FIFIDIANANA MIARO TETIKA??

1. fetrakens ( 15/06/2006 16:18)
Maro ny antoko politika eto Madagsikara.Angamba tsy misy lalàna marina mametra ny isan'ny antoko na dia izany aza dia be loatra ny eto Mada.Fa raha ny mikasika ny fifidianana 'ndray dia ny fahabetsahan'ny mpanohitra milatsaka ho fidina dia tetika iray hanamparitahana sy hizarazarana ny vato mba tsy hanjakan'ny antoko tokana...tetika daholo izany fa samy eto hifankahita...
répondu par marozevo le 17/06/2006 13:25
2. lemenakely ( 15/06/2006 16:50)
ny mahamaro ny antoko pôlitika dia taratry ny fahantràna daholo , ny tena tetika dia ny ahazoana seza @ ministéra e ! refa raikitra ny ady varotra @ 2é tour hoe hanohana anao izahay fa mila izao ministéra ...!!!MAZAVA BE :idea::idea:
3. Fiffi ( 15/06/2006 20:27)
izany no hatao hoe politika !
4. marozevo ( 15/06/2006 22:39)
Tetiky ny any ambony izany, fa ny vahoaka mpifidy ihany no tokony ho tompon'ny teny farany, satria izy no mifidy.
5. soanja ( 15/06/2006 22:59)
Misy mahatsara ny fisiana'ny antoko politika maromaro. Satria mba isan-karazany koa ny hevitra hita hanatsarana ny firenena amin'ny alalan'ny drafitr'asa apetrak'ireo antoko ireo. Amin'izay mba manankevitra izay hitondra eo hoe iry no tsara ity kosa tsy mety sns... Fa tsy toy ny taloha hoe "Mena mahazo". Izaho re olona dia nihevitra mihintsy tamin'ny fahakeliko hoe Paradisa an-tany izao Korea izao satria nahoana tsy nisandrahaka ny hevitra naroso tamiko fa iray ihany.
6. mandrindra ( 16/06/2006 13:42)
marina izany ry soanja, saingy efa 180 ny antoko pôlitika any madagasikara
7. Fiffi ( 16/06/2006 14:52)
hummm ! tena maro tokoa
8. marozevo ( 17/06/2006 13:25)
Inona kay no mety ho fiatraika (tsara sy ratsy) n'ny maha marobe ny antoko politika ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.5213