famangiana manjo
1. gasy4ever
(
16/06/2006 08:59)
Manao ahoana daholo !
Mba omeo sopapa (teny famangiana araka ny fomba gasy) ny tenanay satria hamangy manjo namana nodonampahoriana. Dia misaotra mialoha
Mba omeo sopapa (teny famangiana araka ny fomba gasy) ny tenanay satria hamangy manjo namana nodonampahoriana. Dia misaotra mialoha
novalian'i prime ny 17/08/2006 12:19
2. pissoa
(
16/06/2006 09:06)
- Manakory avy izato ianareo tompoko?
- Indreto eto ihany tompoko.
- Mamangy amin’ny fahoriana tompoko.
- Misaotra indrindra tompoko ho tahian’Andriamanitra
...
http://serasera.org/tahiry/index.php?rub=tahiry/tahiry&t_id=t41b56be25e8df fa misy ao amin'ny tahiry ao. Misy hoe KABARY AN-KARATSIANA ao dia ao.
Mirary faherezana ho anao sy ny namanao :-*

3. gasy4ever
(
16/06/2006 09:27)
Misaotra an'i pissoa fa tena @ antsinjarany mihitsy ilay tahiry
Mandrampihaona:idea:
Mandrampihaona:idea:
5. Fiffi
(
16/06/2006 10:16)
de jereo ery ambany ery fa ao daholo ny fomba fiteny . Sady miankina @ le olona nodimandry koh no hilazana azy.
6. pissoa
(
16/06/2006 10:21)
Misaotra ny serasera.org sy ny mpikarakara ka; dia misaotra an'i Naritsimba nampiditra ny lahatsoratra tao. :-*
9. Andriambelo
(
18/07/2006 09:53)
Izy io koa miankina amin'ny vanimpotoana :
Famangiana manjo tany Antsirabe ; sendra andro Paska tamin'izay. Dia hoy ilay tompo-manjo (maty zanaka) :
"Tsy hita moa ity fitondran'Andriamanitra ity. Ny azy ny zanany natsangany fa ny anay nalainy" ...