ô ry zandry kely mba henoy ihany!!!!

1. lemenakely ( 16/06/2006 10:13)
ô ry zandry kely mbà henoy ihany
ny resaka manodidina
aza dia be marenina
tsy izany no nifanekéna

mba manaova zavatra natokana
ho fanatsaràna ny firenena
oooo ô ry zandry...
Mifanakalo hevitra no mampandroso zalahy..

RAKOTO(mpihira malagasy nahazo num 1 t@ TOP 50 )t@ fin 80
novalian'i prime ny 21/06/2006 09:50
2. Fiffi ( 16/06/2006 10:24)
mifanakalo hevitra fa tsy be menomenona fotsiny!
3. pika ( 16/06/2006 10:43)
moa ve mora ho an'ny andaniny sy ny ankilany aloha ilay hoe mifanankalo hevitra e tsara be ilay izy saingy diniho ny zava misy teto amintsika
4. prime ( 16/06/2006 10:47)
Toa tsy haintsika mihitsy ilay mifanakalo hevitra tokoa aloha an!!!!;-)
5. Fiffi ( 16/06/2006 11:11)
ka ny olana à io de samy mitazona ny azy . Ary misy ny tsy azo hatoro na tenenina fa de manao mafy loha.
6. prime ( 16/06/2006 11:19)
Fiffi>
ka ny olana à io de samy mitazona ny azy . Ary misy ny tsy azo hatoro na tenenina fa de manao mafy loha.

Marina izany... fa ampiako kokoa hoe, isika malagasy rehefa hiadihevitra dia tsy mba mivonona mialoha mihitsy ny hihaino... Ny sofintsika efa tampenana dieny mialoha dia miteny foana, miteny foana hany ka lasa miteny irery fa tsy misy "volonté" mihitsy mba "hihaino". "Capacité d'écoute" ananantsika tena iva dia iva ka lasa tsy mampandroso @ farany... Lasa manao bontolo fotsiny e!:-D:-D:-D
7. soanja ( 16/06/2006 13:12)
pika:

moa ve mora ho an'ny andaniny sy ny ankilany aloha ilay hoe mifanankalo hevitra e tsara be ilay izy saingy diniho ny zava misy teto amintsika


Raha ny fahitako azy dia efa voadinika teto ny ankamaroan'ny olana any Madagasikara. Ny mbola hitako misy lesoka be dia ny hoe tsy fahampian'ny dinika hoe inona daholo ny fivoarana efa nisy any Madagasikara hatramin'ny nialan'i Zafy Albert teo amin'ny fitondrana.

8. mandrindra ( 16/06/2006 13:24)
saika ohatran'ilay nofiko izany hira izany le
9. Fiffi ( 16/06/2006 14:46)
hay mbola nitohy le nofy ?:)
10. mandrindra ( 16/06/2006 20:02)
tsy tohiny io ka
11. Fiffi ( 17/06/2006 12:35)
hay ?
12. marozevo ( 17/06/2006 13:19)
Ahoana ?
13. Aino ( 17/06/2006 16:58)
izaho tsy maharaka tsony.
14. Fiffi ( 18/06/2006 14:37)
lemenakely: ny anao aza hapetrakao fotsiny le tononkira fa tsy fantatra akory hoe inona no mba hevitrao momba an'io ?
15. marozevo ( 18/06/2006 22:42)
Kooo i lemenakely aza mametraka dia lasa kooo... sanatria ....... ka ny avo ihany no tinginana.
16. Fiffi ( 19/06/2006 04:55)
zay indrindra manko!
17. arson ( 20/06/2006 05:16)
IZY ZANY MITSY KA!
:^):^):^):^)
18. prime ( 20/06/2006 12:33)
inona daholo ny fivoarana efa nisy any Madagasikara hatramin'ny nialan'i Zafy Albert teo amin'ny fitondrana.
Fa maninona no hatr@ zafy ihany???:miam:
19. marozevo ( 20/06/2006 21:44)
Raha tena hanao fanadihadiana amim-pahamarinana dia tokony ho tahatahaka izao ny endrim-panontaniana :

A - Inona no endrim-pandrosoana hita tamin'ny nitondran'i
1 Tsiranana Philbert.
2 Gabriel Ramanantsoa
3 Richard Ratsimandrava
4 Ratsiraka Didier (in-droa Filoha)
5 Zafy Albert
6 Ravalomanana Marc.

B - Inona no zavatra tokony ho natao fa tsy vita.

C - Inona no tena hita fa sady tsy nety no nanimba firenena....

Tsy fahamarinana ny mametra hoe "hatramin'ny nitondran'i Zafy Albert" satria finiavana mikimpy amin'ny adalana niseho teo anelanelan'ny 1975-1991.
20. prime ( 21/06/2006 09:50)
marozevo> Izaho indray tena te-hiverina mihitsy hatr@ talohan'izany... ny fanontanianao A io tokony manomboka hatrany amin'ny hoe endrim-pandrosoana t@ faha-mpanjaka, t@ fanjanahan-tany... (ahafahana mijery ny tsara azo itarina sy ny ratsy esorina na atsaraina) dia adinonao ny fotoanan'ny "directoire militaire 75", "Norbert Lala Ratsirahonana"... fa ireny fotoana ireny na lava na fohy dia nanamarika mihitsy ny lalana nandehanana mikasika ny fandrosoana... :miam:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0435