nofy mety ho realy ve sa tsia?
1. mandrindra
(
12/06/2006 13:41)
nanofy aho hoe indray andro eto amin'ity serasera dia hanomboka ny dinika hitondra ny lohateny hoe madagasikara sy ny hoaviny. ka ny fifanakalozankevitra ao anatin'izany dia madio ary tena ny hevitra no mafonja. samy namela avokoa ny fitsarana ny resaka fitondrana na tsara izany na ratsy, na taloha na ankehitriny. tsy misy intsony ny tsikera fotsiny botolo, ary tsy misy intsony koa ireo mpanohana ny fitondrana fotsiny ka tsy mahita ny tsy ampy. dia tamin'izay hono no tena nahitana ny fahendrena malagasy izay miray hina sy mifandray tanana ho an'ny fireneny.
taitra tampoka aho, kay nofiko ilay izy teo.
nefa asa anjaranareo no milaza raha tena nanofy marina aho.

novalian'i mpisotrtoaka ny 04/02/2015 05:16
3. Fiffi
(
12/06/2006 14:27)
hummmm! @ fomba ahoana moa no ahazahoana milaza anao raha nanofy marina ianao na tsia ? Na izany aza , amiko aloha heu...tsyratsy le nofy an! raha mba misy tokoa moa izany ? Inona indray no zavatra hiriana mihoatra an'izany ?
Ary maninona moa raha hatao tokoa le dinika ?

5. Ragadona
(
12/06/2006 14:30)
Mety mbola nofin la alo le izy saingy toa efa mizotra tsikelikely any ihany ko. Ny fanatisme sy ny fanaovana be loha fotsiny no anaovana ezaka kely dia tratra io.
Tsy ratsy ndray le safelika kely anehoan la fomba fijery a

11. soanja
(
12/06/2006 21:02)
mandrindra:
nanofy aho hoe indray andro eto amin'ity serasera dia hanomboka ny dinika hitondra ny lohateny hoe madagasikara sy ny hoaviny. ka ny fifanakalozankevitra ao anatin'izany dia madio ary tena ny hevitra no mafonja. samy namela avokoa ny fitsarana ny resaka fitondrana na tsara izany na ratsy, na taloha na ankehitriny. tsy misy intsony ny tsikera fotsiny botolo, ary tsy misy intsony koa ireo mpanohana ny fitondrana fotsiny ka tsy mahita ny tsy ampy. dia tamin'izay hono no tena nahitana ny fahendrena malagasy izay miray hina sy mifandray tanana ho an'ny fireneny.
taitra tampoka aho, kay nofiko ilay izy teo.
nefa asa anjaranareo no milaza raha tena nanofy marina aho.
Mety ho nofy ilay izy amin'i Mandrindra fa efa tena izy ilay izy eto amin'ny serasera. Za mahatsapa fa ireo zavatra rehetra voalazanao ireo dia dinihina eto daholo ary mitondra any amin'ilay tanjona izay hitanao, zany hoe I Madagasikara sy ny ho aviny. Ny resaka politika dia izay no maha politika azy ho hitanao amin'ny endriny rehatra. Raha tsy izay tsy misy ny serasera.
Ny ahy tsy nofy intsony fa tena izy ny fahitako azy ary raha tsy izay tsy nandany rondoha sy mondro tanana eto amin'ity keyboard ity aho.
Fa raha tsy mitovy amiko ny fahitandry azy dia enga anie mba ho tanteraka izany indray andro any. Soanja.:-*:-*:-*
12. naughtyboy
(
12/06/2006 21:39)
nofy mety tanteraka io ry mandrindra ka soa ihany fa nisy tony serasera tony zay tsy adinona ny misaotra an\'i Hery itarafana ny toetsaina malagasy mifandray tanana hiaramijery,manokatra hevitra @ ilay Gasikara sy ny hoaviny ka fanombohandresaka raha amiko de ny fitaizana sy fanabeazana ny tsy11 isantsokajiny ,na ara akademika,sivika,teknolojia ,fahasalamana sns taratry ny fandrosoany firenena 1ary fiovana na fivoarany toetsaina no anisany fitaovana manova ny tsy mety hatramin\'zay ka any hafa ndray zao..
13. Fiffi
(
13/06/2006 03:31)
tena tsy hitako mihintsy aloha izay maharatsy le nofinao ry mandrindra an! Raha mba mety ho tanteraka moa zany ?
14. mandrindra
(
13/06/2006 06:36)
ragadona, tsy fomba fijery io fa nofy e:°)
hoy i MTN :
nofy aloha no niatombohany. dia nony taitra ka namerimberina ilay nofy dia lasa fanirina.
soanja, ny dinika pôlitika dia betsaka fa saingy matetika miodina eo amin'ny fifandonan'ny mpanohina sy ny mpanohitra fitondrana foana ka mivoana amin'ilay hevitra. izay aloha ny fijeriko azy.
hoy i MTN :
Nofy sa faniriana?
nofy aloha no niatombohany. dia nony taitra ka namerimberina ilay nofy dia lasa fanirina.
soanja, ny dinika pôlitika dia betsaka fa saingy matetika miodina eo amin'ny fifandonan'ny mpanohina sy ny mpanohitra fitondrana foana ka mivoana amin'ilay hevitra. izay aloha ny fijeriko azy.
15. tenagasy
(
13/06/2006 08:22)
Mankamamy hatrany e!
Dia asa tokoa r'i Mandrindra na lahatra na kisendrasendra fa teny an-dalana ho aty izahay teo dia mbola tafaresaka an'io zavatra io, dia nahagaga fa ity resakao ity no notsidihiko voalohany vao tonga teto aho:
izany indrindra koa mantsy no votoatin'ny resakay hoe: raha tena matotra tsara daholo anie isika mpandray anjara eto amin'ity dinika ity mino izahay fa hanoatra noho ny an'ny antenimieram-pirenena aza. Tsy teren'ny fotoana na ny antoko...sns...isika, tony tsara any @izay misy azy any avokoa,...sns e! Raha tsy hilaza ny hoe efa mahatratra 1339 ny mpanoratra eto izao.
Saonjo iray lohasaha ve moa hilaozan'izay hamarara, ary ny hatsikana sy hanihany ombieny sira manome tsiro ny fiarahana ihany ireny.
Ny mba soso-kevitra aroso raha mety dia izao: ekena fa ny mifampizara fomba fijery sy traikefa eto dia efa goavana tokoa, saingy raha mba misy fomba na tetika hoentina mandravona na mandray tsoa-kevitra isaky ny dinika aroso mety ho tsaratsara kokoa hoy izahay. Ohatra: izay mandroso ny dinika dia miezaka mamintina izany miandalana indrindra moa rehefa mby voahodidintsika ny lafiny efatra amin'ilay resaka!
Azafady: Charité bien ordonnée.... hiomana izahay e!
Mirary soa!

16. Fiffi
(
13/06/2006 08:26)
tenagasy: ka norma zany satria na de nofy aza le izy , tena hetaheta kosa eh ?
18. little
(
13/06/2006 10:07)
de ahoana ny hampiarana an'le adi-hevitra avy eo sa de samy bla, bla de samy afa-po de samy mandeha?
tsika zay rozy tia koragna avao fa tsa misy aktio e!