Ny fomba aty ivelan'ny fivavahana Silamo

1. soanja ( 21/06/2006 15:07)
Rehefa niresaka momba ny Inward na hoe (al-batin) zany hoe ny fifandraisana ao anaty amin'ny mahasilamo sia ity indray ny fisehoana aty ivelany ny mahasilamo.

2- Amin'ny maha fivavahana azy dia mikatsaka hatrany ny fifandanjana sy ny fahamarinana (justice) amin'ny fiainan'olombelona ny Isalm. Amin'i Islam dia tsy ny feon'ny fieritreretana fotsiny no mahasilamo fa ny fiainana ifandraisana amin'ny hafa koa ka tafiditra amin'izany ny socialy, ekonomika sy ny politika koa aza. Tsy misy fisarahana ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fanjakn'i Ceasar raha ny fahitan'i Silamo azy. Ny rehetra dia an'Andriamanitra daholo ary eo ambany fahefan'ny lalan'Andriamanitra.
Miantoka ny lafiny rehetra amin'ny fiaraha monina ny finoan'i Silamo ka na ny fiaraha monina, ny fianakaviana, ny pifanolobodirindrina , ny tanana na ny foko isan-karazany sy ny firenena sy ny faritra dia ao anatin'ny dar al-islam na hoe "Toeran'ny Silamo" avokoa. Ao anatin ny fampianaran'i Islam ny fampianarana moral toy ny fihantrana olona sy ny fahamarinana atao amin'ny olon arehetra sy ny zavaboarain'Atra.
Anisan'ny zavatra iray izay tafiditra ao koa ny famoronan-karena. Voalaza ao ny fomba fanaovana varotra, ny tsy tokony hanaovana fanongonan-karena, ny ny fakana hetra amin'ny fivavahana, ny fikajiam-bola sy ny fanomezam-bola, ny fikarkarana ny mahantra ara-toekarena, ny tsy tokony hanararaotana ny hafa sns
Tafiditra ao antin'io finoana aty ivelany io koa ny resaka politika sy ara-tafika izay mitaky ny mpitondra silamo hanaraka ny lalana silamo. Mazava be ny lalana momba ny ady izay misoritra tsara fa tokony ho amin'ny alalan'ny fiarovana ny dar al-islam fa tsy herisetra akory. Ny fomba atao rehefa mahazo fahavalo (gadra amin'ny ady) izay tokony ho marina (just or fair treatment., ny tsy fahazoana manono olon-tsotra (innocent civilians) sy ny mitovy aminy.
Betsaka ny resaka moba "ny Jihad " izay hadika hoe " Ny ady masina". io dia midika hoe " fampiharana" eo aminny lalan'Andriamanitra (in the path of God), io dia isan'ny finoana aty ivelany ka midika fa fiarovana fa tsy herisetra. (ny fiharovana ny finoana sy ny tanindrazana amin'ny ady atao "attack" avy any ivelany. Ny jihad ao anaty kosa dia ny ady atao hialana amin'ny fakampanahy izay mahazo ny fanahy ka ahatonga ny mpin iray tsy miaina ny fianana masina sy ny sitrapon'Andriamanitra.
novalian'i marozevo ny 01/07/2006 22:03
2. jajaf401 ( 22/06/2006 01:55)
soanja:

2- Amin'ny maha fivavahana azy dia mikatsaka hatrany ny fifandanjana sy ny fahamarinana (justice) amin'ny fiainan'olombelona ny Isalm. Amin'i Islam dia tsy ny feon'ny fieritreretana fotsiny no mahasilamo fa ny fiainana ifandraisana amin'ny hafa koa ka tafiditra amin'izany ny socialy, ekonomika sy ny politika koa aza.
Miantoka ny lafiny rehetra amin'ny fiaraha monina ny finoan'i Silamo ka na ny fiaraha monina, ny fianakaviana, ny pifanolobodirindrina , ny tanana na ny foko isan-karazany sy ny firenena sy ny faritra dia ao anatin'ny dar al-islam na hoe "Toeran'ny Silamo" avokoa.Anisan'ny zavatra iray izay tafiditra ao koa ny famoronan-karena. Voalaza ao ny fomba fanaovana varotra, ny tsy tokony hanaovana fanongonan-karena, ny ny fakana hetra amin'ny fivavahana, ny fikajiam-bola sy ny fanomezam-bola, ny fikarkarana ny mahantra ara-toekarena, ny tsy tokony hanararaotana ny hafa sns
Betsaka ny resaka moba "ny Jihad " izay hadika hoe " Ny ady masina". io dia midika hoe " fampiharana" eo aminny lalan'Andriamanitra (in the path of God), io dia isan'ny finoana aty ivelany ka midika fa fiarovana fa tsy herisetra. (ny fiharovana ny finoana sy ny tanindrazana amin'ny ady atao "attack" avy any ivelany.



ARY NY SILAMO MALAGASY VE EFA MIAINA ANATIN'IO SA MBOLA MANANDRANA FOTSINY @ FINOANA ISLAM ??

DE RENY OLO MAROBE MATY T@ WORD TRADE CENTER RENY VE TSY MBA MISY INOCENTS AKORY, SA AHOANA ILAY INOCENTS TSY VONOINA ETO ??
3. soanja ( 22/06/2006 02:26)
jajaf401:


ARY NY SILAMO MALAGASY VE EFA MIAINA ANATIN'IO SA MBOLA MANANDRANA FOTSINY @ FINOANA ISLAM ??

DE RENY OLO MAROBE MATY T@ WORD TRADE CENTER RENY VE TSY MBA MISY INOCENTS AKORY, SA AHOANA ILAY INOCENTS TSY VONOINA ETO ??



Tsy dia arako loatra ny Silamo any Mada satria efa taty US aho vao nianatra momba ny Islam sns fa raha tamin'ny nahalehibe ahy dia toa tsy tena silamo tanteraka ny olona nifandray tamiko fa sady manaraka ny fivavahan'ny razana koa dia ny tromba. Ny tena gasy no resahiko.
Ny karana sy ny arabo any moa izany dia tena Silamo tokoa saingy tsy hitako izay fanarahana ny didin'i Islam raha io resahana ambony io no tena izy satria toa mangoron-karena be ny Karana any. Aza mba mpiasan'ny karana any fa dia masany mihitsy ka tsy hitako ny fanajana ny hafa sns
Fa ilay resaka Jihad amin'izao fotosna izao kosa araka ny nianaranay dia efa miala lavitra ny tian'ny Qurana resahina hoy ny Silamo mitovy aminy. Fanasana atidoha tsy misy ohatr'izany no manjo ireo ankizy ireo na dia mbola kely aza dia io no voizina aminy hoe vonoy ny hafa rehefa tsy mitovy finoana aminao. Saingy ny tena ao anaty Quaran kosa dia milaza fa fiarovana ny tany Islam tsy ho-attaquer-ny hafa ary tsy misy herisetra mihitsy.
Ny tantara aty afara moa dia betsaka ny tsy nanaraka an'io.


4. LazaRandri ( 22/06/2006 02:41)
soanja:
Fa ilay resaka Jihad amin'izao fotosna izao kosa araka ny nianaranay dia efa miala lavitra ny tian'ny Qurana resahina

hahaha! zany an! hahaha!
Fa maninona hoa no tsy mety valianao ilay fanontaniana hoe inona ny voasoratra ao amin'ny Quran sy Hadith mikasika ireo mitady hiova finoana? hahaha!

soanja:
ka tsy hitako ny fanajana ny hafa sns
Dia ahoana indray koa ny fanajana ny vehivavy ao amin'ny Quran sy Hadith? hahaha!

jajaf401> ianao no mahita an'ireny ho innocents fa amin-dry zalahy ange ireny "infidel" e! hahaha
5. Solitikabe ( 22/06/2006 03:42)
Sendra nandalo fotsiny eh
Na ny Kristianina aza dia aza adino fa nisy io ady masina io. Ny fanjanahan-tany taty Afrika ohatra dia niainga tamin'ny fanapariahana io baiboly io ihany koa. Ary izany no mbola ifanindran-dalan'ny fiangonana sy ireo firenena mpanjanaka teo aloha ireo, ary antony tsy ilazalazana ny famonoana natanon'ny firenena mpanjanaka.
Na ao amin'ny hafatry ny Tompo aza dia milaza: "Izay te hamonjy ny ainy no ahavery azy". Izany hoe raha adika antomorana kely "izay tsy manao sorona ny ainy dia very ny fanahiny".
6. LazaRandri ( 22/06/2006 04:49)
Solitikabe:

"Izay te hamonjy ny ainy no ahavery azy". Izany hoe raha adika antomorana kely "izay tsy manao sorona ny ainy dia very ny fanahiny".
"antomotra" kely tokoa izany fazahoanao azy izany ry Solitikakely. Tsy hitako izay resaka sorona amin'io fa ny fitiavan-tena no mahavery ka atao inona sorona fa angaha "tsy nisy vokany" sanatria ny nanaovan'i Jesoa sorona ny ainy? hahaha!

Fa ny mahafinaritra dia izao, lasa resaka milay momba ny fivavahana Kristianina ny resaka eto. :wink:


7. prime ( 22/06/2006 09:00)
Soanja> fa tena hainao ilay izy an! f\'angaha ianao lasa silamo???? :-D
LazaRandri> misy tsy mazava kosa aloha ny tantàra mikasika ny fampidirana ny \"christianisme\" tany @ tany nozanahana fahiny an!!! :wink:
Solitikabe> tena marina ny an\'i LazaRandri an! Kristy no sorona ho antsika... :)
8. soanja ( 22/06/2006 11:55)
Mahagaga ahy fa nanoratra lavabe momba ny zavatra ampianarin'ny Finoana ho an'i Silamo aho :ny Quran, Ilay Mpaminany ary ny olombelona fa tsy hitako nipoitra teo. Aleo indray rehefa malalaka aho mamerina azy.
Nianatra momba ny Islam aho fa tsy mahay azy akory hoe ahoana. Fanazavana ny ho entiko eto. Tsy Silamo aho fa Kristianina ary nianatra momba ny Kristianina toy ny fianarako ny Islam koa aho nefa tsy voatery ho entina eto intsony satria ny ankamaron-tsika efa mahalala azy daholo.
Raha manana fanontaniana dia azo apetraka tsara saingy tsy mamaly fanarabiana aho satria I have to stay focus. Miala tsiny fa tsy tena haiko ny mandika an'io amin'ny teny gasy.
9. prime ( 22/06/2006 12:54)
Soanja> Tsara kah! efa niteny aho tary @ lahadinika hafa tary hoe tsara satria mampitombo fahalalàna... Tsy manaraby sanatria fa tena ao anatin'ilay hafanam-po be ianao dia mba mi-détendre kely fotsiny e...!!! miala tsiny raha nanelingelina ny élan 'nao e!!!:lol:
10. soanja ( 22/06/2006 14:06)
prime:

Soanja> Tsara kah! efa niteny aho tary @ lahadinika hafa tary hoe tsara satria mampitombo fahalalàna... Tsy manaraby sanatria fa tena ao anatin'ilay hafanam-po be ianao dia mba mi-détendre kely fotsiny e...!!! miala tsiny raha nanelingelina ny élan 'nao e!!!:lol:


Misaotra Prime a. Tsy ianao mihitsy no iantefan'izany teniko hoe fanarabiana izany satria mety tsara daholo ny fametrahanao ny fanakianana sns ary tena tsy diso mihitsy ianao ka. Izaho indray anie cool foana rehefa tena mahantatra ahy ianao saingy eto amin'ity sera ity tsy ahafantarana azy. Miala tsiny indrindra raha diso fiantefa ny teniko.
Isika rehetra moa cool foana e. :-*:-*:-*


11. marozevo ( 22/06/2006 23:33)
Fa i Soanja ve tena te hampiditra mafy ilay resaka Silamo eh ? Tokony hatao loha hevitra mitovy lenta amin'ny hoe "politika" na "fiarakodia" "informatika" sy ny sisa ny resaka Silamo, satria mety hisy hevitra maro samihafa hivoaka, fa tsy tokony hatao zana-kevitra ao anatin'ny hoe finoana sy fivavahana. Asa anefa ah...
Izany hoe raha tena hahaliana dia ampiakarina ho renin-kevitra fa tsy zana-kevitra, dia amin'izay mipoitra "ny hevitry ny fo maro".
12. prime ( 23/06/2006 04:26)
marozevo:
Izany hoe raha tena hahaliana dia ampiakarina ho renin-kevitra fa tsy zana-kevitra, dia amin'izay mipoitra "ny hevitry ny fo maro".
ka ilay zanany aza anie toa vitsy no manan-kevitra e!
13. soanja ( 23/06/2006 18:28)
Io hevitry Marovezo io ve ny tian'ny rehetra sa avela eto ihany? Omeo ny hevitra izay mazoto, izay tapaky ny maro ataontsika.
14. Achia ( 24/06/2006 05:34)
O ry zevo a isaorana aza i sonja nanana fandavantena nazava zany silamo zany ary efa nilaza izy fa Kristiana , ary ahafahantsika zay misoratena ho Kristiana koa mahalala satria adidintsika no manambara @ ireo silamo an'i J Kristy koa ataontsika ahoana no fampianatra azy ra tsy fantatrao ny azy
15. marozevo ( 24/06/2006 09:19)
Achia > fa za angaha niteny nifanohitra amin'io lazainao io.
16. energye ( 28/06/2006 17:24)
hoy achia hoe:O ....... satria adidintsika no manambara @ ireo silamo an'i J Kristy ....
tsy mila ampianarina tsony ny silamo fa mahalala bebekokoa nohontsika ,ry zareoa nie mino ny fisian;ny J Kristy fa tsy mino ry zareo hoe zanak'Atra izy .
satria ny finoana ireo mpaminany rehetra dia voalaza ao @ coran daholo :milaza hoe :"zahay dia tsy manavakakavaka ireo mpaminany"
لا نفرق بین احد من الرسل zany hoe ny mpaminany rehetra dia mitovy daholo ary inoandreo daholo izy rehetra.
anotanio an'i cheik soanja fa izy no tena nandalina mafy io finoana io .
fa raha misy zavatra tianareo hanotaniana de afaka valianay raha toa ka hainay ny valiny fa mialatsiny raha toa ka tsy afaka mamaly izany
17. soanja ( 28/06/2006 22:44)
Ianao izany no olona nandrasako teto hatramin'izay hanome fanampim-panazavana ny zavatra entiko satria tsy feno ny ahy fa fianarana tsotsotra ary tena tsy ampy be. Misaotra an'i energye izany.
Tsy cheik akory aho fa gasy tsotra.
18. marozevo ( 01/07/2006 22:03)
Energye > Izaho kosa tsy mba d'accord amin'ny filazanao fa mahalala bebe kokoa noho isika ny Silamo raha ny momba an'i Kristy. Mahafantatra bebe kokoa ve izy dia hamono fahavalo, hanao terrorisme, hanao fanimbazimbana ny Kristianina.

Lainga izany fa tsy mahalala an'i Kristy izany ry zareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1432