazainareo an... lasa mba manana notions kely @ droit ho'azy teo indray...:wink:
16. fijo ( 12/09/2006 21:03)
ka ny droit anie hono tokony ho hain'ny rehetra e.hi hi hi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2572