Fitsarana (mondiale)

1. lapino ( 26/06/2006 06:47)
Nampanantena hono ny FIFA fa hanolotra fitsarana tsy azo hokianina amin'ity mondiale ity. I Domenech (Frantsa) no efa niteny tamin'ny gazety fa manakiana ny fitsarana (satria hono suisse ny Pdt-n'ny FIFA).

Taorian'iny fihaonana Portugal vs. Pays Bas omaly iny, izay lalao tena naloto aloha (karatra mena 4), dia nilaza ny Pdt-n'ny FIFA fa mendrika karatra mavo koa na ilay mpitsara aza. Miaiky ny FIFA izany aloha ho an'ny omaly, tsy haiko ny tamin'ny match hafa ...

Fa mitohy foana ny fifaninanana, ... :)
2. Fiffi ( 26/06/2006 06:54)
tena sevère be koa aloha t@ fitsarana an'ireo olona nahazo carton rouge ireo an!
3. hery ( 26/06/2006 07:26)
Arakaraky ny fitsarana ihany no maha-be simulation. Nisy match iray t@ 16e, tsy tadidiko iny, fa na misy mianjera aza dia tsy misioka mihitsy ny mpitsara. Farany dia tsisy nianjerazera intsony fa samy nahatsapa hoe avelan'ilay mpitsara eo fotsiny raha mianjera ka aleo miezaka mamono baolina.

Fa tsy namely kosa aloha ilay bandy hollandais tsy nanao fair play iny e :-)
4. lemenakely ( 26/06/2006 07:37)
Raha ny fijeriko ilay lalao omaly nikatrohan'ny PAYS - BAS sy PORTUGAL omaly dia nanao ny asany tsara mihintsy ilay mpitsara russe IGOR IVANOV.Ny antony dia tsy nitanila t@ andaniny izy na ny ankilany fa no balancény tsara ny lalao manontolo.Ilay portugais nahazo ny carton rouge voalohany i COSTA dia efa nanao 3 fautes vao nahazo rouge.Ilay marocain d'origine BELAHROUZ dia namely an'i RONALDO(izay tsy maitsy nivoaka noho ny ratra) dia mbola namely fan 2 dia expulsé nanome dihy kiho an'i FIGO.Torak'izany koa ny 2 cartons rouges nahazo an'i BEKO sy VAN DER KAUST.

Ingahy VAN BASTEIN ilay mpanazatra hollandais moa dia nilàza ao @ eurosport.fr fa manque d'éxpérience ny hollandais mbola tanora saina loatra!
5. Fiffi ( 26/06/2006 09:04)
fa tena nahavariana kosa aloha t@ ity fizarana carton ity omaly an! tena ohatran'ny fizarana "bon point" aiza ve de ny ekipa iray efa 9 sisa no nilalao tao , de ny iray 10 ! Indraindray tena tsy mahatonga saina mihintsy fa tsy misy tolérance mihintsy nefa lalao ange io eh! Eny eh! miankina @ le mpitsara koa aloha fa na de izany aza an ! mba mondial ange io an!
6. naughtyboy ( 26/06/2006 09:57)
asa ra mahatana vava na misy fepetra ny fifa @ mpitsara otrany Ivanov tony,to nalalatanana be loatra nanome karatra ny rehetra zay lasa nampisavorovoro le match.aiza ko 16 karatra mavo manginy fotsiny 4 mena ,costinha,deco,belahrouz,van der kaust tena lasa lery no tompondaka erantany @ fanomezana karatra tampoka teo lery.
7. Fiffi ( 26/06/2006 12:14)
grave lery klé !
8. lapino ( 26/06/2006 15:28)
Mbola io indray ny italiana fa miakatra amin'ny taim-baolina!
9. lapino ( 26/06/2006 15:33)
lemenakely, nanao fahadisoana betsaka ingahy Ivanov omaly iny. Na dia mérité daholo aza ny carton efa ho 20 nozarainy.
10. Ragadona ( 26/06/2006 15:36)
Le penalty azon ny italianina teo koa toa mampisalasala ihany ko
11. sareraka ( 26/06/2006 15:46)
Isan'ny lalao azo atao hoe: BORDEL iny lalaon'i PAYS BAS sy ny ekipa PORTUGAIS omaly iny !
Nampatsiahy ny lalao baolina teny antanikatsaka eny ITAOSY fahiny miafàra @ totohondry sy daka.

Soa fa européanina ireny ekipa ireny dia takotakomany ny henatra fa raha ny afrikanina asa angamba surtout moa ireto mpitantara baolina frantsay izay manambany tokoa ny mpilalao afrikanina sy ny lalao baolina afrikanina!

Ho hitanay eto moa izay ho ataon'ireo frantsay nefa anie RAHA TSY MISY NY MPILALAO AFRIKANINA toa andry i VIEIRA sy THIERRY HENRI tsy tafakatra e?

KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY?
12. rapala ( 26/06/2006 15:46)
Simba ny fifa mihintsy ny mondial t@ ity taona ity, tsy misy intsony ny plaisir mijery ilay foot fa to mahazo karatra daholo izay match jerena rehetra.
13. Fiffi ( 26/06/2006 16:37)
sareraka:
Nampatsiahy ny lalao baolina teny antanikatsaka eny ITAOSY fahiny miafàra @ totohondry sy daka.
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY?
tsy mahagaga.:wink:


14. rapala ( 26/06/2006 17:07)
eny oua ry Fiffi:)
15. lapino ( 27/06/2006 04:59)
Ragadona, http://fraz.blaogy.com/post/10/1196 :D

Sareraka, Van Basten aza niaiky fa "petit football" iny ary ny tsy fahampiana traikefa avy amin'ny ekipany no nahatonga an'izay.
16. onjah ( 27/06/2006 17:15)
Tena matetika mitongilana kely @ ekipa malaza na goavana ny mpitsara. Hadisoana mitovy izao ny iray tsofina ny iray tsy tsofina sns sns.
17. mandrindra ( 28/06/2006 08:36)
Ragadona:

Le penalty azon ny italianina teo koa toa mampisalasala ihany ko

tena tsy misy tokony ampisalasala ireny fa tsy penalty mihitsy, satria tsy misy hadisoana nataon'ny défenseur.
mpitsara kamo hanao fanalavampotoana iny.

18. jentilisa ( 28/06/2006 12:21)
zaarany ary koa, prime mitovy ihany?
19. lapino ( 29/06/2006 18:14)
Ilay mpitantara baolina koa tamin'io (M6), dia nitongilana naka an'i Italia. Raha ny teniny manko dia hoe "compensation" hono no nahatonga an'ireny fitsarana vilana ireny. Satria hono efa vilana ilay karatra mena nomena an'ilay italiana tamin'ny voalohany, dia omena penalty ry zalah 1 segondra alohan'ny farany.
20. jentilisa ( 30/06/2006 10:11)
ny mpitantara ankehitriny tokoa lasa mitongilangiana izany daholo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4513