Mavokely

21. TsongYong ( 12/06/2006 16:39)
Ny kisoanay fotsy ary koa misy mainty fa ny anareo zany tratran'ny fotaka de lasa mavokely!! ha! ha! mba zavatra hafa ahay letsy atao mahalasa fisainana eh!!
22. pissoa ( 12/06/2006 17:01)
litle, hihihi, misaotra e. Efa haiko izany :-*:-D

MTN :-D:-D:-D

mandrindra, ka izy ary oe lemenakely fa tsy lemavokely kou :-D:-D:-D

TsongYong:
mba zavatra hafa ahay letsy atao mahalasa fisainana eh!!
Toy ny inona ohatra? :roll:
Ary androany vao fantatro fa tsy mendrika ny handefasana fisainana ny teny Malagasy :?
23. Herimiafina ( 12/06/2006 17:03)
Pissoa :-*:-*
Ary njy toa kivy be!
Mendrika handefasana fisaianan tokotrany kah, fa tsy misy izany tsy mendrika izany.
Any aza no tokony handefasana fisainana fa fototry ny olana ara-tsosialy misy ankehitriny e.
24. pissoa ( 12/06/2006 17:11)
Herimiafina:

Perception de couleur retsy no mety nahatonga an'io an.
Ny mena mantsy couleur forte nefa ny mavokely somary malefaka dia izay no nampanantonina azy ny mavo angamba.

raha hiteny menakely amnsty indry dai mena ihany izany, manambara hoe maherihery kokoa ilay loko.
Asa retsy - toa mifanalavitra be mantsy anie ilay mavo sy mena e. :) sy (l) ohatra :-D
25. Herimiafina ( 12/06/2006 17:23)
Betsaka mihintsy ny toa an'io kah, teny isankarazany tsy dai mazava loatra ny origine-ny saingy misy origine-ny tokoa.
26. Fiffi ( 12/06/2006 18:41)
tsara ange ny mavokely eh!
27. andry08 ( 12/06/2006 18:59)
Indrindra ilay "vieux rose",mavokely antitra e!
28. Fiffi ( 12/06/2006 19:01)
29. kally ( 13/06/2006 05:22)
pissoa:

Lasa njay ny saiko ...

Fa maninona kay no mavokely no (n)iantsoan'ny Gasy ny loko mavokely e? Manakaiky kokoa ny mena io loko io noho ny mavo, dia naninona no tsy hoe menakely no niantsoana azy? Na fara-faharatsiny volon-kisoa:roll::-D:-D:-D toy ny hoe volon-tany, volon-davenona, sns.

Eritreritra nandalo fotsiny iny :-w:-D:-D:-D

Pissoa a! efa napetrako tao @ blaogin'i Felampaiso fa ny avy ao an-drenivohitra ihany no tena mampiasa ny hoe mavokely fa ny ankamaroan'ny gasy dia vonim-paiso no iantsoany ny loko "pink".


30. Fiffi ( 13/06/2006 05:29)
zany ve ? vonim-paiso ? nefa raha jerena ny vinim-paiso heu...inona no loko hita ao ? sa tsy misy hifandraisany ?
31. pissoa ( 13/06/2006 11:43)
Okay, misaotra an'i Fiffi sy i Kally fa efa novakiako ilay lahatsoratra tao :-*

Fiffi> Ny paiso misy mavokely ny voniny, misy fotsy ... tsy haiko ny vonin'le paiso gasy ireny angamba mavokely.
Fa mety mahalaza azy kokoa koa io vonim-paiso io ka, toy ny hoe ny lavenona anie tsy ary hitovy ny lokony e, fa azo an-tsaina foana hoe toy izao ny volon-davenona :roll:
32. Fiffi ( 13/06/2006 11:53)
pissoa: tena mahavariana akia indraindray eh ? raha tena dinihana marina nefa de ao ny mavo ! tena tsy misy idiran'le mena nasiana fotsy de lasa mavokely hihihihi
33. MTN ( 13/06/2006 14:00)
Inona moa ry reto ny hoe volom-bato lalaka? Volondavenona ihany ve?
34. pissoa ( 13/06/2006 14:15)
Fiffi> Hita oa :-*

Tsy haiko koa ry MTN an. Efa henoko foana io teny io fa tsy mbola fantatro hatramin'izao :-*
35. Fiffi ( 14/06/2006 04:32)
humm ! tiako zany mavokely zany an! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1198