Kambana

1. Fiffi ( 19/06/2006 13:37)

Hono hoa ry zareo: sao de mba misy kambana @ nareo ato ? Mba te-hahafantatra hoe ahoana kay ny fiainan'ireny kambana ireny aho.

Misy mahasamy hafa azy @ tsy kambana ve ? Ohatran'ny naheno aho hoe toa mitovy fisainana be ry zareo na de samy manana ny toetrany aza ? Toa hoa raha sanatria ka tsy salama ny iray de tsy salama koh ny iray ? na hoe tsy maha-latsaka hanina sns...?
Misaotra mamaly raha mba misy mahafantatra.
novalian'i Fiffi ny 25/06/2006 18:27
2. Fiffi ( 19/06/2006 18:41)
heu...tsy misy kambana zany ato eh ?
3. pissoa ( 19/06/2006 18:49)
Angamba ... na mbola mijery baolina :-*

Fa zah kou efa naheno an'io fa tsy haiko raha marina na tsia :)
4. Fiffi ( 19/06/2006 18:56)
pissoa: :-*:-*
5. tisera ( 20/06/2006 04:59)
te- hiteraka kambana angaha fiffi no mandefa eritreritra @ io? Toa ilay vrais jumeaux hono no tena mitovy ara- batana sy tsy mifankafoy é! ( nisy kambana mirahavavy niaraa-nianatra taminay tany @ Paul Minajlt fa dia mitovy be é!!!izao aza rizareo samy dokotera) ; fa ny dadatoa-ko sy ny nenitoa-ko izao faux jumeaux dia tsy mitovy mihitsimihitsy. Izay no mba ohatra hitako mandra-piandry izay tena kambana hamaly andry!
6. Fiffi ( 20/06/2006 06:54)
tisera: heu..tena mahaliana ahy fotsiny akia an! naheno manko zah hoe misy lhl kambana de ny mahagaga ahy de hoe izayheritreretin'ny le 1 de ananan'le 1 koh! de toa hoe indraindray rehefa hametrahana fanontaniana ny 1 de miaraka mamaly ry zareo nefa de ny valiny mitovy.
7. xxx ( 20/06/2006 07:44)
Ifandovana ny kambana ao amin'ny fianakaviako e ! ary marina ireo teneninareo ireo, ny tena mahagaga ahy dia ity : rehefa tsy eo ny ray dia ohatran'ny hoe miambina ny sipan'ilay ray ny ray. Ny olana dia na samy manana ny fiainany aza ry zareo dia somary possessif ihany. Ny iray koa na miady toy ny inona ary izy ka mbola tsy miombona nefa afaka iray minitra misy miady amin'ilay silany iny dia miomana fa hahazo tokoa moa izany ianao ry havana, avy eo izy miverina mifandongilongy ihany fa ny ianao aloha na simba aza tsy olana !
8. Fiffi ( 20/06/2006 08:05)
ary azo sarahina ve ry zareo raha mbola kely any am-pianarana ?
9. xxx ( 20/06/2006 08:16)
azo sarahina fa ry zareo anie misy iray dominant kokoa noho ny iray foana matetika e ! dia iny manao indraindray manao krizy na manao chantage ka raha tsy manana personnalité miorina tsara ilay iray dia voany.
10. xxx ( 20/06/2006 08:53)
Ny ahy ny frères ko no jumeaux, samy hafa toetra be, samy manana ny comportements, samy manana ny namany sns... ireo no faux jumeaux, par contre efa nisy vrai jumeaux koa zokiko fa tsy azo, ry zareo indray dia tena mitovy, marary ny iray dia voa koa ny iray dia izay.
11. Fiffi ( 20/06/2006 10:33)
xxx: fa faux jumeaux zany ve ?
12. xxx ( 20/06/2006 15:07)
ie faux izany ry zareo ao, fa ny vrai efa tsy eo intsony
13. xxx ( 20/06/2006 15:10)
eny e fa ohatra ny hoe tany @ 4eme generation talohanay no nisy dadabe kambana
14. Fiffi ( 20/06/2006 15:19)
ka ny tiako fantarina koh de ny hoe rehefa tsy salama ve ny 1 de ny ilany koh tsy salama ? ary rehefa faux jumeaux ary rehefa vrai ?
15. xxx ( 20/06/2006 19:22)
Hoy aho hoe ny mahatonga ny vrais jumeaux hoe rehefa marary ny iray dia marary koa ny iray angamba mety izy hoe mitovy sy izy mifanakaiky fo be, ny faux jumeaux indray tsy olona iray nizara koa mety ho samihafa ny rafi-batany angamba, tsy haiko ! nisy vraies jumelles tao aminay fa maty ny iray dia lasa koa ny iray e indrisy
16. Fiffi ( 20/06/2006 20:07)
:(:(:(
17. xxx ( 21/06/2006 06:43)
Fiffi : raha vrai izy dia izay manjo ny iray matetika mahazo ny iray, narary ilay iray t@ voalohany, andro vitsi2 après dia narary koa ny iray dia izay, fa raha faux izy tsy maninona
18. Fiffi ( 21/06/2006 06:49)
xxx na de hoe faux aza ve ? tena mahaliana be ahy aloha ny zavatra hataon'ireny kambana ireny an! nahita reportage t@ io zah fa saingy efa kely sisa vao hitako fa ny avatra kely mba hitako tao , tena..nahazendana ahy. Sady indrindra moa raha mba gasy.
Taloha , efa ela be de nahenoaho hoe handosiran'ny olona hono ireny manan-janaka kambana ireny ? marina ve io ?
19. xxx ( 21/06/2006 07:32)
izaho aloha manao hoe tsy marina izany hoe andosiran'ny olona izany e satria ny vehivavy ao amin'ny fianakaviako dia saika niteraka kambana daholo. Izaho koa zao mety mahazo sady vexée aho raha misôty lay izy eo amiko koa !!!! Ny faux hono tsy maninona ho'aho fa ny vrais ihany ka. Fa te-hiteraka kambana angaha Fiffi e ????
20. Fiffi ( 21/06/2006 14:48)
xxx: heu...raha izany moa no sitrapon'Andriamanitra de raisiko am-po. Fa na izany aza tena liana be zah an! ohatran'ny tena mahafinaritra be ahy zany mikarakara kambana zany an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1954