Voambola informatika malagasy

1. rhari ( 15/06/2006 07:08)
Mba mitady site ahafahana mahita voambolana malagasy mikasika ny informatika.
2. lapino ( 15/06/2006 07:16)
Mahantra voambolana ihany aloha ny teny gasy e!
http://dikateny.linuxmg.org/
http://infogasy.net/
Fa betsaka ny voambolana tsy ofisialy :(
3. rhari ( 15/06/2006 07:35)
Vao avy nijery an'ireo mihintsy aho izao fa mbola vitsy dia vitsy ireto izy. Izaho zao ohatra mila maika ny dikan'ireto:
- Contact
- version
- Fichier
sns ...

Manentana antsika rehetra mba hameno ny ao amin'ireo site ireo ho an'izay mahalala e. http://dikateny.linuxmg.org/
http://infogasy.net/
4. lapino ( 15/06/2006 08:13)
Ny fantatro aloha (tsy haiko na ofisialy na tsia)

version = kinova (faha-)
fichier = rakitra
5. xxx ( 15/06/2006 11:38)

Ny dikan'ny souris zao hoe voalavo
de ny clavier hoe piano :D

de hoe cliquer zao hoe klike
de smileys zao tsikitsiky lava :wink:
6. xxx ( 15/06/2006 11:45)

hadinoko ny zava-dehibe,

version: kinova
fichier: rakitra

:-*
7. ds ( 15/06/2006 20:18)
fichier=tahirintadidy
répertoire/dossier=lahatahiry
:idea:

8. rabaradaka ( 23/06/2006 05:39)
Mba hevitro kely : angaha moa tsy maintsy ilaina ny dikany amin'ny teny Gasy ? Mba ohatra tsotra ity : nadikan'ny Gasy ny Université ho Anjerimanontolo dia niomehezan'ny olona satria ny firenena rehetra samy nandika avy amin'ny fototry ny univesrité ka lasa univeristy, univesidad, universito, univesialit,...
Fa mety kosa aloha ny fandikan'ny ds sy lapino teo.
Rabaradaka akademisian'ny teny Gasy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6366