Jesosy tsy mamaly ratsy ny ratsy ....... fa malemy fanahy

1. Silo ( 22/06/2006 07:04)
Ahoana ny fahazoanareo ny tenin'i Jesosy izay manao hoe: "Raha misy olona mamelaka ny takolakao ankavia, de atolory azy koa ny havanana"


De hoy koa Izy " Raha misy olona te haka ny ankanjonao de omeo azy koa ny lambanao"

Toa manome vahana ny mpanao ratsy mantsy io teny io raha jerena maikamaika.

Ka ilako fandinihana miaraka aminareo


novalian'i marozevo ny 07/07/2006 14:46
2. LazaRandri ( 22/06/2006 07:19)
Silo:
Toa manome vahana ny mpanao ratsy mantsy io teny io raha jerena maikamaika.

ianao ihany ry Silo dia efa milaza hoe "raha jerena maimaika". hahaha! Jereo lalindalina dia ampianaro anay eto ny dikan'izany hoe "reseo amin'ny tsara ny ratsy" :-*

3. prime ( 22/06/2006 07:52)
4. Fiffi ( 22/06/2006 12:35)
Silo:

Toa manome vahana ny mpanao ratsy mantsy io teny io raha jerena maikamaika.
Fa nahoana no jerena maimaika ny tenin'i Jesoa ? Mifanohitra @ zany mihintsy aza no tokony hatao , satria plus mandinika lalina ireo voalazany ireo ianao , plus misy zava-baovao azo raisina indray ao .


5. prime ( 22/06/2006 13:12)
Fiffi> tena marina izany...:)
6. marozevo ( 22/06/2006 14:12)
Raha jerena maimaika dia izany izany kooo inona indray.
Fa raha jerena lalindalina kokoa dia angamba kosa resaka "feon'ny fieritreretana" no tiany hambara amin'izany. Alalino kely ange eh.. Ny ahy aloha dia izany no vokatry ny fandalinana kely.. kely ihany aloha.
7. LazaRandri ( 23/06/2006 00:35)
marozevo:
Fa raha jerena lalindalina kokoa dia angamba kosa resaka "feon'ny fieritreretana" no tiany hambara amin'izany
tsy feon'ny fieritreretana mihitsy ny fijerena lalindalina ka! Io dia fandalinana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ihany :) Tsy mamorona ange fa ao ihany milaza ilay hoe "reseo amin'ny tsara ny ratsy" e. :wink:
Ny feon'ny fieritreretana mantsy sady ahenoanao ny bitsik'Andriamanitra no ahenoanao ny tabataban'i Satana:?. Dia ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ihany ianao no mahita ny hafany :idea:


8. vale ( 24/06/2006 23:05)
Silo:

Ahoana ny fahazoanareo ny tenin'i Jesosy izay manao hoe: "Raha misy olona mamelaka ny takolakao ankavia, de atolory azy koa ny havanana"


De hoy koa Izy " Raha misy olona te haka ny ankanjonao de omeo azy koa ny lambanao"

Toa manome vahana ny mpanao ratsy mantsy io teny io raha jerena maikamaika.

Ka ilako fandinihana miaraka aminareo
Silo: izay no maha Andriamanitra azy koh!!!
saingy ,,iza @tsika olmbelona no tena afaka hampihatra an'ireo voalaza ireo? in-2,in-3, ngamba mety ho vita ihany ,fa mihoatra an'zay kosa,,??!hihih






9. marozevo ( 26/06/2006 21:43)
Ny feon'ny fieritreretana mantsy sady ahenoanao ny bitsik'Andriamanitra no ahenoanao ny tabataban'i Satana. Dia ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ihany ianao no mahita ny hafany

raha adika amin'ny tenim-bazaha tokoa ny hoe feon'ny fieritreretana dia hoe "Conscience" no dikany [(Con = cum - Ensemble) (science = fahalalana)]. Izany hoe mahafantatra ny lafy tsara sy ratsin'ny zava-misy rehetra, saingy tsy mijanona amin'ny fahafantarana fa mandanjalanja izay tokony hatao.

Asa na tsaroan'ny sasany amintsika ny tantaran'i Jean sy Hildbrand GOSS? NVA---
10. prime ( 27/06/2006 09:57)
Silo> fampianaran'i Kristy dia mifototra @ "FITIAVANA", tena lalim-paka io satria ilay définition "Agape" mihitsy no tiany iainana... Izy efa nanolotra ny ainy no ataony endrika faratampon'izany... dia izay mitonona ho mpianany tiany hianatra aminy sy hanaraka ny diany mihitsy aza...
11. marozevo ( 28/06/2006 21:17)
Azafady fa tsy Hildbrand fa Hildegard GOSS.
12. prime ( 29/06/2006 13:14)
:lol:
13. marozevo ( 01/07/2006 21:54)
ty ho'aho:) no izy. Anontanio Rahery raha tsy matoky ahy ianareo.
14. prime ( 04/07/2006 08:44)
ty ahoana e???!!:-D
15. marozevo ( 07/07/2006 14:46)
ity eh ...:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.241