nofy mety ho realy ve sa tsia?

21. tenagasy ( 13/06/2006 14:05)
Mankamamy e!
Fiffi:wink:
Isaorana ny fanehoankevitr'i Little.
Tsy kely finoana isika!
Misy fanombohana daholo ny zava-drehetra, isika koa tsy miandry vonona fa mba hamorona sy hikaroka e! (tsy misy MANA intsony hoy i Kolokanto atsy ambadika atsy)
Manaraka izany misy ny fitenenana manao hoe: valala eny an-danitra tsy asiana sira! Ka dia mbola miankina amin'ny fahavononantsika sy ny fahamatoran'izay hajorontsika eo ny hivoizantsika azy.
Farany: dia mbola hevitra naniry moa izao (nofy - faniriana) ka dia miara-mikajy azy eto isika rehetra eh!
Mirary soa!
22. 2gasy ( 13/06/2006 14:12)
Izaho koa mba nanonofy vao teo. Ny nofiko ve ? I mandrindra manonofy no hitako tao amin'ny nofiko.:lol:
23. artokely ( 13/06/2006 14:25)
Refa tsy manofy intsony ialahy fa ataon'là tena izy io de milay e....
24. STONG ( 13/06/2006 15:33)
:-w:-w:?: kozy ny tenanay ra mba mahazo resaka!!!!!:-w:-w
25. jajaf401 ( 13/06/2006 16:45)
Mety nofy ririnina kosa eh! :-D:-D:-D
26. cutie ( 13/06/2006 21:10)
mandrindra, heveriko fa mba ........:-D
27. Fiffi ( 14/06/2006 04:31)
jajaf401: mba hetaheta ny azy eh!
28. mamzelkely ( 14/06/2006 06:58)
dain nalain 2gasy ny sopapa saika nataoko tsssssssssss zao zao mitady frapy hafa njay :roll::-D:-D
29. Fiffi ( 14/06/2006 12:12)
hihihihhi lasa misy manofinofy an'i mandrindra indray hono ato zany an! :-D:-D
mamz: de avadio le nofy eh! :-D:-D
30. mandrindra ( 15/06/2006 05:40)
little:

de ahoana ny hampiarana an'le adi-hevitra avy eo sa de samy bla, bla de samy afa-po de samy mandeha?
tsika zay rozy tia koragna avao fa tsa misy aktio e!

marina fa tsara kokoa rehefa arahina hetsika.fa ny fampitana hevitra dia efa dingana iray. aleo aloha andeha isan'ambaratongany e.

31. mandrindra ( 15/06/2006 05:52)
artokely, afaka tsy manofy aho fa tsy vitako irery io fa tsy maintsy ISIKA rehetra no miara mientana

jajaf401, printemps manao volon'andron'été zao ka mamay be mahitsy :D

cutie, aza manahy fa ity nofy sendra nandalo fa hafa ihany ilay nofy maharitra :wink:

mamzelkely, izaho aza hitadiavana frapy zany fa aleo malefadefaka kokoa :-D:-D:-D

fiffi sisa no andrasana mba hanonofy koa

dia nitohy indray ny nofy : nananganana dinika vaovao hono teto amin'ny serasera hifanakalozana hevitra tohin'io nofy taloha io. mba hirindra milamina anefa ny dinika dia tsy maintsy nasina fepetra hentitra mba ho fanajana ilay hevitry ny nofy taloha. ny sivana anefa tsy ao anatin'ny fomba fijery serasera. dia taitra indray aho, hay izay no vokatry nigraty torimaso atsasak'adiny anio maraina :D
32. Fiffi ( 15/06/2006 08:29)
mandrindra: fa le tohin'le nofy heu...tena nofy ve aloha sa....
Nanofy hiany aloha zah fa hoe tany dago an!:) hummmmm nahafinaritra zany nofiko zany an!
33. cutie ( 15/06/2006 12:12)
cutie, aza manahy fa ity nofy sendra nandalo fa hafa ihany ilay nofy maharitra

:lol::lol::lol:
34. Fiffi ( 15/06/2006 20:21)
hummmm! andeha aloha hanofy an!
35. Silo ( 17/06/2006 15:47)
mandrindra> tô tsy nofy \'lay fa tena izy, tsy misy maharatsy ilay hevitra aloha e!
Tena tsara tokoa raha izany no tanterahina eto,

Andao ho tohizana fa tsara ny hevitra,
36. Fiffi ( 17/06/2006 16:19)
eny tokoa hoa eh ?:)
37. mpisotrtoaka ( 04/02/2015 05:16)

mandrindra:

nanofy aho hoe indray andro eto amin'ity serasera dia hanomboka ny dinika hitondra ny lohateny hoe madagasikara sy ny hoaviny. ka ny fifanakalozankevitra ao anatin'izany dia madio ary tena ny hevitra no mafonja. samy namela avokoa ny fitsarana ny resaka fitondrana na tsara izany na ratsy, na taloha na ankehitriny. tsy misy intsony ny tsikera fotsiny botolo, ary tsy misy intsony koa ireo mpanohana ny fitondrana fotsiny ka tsy mahita ny tsy ampy. dia tamin'izay hono no tena nahitana ny fahendrena malagasy izay miray hina sy mifandray tanana ho an'ny fireneny.
taitra tampoka aho, kay nofiko ilay izy teo.
nefa asa anjaranareo no milaza raha tena nanofy marina aho.

Samia mivavaka fa ny faniriana no matetika tanteraka e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3318