PRONOSTIC FINALE @ ity mondiale 2006 ity

21. mandrindra ( 23/06/2006 07:18)
tsy lasa ireo e
22. hertix ( 24/06/2006 02:18)
Allemagne 2 - Bresil 0 en finale io e! Raha ny ekipan'i Le gros indray dia tsy hahazo coupe du monde eo izany!!
23. naughtyboy ( 24/06/2006 11:45)
ny eritreritro argentine tsy maintsy hanao final fa ny rainiboto sy ny anglisy sisa miady ny toerana ambiny,bresil ra tsy miova ny filalaovany 1/4 de vita matavy
24. sasa ( 27/06/2006 04:07)
naughtyboy i Argentine sy Allemagne aza 1/4 de final d'efa mihaona koa hiady toerana ahoana ambiny ahoana, raha manao final Argentine, donc mihitsana 1/4 i Allemange.:D
25. ronaldo09 ( 28/06/2006 19:25)
mandrindra:

ronaldo09, ny taktika apetrak'i pareira dia 4-2-2-2, izay hoe ny mpilalao 8 dia axial daholo. i cafu na i carlos raha vao miakatra dia tsy misy manao permutation maka toerana satria tsy misy mpilalao latéral. ny ekipa tahaka an'i italia izay anisan'ny henjana amin'ny contre dia mahazo vahana noho izany. i emmerson moa izay efa lazaiano ho lesoka dia aleo tsy ampiako intsony, tokony ho gilberto silva hanoloana azy. i cafu indray tokony ho soloina an'i cicinho. ny milieu offensif roa, kaka sy ronaldinho dia asiana manao asa fiarovana fa tsy miandry fotsiny rehefa very ny baolina. raha miova toy izay dia mety ho lasa lavitra ihany ry zalahy saingy i pareira efa fixe loatra ny eritreriny

Momba an'i Cicinho dia mahay izy fa amizao fotoana izao dia mbola tsy afaka misolo an'i Cafu izy ,raha nijery tsara ianao t@lalao nihaonan'i Bresil sy Japon dia fahadisoan'i Cicinho ilay baolina matin'ny Japoney iny satria variana tany aloha i ledala fa tsy afaka niverina ,ny raharaha toy ireny anefa dia angadin'ny Cafu,satria na miakatra aza izy hainy ny miverina hainga ary hoy ianao hoe i Carlos tsy misy misolo raha vao miakatra zany hoe misy tampoka ny valim-panafihana,tadidio zokibe fa vao miakatra i carlosy dia mijanona i Ze Roberto,i Emerson kosa raha vao miakatra i cafu izy no tokony hijanona.Ny tiako fotsiny dia ity tokony ho hilalao 90 min i Robinho satria izy no hitako ho jouer mpanakorontana defenseurs,na dia tsy mahavoa aza eo amin'ny fampidiram-baolina.
Na izany aza zokibe Bresil lasa foana ary i Ronaldo zao tafiditra ao anatin'ny record @izao


26. mandrindra ( 04/07/2006 08:37)
io ary ilay nolazaiko. hitanao fa hadisoan'i roberto carlos no nahafatesandry mangamainty baolina. dia hita ihany koa ny fiovan'ny endridalao tamin'i cicinho niditra, izay vao nisy débordement tany amin'ny elatra havanana. ny nampalahelo ahy dia ny fitavantenan'i ronaldo é minitra alohan'ny hifaranan'ny lalao, notifirin'i lery avy ery amin'ny 25 metatra ilay izy nefa i gilberto silva efa nanao appel teo ankavanany, ary tokana tsisy vodilaharana manoloana azy.
27. diamondra27 ( 05/07/2006 04:48)
mandrindra: ary le omaly iny aoanA?
iza no nandresy rainiboto sa italie
28. mandrindra ( 05/07/2006 14:13)
ny omaly indray dia naharesy ampahamendrehana ny italiana. kely dia kely ny elanelana teo amin'ireo ekipa roa. ny te,na tsapa anefa dia tsy nanafika totoafo toy ny fanaony ny alemana. izany dia noho ny fahabangan'i frings. na nisolo toerana azy aza i kehl dia tsy maintsy nidina nanome tanana ny défense matetika i ballack. noho izany tsy afaka nizara baolina ho an'ny attaquant, podolski sy klose i ballack.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5801