Zay ve de rariny

21. marozevo ( 06/07/2006 17:27)
Na koa ilay fitsarana no efa zatra voaaloka nandritra ny taona maro, ka na tsy misy manaloka akory aza dia mihevitra fa voaaloka.
22. fijo ( 06/07/2006 18:58)
izay anie wa ry marozevo e,izy aza mihaiky fa misy zavatra mangotraka ao;ka atao akory fa raha may izy dia izay ko
23. arson ( 07/07/2006 12:26)
ny tsara @ le mpanao ratsy ireny oa de faizina tsaratsara mitsy ho tonga saina.aiza ko mpanabotry ny fireneny loatra!
24. marozevo ( 07/07/2006 13:59)
Ny mampalahelo fotsiny indraindray dia izao : Tratra daholo ny mpanao ratsy eo anelanelany eo... tena nanao ratsy aloha ry zalahy : Ohatra - Kotity; ra-Merci; Denis be; Sabine; sns... Fa ilay lohan'ny mpanao ratsy rehetra, ati-doha nikotrika, migalabona any amin'ny villa Madrid.
Lehibe moa kooo
25. fijo ( 07/07/2006 19:13)
izay foana io matetika e.ary io,dia ny fifandraisana eran tany mihintsy no mahatonga izany.
26. prime ( 12/07/2006 11:28)
Migalabona izy satria misy fifanarahana vita @ fitondràna roa tonta aloha (frantsa sy madagasikara) no sady misy fifanarahana vita @ izy mitsam (ra-8 sy deba)... maro ny zava-miafina fa aleo alefa tsikelikely sao tsy zakantsika toy ny filazan'i ddb azy izay...:lol:
27. fijo ( 12/07/2006 19:56)
misy koa ny tsy hoaintsika mihintsy.
28. prime ( 14/07/2006 12:37)
fijo> marina tokoa izany...
Fa raha ny mikasika an-dra-8 sy deba dia efa mazava... misy convention tacite efa vita @ izy roalahy... ary ambadika ary i ddb (lohahevitra mikasika ny finoana "la franc-maçonnerie")tena nanazava tsara ny momba an'izay fa manasa antsika handinika lalindalina kokoa... Fa tsy misy zava-miafina ho an'ny olona manodidina azy ny mikasika azy mitsam fa zava-miafina ho an'ny daholobe... (izay no mahasadaikatra ny miresaka azy eto satria sao tsy zakan'ny olona ka mahatonga resabe... fa ny zavatra rehetra tsy maintsy mbola haseho... ny fotoana no sisa...)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0492