i Mada

1. Aino ( 15/06/2006 07:40)
mahita fa natsy izay nitondrany filoha Ravalomanana dia hita fa mba niova i mada mba nahay nadio na dia kely ihany aza no vita ny lalana sasany efa mba vita, raha dinihina sy jerena hireny pitipitiny kely vita de hita fa efa mba fihovarana be ihany!!
novalian'i njakas ny 07/03/2008 08:17
2. Fiffi ( 15/06/2006 08:12)
Betsaka ny zava-bita kah! tsy mora ange ny mitondra fanjakana eh!
Raha hanaovana comparaison t@ mpitondra teo aloha ny zava-bita nandritrin'ny 4 taona fotsiny , tena goavana ny vita. Tsy ny fitsikerana fotsiny no tokony hatao fa mba jerana ireo zava-bita.
3. Aino ( 15/06/2006 08:39)
Fiffi ka @ izao fotoana izao anie dia misy ny traotrao mande fa hoe tys misy zavatra vita ankory eh!!
tsy iza moa no miteny azany izany fa ry zareo Arema ihany!! nefa aza ao anaty ny taona fotsony dia efa hita hoe betraka ny zavatra vita!! ny tena hitako ho porofo aloha dia tahaka ny eny @67h sy ny manodidina azy eny!! sy hireo arabe izay tsy nisy teo aloha.
4. toovs ( 15/06/2006 09:04)
Aino:

raha ny fahadiovan'ny tanana no jerena de tsy ny fitondrana no miandraikitra an'izany amiko fa ny Ben'ny tanàna. raha fampitahana ny Andron'i Razanamasy no ataonareo amin'ny maire amin'izao de ekeko fa nihatsara Antananarivo.
Fa raha fiainambahoaka kosa no ireharehanareo de hoy aho hoe ampitahao hoe ny pouvoir d'achat amin'izao sy ny tamin'izany fitondrana teo aloha izany mba hojerena. Hoatrinona amin'ny vola Euro izany taloha de Hoatrinona amin'ny vola Euro izany ankehitriny. raha mbola tsy nisy ny Euro taloha de sandao amin'ny vola dôlara indray.

NB: mba ataovy teny gasy mazava tsra na dia tsy ofisialy ary ny zavatra soratanareo fa tena misy tsy azo mihitsy ny sasany. Na tenimparitra ary mba soraty araky ny abidi malagasy fa aza amoronana
5. toovs ( 15/06/2006 09:13)
Aino:

Fiffi ka @ izao fotoana izao anie dia misy ny traotrao mande fa hoe tys misy zavatra vita ankory eh!!
tsy iza moa no miteny azany izany fa ry zareo Arema ihany!! nefa aza ao anaty ny taona fotsony dia efa hita hoe betraka ny zavatra vita!! ny tena hitako ho porofo aloha dia tahaka ny eny @67h sy ny manodidina azy eny!! sy hireo arabe izay tsy nisy teo aloha.

fanampiny kely, toa ny gasy tsy miaina any Dago indray no milaza fa mihatsara ny fari-piainana any e. Mahagaga mihitsy. Sa ve mihatsara satria refa mandefa vola euro any de 100 euros dia efa lasa bobaka be tsy hoatra ny taloha?
sao de mba fandatsana gasy kosa ny anareo .
Ny ahy indray tsy miditra aho hoe iza no mpitondra tamin'izao sy tamin'izao fa ny fivoaran'ny vidim-piainana diso midangana loatra no fantatro. tsy mety amiko manko le miandany amina fitondrana iray fa manjary tsy "objectif" intsony

6. petsambava ( 15/06/2006 09:40)
ny tena marina dia rafotsibe kendam-bomanga ny gasy ka matin'ny nasesiny e ...handroso 5 taona maty raibe hihemotra maty renibe..TSY MAHAY MAKA LESONA FA ENTIN NY FO !! dia aleo revéna @ izao e refa maty any ambany rangolahy ve ny tena tsy hiadana ireo mpanakarena tia tena ireo!!
7. Herimiafina ( 15/06/2006 11:19)
Efa fantatra daholo ny momba izany rehetra izany kah, samy misy fahamarianany samy misy sira kely daholo ihany, arakarak'ilay mitantara ihany io e!

Ny tokony hodinihana izao dai hoe inona no vaha-olana?
8. toovs ( 15/06/2006 13:55)
Herimiafina:

Efa fantatra daholo ny momba izany rehetra izany kah, samy misy fahamarianany samy misy sira kely daholo ihany, arakarak'ilay mitantara ihany io e!

Ny tokony hodinihana izao dai hoe inona no vaha-olana?

tsra aloha ilay hevitrao fa ny vahaolana ve tsy tokony ho izay mpanolo-tsainan'ny mpitondra no tokony hikaroka azy e. fa raha toa kosa enao anisan'ny mpanolotsaina de hoy aho hoe andao hiarahamandinika eto izay sosokevitra tsara ka de ampitao any amin'ny mpitondra any.
fa saingy azonao antoka ve fa hihaino anao ny mpitondra raha tsy mpanolotsainany enao?

Fa izaho kosa aloha hamaly antso tsara raha toa ka misy mpitondra eo manao antso avo hoe izay teknisiana afaka manao planification hampandrosoana na de am domaine kely ihany aza e
10. naughtyboy ( 15/06/2006 15:45)
aza ny toerana misy ny oul kosa we dago na ivelany no jerena fa ny source d'info ananany ts11 sao na ny firenena efa tena mandroso aza anie tsy mbola nisy nampidina vidimpiainana zany fa mampivelatra ny toekarena sy ny fampitombona ny farimpiainany vahoaka ngamba no azo atsaraina ,mba aleo kalo hilaza zay fantany ny oul fa ny tsy mahay sobika hono mahay fatambary..
11. fetrakens ( 15/06/2006 16:10)
Zah aloa tena mahita oe manao ny Fanjakana e!!fa tsy voatery oe tanteraka ao anatin'ny indray mipy maso avokoa akory zay nampanantenaina rehetra e!fa asakasakao ihany io!!Mahareta fa hanana ny soa...
12. marozevo ( 15/06/2006 22:47)
Ary inona, hono, no mba vitan'ny Arema nandritra izay telopolo taona izay... Betsaka ny zavatra vitany, fa raha ny soa ho an'ny firenena dia tsy hitako loatra. Ireto misy santionan'ny zavatra vitan'ny Arema, dia isika no misaina :

- Làlana mivily mankany Antanifotsy (109) sy mankany Ambohibary (111) dia tsara be tamin'ny 1974. Dia iny niaraha-nahita iny tamin'ny 2002.

- Any Ankazomiriotra misy CEG mitondra ny anaran'ilay olona matin'ny aksidant helico tao.

- Ampamoizakova, minisitry ny fiarovana maty.

- Tao Ambohimandroso koa efa nisy ministra nanao aksidant de maty.

- Teny Mahamasina indray fety maty ny lehiben'ny Etat major.

(....) lava loatra ny lisitra raha tohizina, fa ireto no namaranany azy :

- Tapaka ny tetezana : Fatihita - Ambohimandroso - sns----- Tapaka ny poton-jiro.
Nozaraina roa i Madagasikara, ka ny dimy natambatra tany Toamasina.... Crime contre la nation.

Dia mahaiza amin'izay mifidy.
13. mandrindra ( 16/06/2006 13:47)
Herimiafina:

Efa fantatra daholo ny momba izany rehetra izany kah, samy misy fahamarianany samy misy sira kely daholo ihany, arakarak'ilay mitantara ihany io e!

Ny tokony hodinihana izao dai hoe inona no vaha-olana?

io letsy no efa nonofisiko fa mbola lavitra be io lalana io a. ny anao hoe eny na tsia fotsiny, manohana na manohitra no hita fa raha vao hoe andao hiasa dia lasa mipà daholo, na mpanohitra zany na mpanohana.
14. njakas ( 07/03/2008 08:17)
Manao ahoana daholo nareo e!
D mampalahelo tokoa ry reto fa na ara-politika na ara-tsosialy d mirona any amin'ny faharatsiana avokoa ato Antsirabe. Indrindra moa fa ho antsika tanora .
Toa tsy mampino fa na sipa kely 13 taona zao aza v dia mahasahy mivaro-tena?
Ra toa ka mba misy tovovavy avy eto antsirabe mamaky ity dia mba lazalazao anay hoe fa maninona? Tsy hoe mitsra anareo vehivavy izahay fa mba te hahafantatra hoe: inona no ao an-tsain'ireo sipakely sasany eto Antsirabe? Vola v Sa Lamaody sa efa ny fihazakazaky ny fandrsoana no mibaiko antsika ka mitondra antsika any an-kady.
Mba Valio e!!!!!

Natokana ho antsika tanora malagasy ity
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0668