Ny Olombelona- Ny vehivavy (Islam)
21. soanja
(
28/06/2006 22:42)
energye:
oh ry soanja ,mba arakao tsara ve ny tantaran'i omol mo'minina Aicha?
ary hainao koa ny tantaran'i hazrat Khadijah?
iza tamin'i reo roa no tena nialona ?
raha mila fanazavana fanampiny ianao na koa mila mitafa2 de afaka manoratra @ ity adiresy ity ianao .
raha ohatra ka misy koa ny mba mila hahalala izany dia afaka manoratra koa .
y1assir@yahoo.fr
mialatsiny ry soanja fa tsy ady ity fa resaka ihany mila hahalala ny marina izahay ka afaka mitondra ny heviny izay mila hitafa.
Tsy tena arako daholo ny tantaran'ireo fa ny fifandraisany amin'i Mpaminany Muhammad no fantatro hoe:
I Khadija dia efa 40 taona no nihaona tamin'i Muhammad rehefa nandeha ni-voyage as a caravan agent amin'ny resaka varotra tany Syria i Muhammad. 25 taona i Muhammad tamin'izay. Manankarena be i Khadija ary izy no tena niantoka ny arabola an'i Mpaminany sy ny fampiakarana moral (psychological support) azy. Niteraka 2 lahy ry zareo izay maty dahaolo tamin'ny mbola kely ary niteraka vavy 4. Lasa leader i Muhammad ny nony farany tany Mecca. Hatramin'i 610 sy 622, dia niaina tany Mecca izy ary nnadray ny feon'ny faminaniana tamin'i Arkanjely Gabriel. 3 taona avy eo nangingina. Nifankatia be izy sy ny vadiny ary tsy nanambady hafa izy raha tsy maty i Khadija.
Ny vadiny no olona voalohany nanaraka ny finoany rehefa nanao ny prophetic mission izy. i Zayd izay nataony ho zanany satria andevony tao ary ny cousin-ny Ali zanak'i Abu Talib sy ny namany Abu Bakr. Tamin'ny 619 no maty i Khadija ary nanambady an'i Sawdah, izay mananotena izy. Nialokaloka tany amin'i al-Taif izy saingy tsy navelan'ireo.
Tamin'io fotoana io no nisy ny fahagagana nanjo azy. Nentin'i anjely Gabriel izy tany Jerusalem. Tany izy dia nahita an'i Abraham, Moses, ary Jesus ary nitondra andry zareo hivavaka. Avy eo dia netin'ny anjely ihany tany amin'ny lanitra fahafito avy eo amin'ilay vato malaza izay lasa hoe: the dome of the Rock.
Tamin'i 624 izy no nanambady an'i Aisha. Izay tanora indrindra tamin'ny vadiny. Arak ilay volaza moa dia hoe 9 taona ry zareo vao niara natory. I Fatima, zanany vavy nanambady an'i Ali cousin-ny.
Tamin'ny profeta nanambady be dia be dia betsaka tamin'ireo vehivavy no nifamaly taminy noho ny fitiavan'i Muhammad an'i Aisha manokana. Umar, izay nanjary caliph taty aoriana dia nanana zanaka vavy nanambady an'i Muhammad. Nimenomenona ilay io momba ilay vady tanora na zaza loatra sady miangatra ny fitiavany.
Ity no volazan'i Abu Musa : " Betsaka ny lehilahy no mahatratra ny lafatra amin'ny fiainana, fa tsy misy vehivavy mahatratra an'izany afa tsy i Aisha, Ny vadin'i farao, ary i Maria zanak'i Imran. Tsy isalasalana fa i Aisah no ambony indrindra raha oharina amin'ny vehivavy hafa toy ny fahambonian'i Tharid (sakafo hena sy mofo) amin'ny sakafo hafa." (Hadith 4:411)
Nialona an'i Aisha tokoa ireo vehivavy be dia be vadiny ireo ary ny sasany koa nilaza fa nialona i Aisha rehefa mankany amin'ny vehivavy hafa vadiny izy.
22. energye
(
29/06/2006 06:49)
eny e ,ekeko daholo ireo voalazanao fa indro kely hoy ny mpandrafitra :[ Tsy isalasalana fa i Aisah no ambony indrindra raha oharina amin'ny vehivavy hafa toy ny fahambonian'i Tharid (sakafo hena sy mofo) amin'ny sakafo hafa." (Hadith 4:411)]
ity mba dinih kely arakan'ny voaraikitra ao @ tantara dia fony i hazrat Khadijah mbola velona dia tsy nanambandy ary tsy naka vady vehivavy hafa i Mohamad [saw],izany dia midika hoe nanaja fatratra an'i Khadijah izy ary izany dia voaraikitra ao @ riwayat. , i Aicha dia tena nialona fatratra an'i Khadijah ,rehefa Mohamad mahatsiaro an'i Khadijah reny dia mitsodrano ho azy izy ,io fihetsika io dia tsy nakasitrahan'i Aicha ary indraindray izy tafateny hoe :" ataonao ino olona efa maty igny ,ary koa izy antintra" ary arakan'ny riwayat rehefa iMohammad naheno io resakan'i Aicha io dia tezitra mafy ary nilaza hoe :tsy misy vehivavy mitovy @ khadijah . Soanja afaka mba lazainao ve ny tantaran'ny ady jamal [al harbo jamal],raha mbola tsy hainao de anotanio any @ mpampianatrareo any fa izy angamba afaka manazava bebekokoa izany ,fa ny anampiako anao de zao : hainao ve ny tantaran'i Ali [as],de inona ny hadith voalaza mikasika azy ?
de ireo hadith voalaza ao @ sahih bokhadir sy moslim avy @ iza sy iza ny akamaroany?
tsy misy resaka fahatezerana eto fa fitadiavana ny marina ny antsika zao , ary misaotra anao mihintsy aho nanana fandavan=tena nikaroka ny momban'ny islam
ka de makahery anao aho hianatra izany hatramin'ny farany ,fa zao ny mba tianako ho hay ; aiza no nianaranao ireo ,de ny mpampianatrao ve sonnit sa chiat ? raha azo atao de mba valio ireo fanotaniako ireo .zay alo f de minajyny valiny avy aty .
wasalam alaikom wr .

23. soanja
(
29/06/2006 07:43)
Ok Energye. Voaray daholo ireo fanontanianao ireo. Misaotra anao koa nanome ireo fanampina fanazavana ireo. Rahampitso indray aho manome fanazavana momba an'ireo fa efa alina be aty aminay. Peace!
24. soanja
(
29/06/2006 23:33)
energye:
eny e ,ekeko daholo ireo voalazanao fa indro kely hoy ny mpandrafitra :[ Tsy isalasalana fa i Aisah no ambony indrindra raha oharina amin'ny vehivavy hafa toy ny fahambonian'i Tharid (sakafo hena sy mofo) amin'ny sakafo hafa." (Hadith 4:411)]
ity mba dinih kely arakan'ny voaraikitra ao @ tantara dia fony i hazrat Khadijah mbola velona dia tsy nanambandy ary tsy naka vady vehivavy hafa i Mohamad [saw],izany dia midika hoe nanaja fatratra an'i Khadijah izy ary izany dia voaraikitra ao @ riwayat. , i Aicha dia tena nialona fatratra an'i Khadijah ,rehefa Mohamad mahatsiaro an'i Khadijah reny dia mitsodrano ho azy izy ,io fihetsika io dia tsy nakasitrahan'i Aicha ary indraindray izy tafateny hoe :" ataonao ino olona efa maty igny ,ary koa izy antintra" ary arakan'ny riwayat rehefa iMohammad naheno io resakan'i Aicha io dia tezitra mafy ary nilaza hoe :tsy misy vehivavy mitovy @ khadijah . Soanja afaka mba lazainao ve ny tantaran'ny ady jamal [al harbo jamal],raha mbola tsy hainao de anotanio any @ mpampianatrareo any fa izy angamba afaka manazava bebekokoa izany ,fa ny anampiako anao de zao : hainao ve ny tantaran'i Ali [as],de inona ny hadith voalaza mikasika azy ?
de ireo hadith voalaza ao @ sahih bokhadir sy moslim avy @ iza sy iza ny akamaroany?
tsy misy resaka fahatezerana eto fa fitadiavana ny marina ny antsika zao , ary misaotra anao mihintsy aho nanana fandavan=tena nikaroka ny momban'ny islam
ka de makahery anao aho hianatra izany hatramin'ny farany ,fa zao ny mba tianako ho hay ; aiza no nianaranao ireo ,de ny mpampianatrao ve sonnit sa chiat ? raha azo atao de mba valio ireo fanotaniako ireo .zay alo f de minajyny valiny avy aty .
wasalam alaikom wr .
ENERGYE, Ity ny fantatro momba an'i Ali sy ny taranany
Shi'ite
Ny antony nampisaraka ny Sunni sy ny Shi'ite dia noho hoe iza no handimby an'i Muhammad. Ny atao hoe Shi'ite dia "Ny mpanaraka an'i Ali" izay noheverin'ireo fa i Muhammad dia nanondro azy ho mapndimby azy. Ny tradition no nilaza fa "Ny fanahy masina dia mitoetra amin'ny profeta tsirairay ary mifindra avy amin'ny iray mankao amin'ny iray; avy amin'ny Muhammad manakany amin'i Ali ary mankany amin'ny taranany ao amin'ny Imamate" The Shi'ite Religion (London :Luzon& CO, 1933)
I Ali dia zaodahy sady cousin'i Muhammad satrai ananambady an'i Fatima zanan'i profeta izy. Ny dadany dia i Abu Talib. Ali no nametraka ny Imamate ny Shi'oite raha mifanohitra amin'i caliphaten'i Sunni.
Izy no Imam volaohany ary nafindrany tamin'ny zanany Husan sy Husein ilay izy ary ireo no taranaka nitondra ny imams.
Nony maty i Muhammad dia tsy nekena ny naha imam an'i Ali ho voalohany. Ny fiaraha monina no nifidy Caliph efatra nifandimby ka i Ali no faha-4. Nisy fifandonanan tamin'ny androny noho izy tsy neken'ny olona sasany . Nisy namono izy ary nalevina tao Najaf, akaikin'i Kufa, Iraq izy. Ny zanany Hasan no nandimby azy . Nanambady 60 izy io ary maty nopoizin'ny hafa no nahafaty azy. Nandimby azy indray izany i Husein zanany ka io koa dia nisy namono nony ho any Kufa. Ka ny mpiady Sunni no namono azy tao Kerbala, Iraq. Ny lohany dia nentina tany amin'i Yezid Ibn zanak'i Mu'awiya tao Damasy ary ny vatany dia nohitsakitsahin'ny sovaly. Hatramin'izay dia natokana ho fahatsiarovana ny nahafatesany ka betska ny olona mankany Kerbala, Iraq mamonjy ny pelerinazy. Izy dia noheverin'i Shi'ite fa martiora.
Tsy fantatro ny momba an'i Ady- jamal fa hanontaniako izany.
Ny Bibliography dia lava be fa "The Meaning of The Holy Quaran: New Edition with Revised Transalation and commentary." Ali, Abdullah Yusuf. 1989
"The Arab World" Berger, Morooe 1964
sns betsaka be tsy voatanisako eto ka tsy arako na Muslim avy amin'i Sunni na Shi'ite no nianarako fa mino aho fa samy nijerevana daholo.
we alekum salam!
25. marozevo
(
01/07/2006 21:44)
Inona ary no tanjon'i Energye eto eh... Hifampizara sa hamandrika an'i Soanja? Tsy tokony hasarotinao ilay izy fa izay tsy voalazan'i Soanja dia lazainao amim-pahatsorana. Izay zavatra hitanao fa tsy feno na diso dia lazao amim-pahatsorana fa tsy ho sarotiny amin'izany akory i Soanja. Ireo fanontaniana toto afo ataonao ireo dia toa te hilaza fa ianao no tena mahalala fa tsy i Soanja. Izy anefa efa nilaza amim-pahatsorana tany am-piandohana fa fifampizarana no ataony fa tsy hihambo hahalala ny zavatra rehetra akory.
Soanja > Ka ilay petapetaka fahatelo hafahafa kooo... tahan'ity :* ange no nataonao tao eh...
Nga raha lavitra dia hoe... Adinonao angaha ilay hiran-dRatsimbazafy.
Soanja > Ka ilay petapetaka fahatelo hafahafa kooo... tahan'ity :* ange no nataonao tao eh...
Nga raha lavitra dia hoe... Adinonao angaha ilay hiran-dRatsimbazafy.
26. bemalaza
(
02/07/2006 16:45)
marozevo: fanga lambo [sanatria ] i soanja no ho fandrihiko?
resaka ny natao teto fa tsy misy idiran'izany eto.
ary i soanja ange efa nilaza hoe izy nianatra fotsin.
sanatria tsy mila hidoka=tena no antony andraisako anjara eto ,fa mila hilaza ny hevitray islam izahay ,satria anjaranay ny mamaly ireo fanotaniana izay ampetrakolona

27. marozevo
(
03/07/2006 07:45)
Izaho izao vao mahita an'i bemalaza eto. tsy mbola niteny aho hoe mamandrika an'i Soanja i Bemalaza. Toa mandray tsy raisina toy ny tsipolitra antitra ianao izany.
sa iray ihany ny bemalaza sy energye ?
sa iray ihany ny bemalaza sy energye ?
28. prime
(
05/07/2006 10:24)
Tohizo ny fanazavanareo ry bemalaza sy energye fa izahay anie manaraka e!!! efa naka seza sy nividy popcorn mihitsy izahay izao dia ianareo indray mitady voavilivily... :°)
30. marozevo
(
05/07/2006 21:54)
Tsy azoazoko ny toetran'i Energye sy i bemalaza fa manao toe-tsaina Silamo.
31. soanja
(
06/07/2006 00:55)
marozevo:
Tsy azoazoko ny toetran'i Energye sy i bemalaza fa manao toe-tsaina Silamo.
Marovezo a, Masiaka loatra ianao. Mino aho fa raha ny antsika no natao resaka tahak'izay nisy hatramin'izay dia angamba samy nanangam-bovona teto daholo. Hatramin'izao aloha dia hitako fa mety tsara ny fomba fitondrany ny ady heviny. Ny hany tsininy fotsiny dia toa heveriny toa ny fitondrana Amerikanina daholo isika rehetra ka na ny fidiran'ny tafika any Irak aza dia anomezany tsiny antsika.
33. marozevo
(
06/07/2006 17:52)
Ka izany indrindra ange ry Soanja eh...
Volana maromaro lasa izay taoko resabe teto ny hoe "ianareo katolika".... "ianareo kristianina"... "nahoana ny papa no atao hoe Héros". sns sns.... Ireo loha hevitra voalazako, efa navadiky ny pejy ireo no nahatamàna ahy teto.
Masiaka loatra ve aho... Ilaina ihany izany indraindray, fa tsy isan'andro ary tsy amin'ny olona rehetra.

34. soanja
(
06/07/2006 18:06)
Rehefa tsy amiko defa faly aho. Saika omeko an'ilay petaka fa tsy sahy intsony aho.
37. marozevo
(
07/07/2006 14:44)
Tsy Rasoherina izany fa Ranavalona eh... Ny ahy manko avaloko tsara fa tsy mba tenaiko.
39. marozevo
(
07/07/2006 18:58)
Ny atao hoa avalona dia izay tandremana tsy haloto, apetraka tsara amin'ny toerany ao an-trano. Fa izay tenaina kosa dia ilay entina miasa sns... sy ilay antsoina hoe "itena". Ohatra hoe : Matiko eo itena anh...