Rahampitso: 666
21. boubounezy
(
06/06/2006 19:39)
anarany mpitondra retra eto @ zao tontolo izao io isa io fa refa feno lé isany lé anarana dé ho avy @ tsika ny fiseonjavatra retra zay volazany Biboly nefa aza mataotsa fa A/tra miaro antsika retsa ra nanompoa Azy t@ (l) tsika retsa tsika sy t@ heritsika retsa ary niezaka ny anao ny tsara fona teto ambony ny tany. bizzzz dôly e! mivava mba tsy ataotsa anizany. dé @ manaraka verenako asina dinika ny momba anio 666 io manazava ny mba zé fantatso;-):-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
22. MTN
(
07/06/2006 15:34)
mandinika aloha vao mipataloha, fa sao dia ny ariana no lasa loha. Bilao
24. Fiffi
(
08/06/2006 05:16)
« 666 » hono
Ny datin'ny omaly 6 jona 2006 no tiana ambara etoana. Isa mahabe
resaka ny maro. Na kristiana na tsia dia miresaka io avokoa. Ao ny
milaza fa
isa ratsy izy io, eo koa no manambara fa isa mariky ny bibidia, ary ao
ireo
milaza fa tsara dia tsara tokoa izy io.
Ny teny zato, kabary arivo anio dia mitondra tranga niseho ny
alatsinainy teo, tsy dia lavitra an'Antananarivo akory satria eo
amin'ny 50
km miala an'Antananarivo no misy ny tanànan'i Bemasoandro amin'iny
làlam-pirenena voalohany iny. Nisy hono ireo olona nilaza azy ho
mpitondra
fivavahana nanambara, herinandro mialoha izao tamin’ireo mpivavaka ao
aminy,
fa ny 6 jona 2006 (6/06/06) no fara andro ka tokony hiomana avokoa
hanome ny
fananany rehetra ho an'ny Tompo, ary ny fiangonana no làlana hanomezana
izany. Tokony hanomana lanonam-be koa amin'io andro io ho fiandrasana
ilay
fara andro.
Maro ireo olona monina ao amin'ity fokontany ity no nanaraka izany
tolo-kevitra izany, ka dia nanao lanonam-be tokoa omaly tontolo andro
ho
fiandrasana ny farany. Novonoina ireo akoho amam-borona sy ny omby
nafahy.
Vokany : maro ireo very fananana tao anatin'ny fotoana fohy.
Ny tiana ambara dia tsotra : amin'izao efa lazaina ho andro mazava
izao
dia mbola maro ireo Malagasy no mora rebirebena. Mbola mila ezaka be
tokoa
ny fanabeazana ireo Malagasy monina any ambanivohitra rehetra any.
Enim-bolana mialoha ny fifidianana, mbola misy sy maro ireo Malagasy no
mora
ambakaina, indrindra rehefa ny Tenin'ny Soratra Masina no handemena ny
sain'izy ireo.
Andraikitr'iza moa izany ? Isika rehetra no tompon'andraikitra
amin'izany ka tsy tokony hisy ny hialangalana ka hilaza tsy ho
tompon'andraikitra. Na izany mpitondra fanjakana, na mpanabe, na
mpitondra
fivavahana na mpanao gazety, mila fiaraha-mientan'ny rehetra ho
fanabeazana
ireo taranaka fara mandimby.
Ilaina ny fijerena ifotony ny olana diavin'ny fanabeazana eto
amintsika.
Tsy mbola mahazo vahana eto ny zo fototra tokony ananan'ny
olom-pirenena
tsirairay dia ny zo hahazo malalaka sy tsy sandaina vola ny
fahalalam-baovao. Gazety iza no maharakotra ara-potoana ity Nosy ity ?
Ny
onjam-peo sy fahitalavi-panjakana aza tsy mahahenika ny Nosy akory,
noho ny
antony maro.
Ny andro alatsinainy nambara fa andro farany satria « 666 », dia
tokony
hampisaina ny maro amin'izao taona arivo fahatelo izao. Ny fanabeazana
no
fototra voalohany maha firenena vanona ny firenena iray, koa aoka aloha
io
no atao vain-dohan-draharaha, ka tsy hanjaka eto intsony ny « hono,
hono »
sy ny « fitapitaka », fa mba ho samy olompirenena tompon'andraikitra
marina
ny Malagasy tsirairay.
Andry R. Madagascar Tribune
27. boubounezy
(
08/06/2006 17:34)
:roll: marina ve zany ry NTM???=))=))=))=))=))=))
MTN:
mandinika aloha vao mipataloha, fa sao dia ny ariana no lasa loha. Bilao