Kintana gasy

1. Simpona ( 08/06/2006 14:20)
Mba omeo anarana kintana amin'ny teny gasy we ze mahalala (oh: Fitarikandro, ...)
Misaotra
novalian'i Fiffi ny 10/06/2006 11:48
2. Fiffi ( 08/06/2006 15:03)
ny telo mirefy zao no mba aiko .
3. Herimiafina ( 08/06/2006 15:36)
Telo nohorefy ve ry Fiffi?
4. toovs ( 08/06/2006 15:40)
very eo amintsika ny fahalalana an'io satria nariantsika ny fanadroana. raha ny olona mpananddro na olona mifanerasera amin'ny mpanadro dia mety mahay tsara azy rehetra. Mino aho anefa fa bedebe ny anaran-kintana misy amin'ny teny gasy satria ireny no repère voalohany nananantsika e
5. Vaika ( 08/06/2006 16:26)
Romule, Salomon, Gabhy : kintana telo !:°)
6. mandrindra ( 08/06/2006 16:58)
kintana manandrambo :-D:-D
tena tsara mihitsy raha mba misy mahay dia mizara eto fa zavatra mbola tsy faheno mihitsy ireo voambolana irreo
7. fijo ( 08/06/2006 20:37)
misy koa ny kotokely miady laona.jereo fa mitangorona be izy sady bitika kely.
dia ny aryva moa ny kintana fitarikalina.
8. little ( 09/06/2006 06:23)
Ary mba aiza hoa ny kintan'ny mpiandry ondry e?
Mba valio kintankitana moa izy ty ry zareo zay mahay an!
9. booboo ( 09/06/2006 08:03)
Iray @ Fitarikandro na Fitarikalina ny étoile du berger ( tsy zany kintan'ny mpiandry ondry zany ny fiantso azy @ teny malagasy hihihihihihi ).
10. Simpona ( 09/06/2006 11:48)
Merci klou am 'reo fa mbola te hamantatra maro za ra misy mpanandro dadabeanareo, dadabe ô, ary tsy niverina tsony tkou dadabe ...:wink:
11. Fiffi ( 10/06/2006 11:48)
Herimiafina:

Telo nohorefy ve ry Fiffi?
heu... tsy aiko :oops: fa nga tsy hoe telo mirefy ? na telo mirefy ? :oops:
Vaika: tsy ratsy indray iny an!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2554