Ny Lapa-be, tena mahavariana

1. soanja ( 05/06/2006 01:37)
Ny zavatra tena naha-shocked ny misionera hono tamin'ny andro nankalazana ny mariazin'i Radama I sy ny Rasalimo, ilay zanakavavy ny mpanjaka Sakalava tamin'ny taona 1823 dia ity zavatra notantarain'i Laverdant ity: " Ny harivan'io, raha efa vory vahoaka ary Radama teo ambony lavarangana, dia nampangininy ny vahoaka tamin'ny fihetsi-tanana. Tao anatin'ny fahanginana feno fanajana azy no namoaka teny iray monja ny Mpanjaka. Io teny io no tonga dia naverimberin'ny rehetra sady feno tabataba sy fihomehezana ary fahatahorana. Teo no ho eo ihany dia zavatra tsy nisy ohatr'izany no nitranga ny " orgie" tsy azo eritreretina no nataon'ny rehetra. Mety nisy efa ho 200.000 angamba ny isan'ny olona teo antananarivo namonjy io fankalazana ny mariazy io. Nifangaro teo ny rehetra, ny andevo sy ny olonafaka, ny olontsotra sy ny andriana. Tsy nisy nahazo nanohitra io didy sarobidin'ny mpanjaka io, ka na i General Brady aza dia nalahelo tsy nisy azony natao nahita ny vadiny lasanolona. Ny vadin'ny mpanjaka be dia be ihany no tsy azo nokasihana tamin'izany..."
2. xxx ( 05/06/2006 06:40)
ny anaran'ny rain'i Rasalimo ilay mpanjakan'ny menabe dia i Ramitraho. mba tsara ho fantatra ihany , ary izany no mahatonga ny fifandraisana matotra teo @ sakalava menabe (avy ao mahabo sy morondava )hifandray be @ foko merina hatramin'izao
3. Rainikarabo ( 05/06/2006 12:27)
18 taona i Radama I fony izy nanambady an'i Rasalimo (17 taona), tena tsara hono izany raha vehivavy an. Ary tao Miandrivazo no toerana niandrasan-dRadama an'i Rasalimo. Izay no nahatonga io tanana io antsoina hoe Miandrivazo (miandry vady).

Fa ilay lapa-be, mahafinaritra, inay aho mba tany tamin'io fotoana io 8)
4. mandrindra ( 05/06/2006 13:28)
zah konkou ralaikarabo mab tiako raha mba tamin'izany fotona izany aho :D

ny tsara ho tsoahina eto dia ny tsy fitovian'ny fomba amampanao. raha ny tandrefana manana ny fombafombany dia saika mifanohitra be amin'izany ny fomba malagasy alohan'ny nidiran'ny fiavavahana krisitiana tao madagasikara.
5. lapino ( 05/06/2006 14:20)
Kay le! Tonga dia satisfait ou satisfait izany, sans engagement :)
6. Zina ( 05/06/2006 15:07)
mahafinaritra ny mihaino ny tantaran'ny taloha? ka ao miandrivazo zany no tena be sipa manja?
7. Rainikarabo ( 05/06/2006 17:58)
toa samy feno sipa manja daholo n'aiza n'aiza ka.

Rambolamasoandro no anaran'ny renin-dRadama I.
18 taona ihany koa i Rambolamasoandro fony izy nalain'Andrianampoinimerina ho vadiny.
Tena kanto dia kanto koa izany Rambolamasoandro izany raha samy vehivavy.

8. soanja ( 06/06/2006 10:20)
Rainikarabo:

toa samy feno sipa manja daholo n'aiza n'aiza ka.

Rambolamasoandro no anaran'ny renin-dRadama I.
18 taona ihany koa i Rambolamasoandro fony izy nalain'Andrianampoinimerina ho vadiny.
Tena kanto dia kanto koa izany Rambolamasoandro izany raha samy vehivavy.



Ny vehivavy Gasy anie ry Rainakarabo ka izay mivoaka eo dia dadany daholo amin'ny hatsarana. Manja e. SA TSY MARIN IZANY?


9. Rainikarabo ( 06/06/2006 12:05)
tena marina mihitsy zany ka 8)
10. tsoupou ( 22/07/2006 06:33)
Izao ange ry reto mbola misy ny lapabe e, ny fomba iantsoana azy no miova isaky ny faritra.
Any ambanivohitray zao (any maevatanàna), refa misy famadihana (jama no fiteny azy) dia misy foana io, ny fiankaviana sasany aza mamorona trano hafa mihitsy hanaovan'ny olona anlé izy.
Tongava ange any e, na andao iaraka amiko fa efa ho avy zao ny volana aout sy septembre, tena fotoanany amin'io.
11. soanja ( 04/08/2006 01:54)
Toy izany koa ve ilay resaka " Tosika " any atsimo fa de be ny bevohoka ny tovovavy afaka iray volana ary tsy fantatra ny dadan'ny zaza.
12. miangalyandria ( 10/08/2006 19:04)
ny anay ny mpampianatra malagasy anay taloha no nitantara anay an'io lapabe io, tantara tamin'izany an, tamin'ny taona famaranana. mety misy mahafantatra i Ketadoza !!! nanomboka tamin'izay dia mitazatazana izay tovolahy eran'ny lycée hoe ny ahy iny no alaiko raha raikitra ny lapabe ! mampihomehy, pur fantasme izao izany hoy aho !!! toa hoe politika natao hampitomboana ny mponina angaha no fahazoako azy sy hoe mba hahazoana izay olona notsiriritina ! iza re no alaiko raha miverina ny lapabe e ! :-wvazivazy izany rankizy a ! :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2377