Isika gasy mitantara zavatra!....

1. 4mimananelatra ( 31/05/2006 10:40)
EEE dia mbola mila ezaka be mihintsy e !ny ankabeazantsika refa mitantara zavatra na interview na en direct par téléphone na resaka na in ...dia lava loatra nefa détail tsy ilaina sady tsy mihaino!!
oh:raha misy olona iray mitantara nahita olona voahitsaky ny camion sanatria ...dia anontaniana
-Hono hoa madama inona no zavatra niseho teo marina?

-Tena mpamono olona mihintsy io saofera io ,tena tsivanona olona mipetraka ao ....Nandalo ilay olona dia niampita dia nitondra siô dia tsy niklaksôna ilay saofera dia avy eo nandroso nihemotra io olona io dia voahitsaka ,lasa nisy embouteillage be saika novonoin'ny olona io saofera io sady mamo hono ,io olona manao akanjo menamena io no saofera eo dia mbola miandry ihany tsy tokony hanatitra io olona io any @ hôpitaly no atao blà blà....:°):°)

Ao @ kidaona maraina RADIO TANA izany moa dia sady mampihomehy no mahasosotra efa miteny ny mpanentana hoe ataovy fohifohy eeee mbola ho ela e ....
novalian'i Fiffi ny 10/06/2006 03:46
2. cutie ( 31/05/2006 10:44)
:-D:-D:-D:-D:-D
3. ari.malala ( 31/05/2006 11:01)
efa mahazatra io resaka hors sujet io ka :-D:-D lasa mahakamo b ny mihaino anle resaka na ny mamaky anle lahatsoratra any anaty gazety
4. andry08 ( 31/05/2006 11:05)
Raha vao be resaka anie dia lasa mandainga e! Na manitatra
5. manantsoa ( 31/05/2006 13:31)
Ka raha io Kidaona Maraina io no ataonao resaka dia tsy mahagaga satria ny mpanentana mihitsy no tsy mahalala fomba : olona miteny dia tapahana ny teniny , ny teny kivalavala tsy mendrika ny ho tenenina ao amin' ny radio moa dia aoka fotsiny.
Marina mihitsy ny teninao , saingy mila fanabeazana koa anie izy ity e.
6. jentilisa ( 31/05/2006 13:34)
Fa tadiavinareo ho lasa karine ve ny gazety e? Izaho na manoratra lava be aza tsy manitatra fa izay reko no averiko ohatra. Misy ny olona no mila zavatra lava sady araka ny toe-tsaina...na dia amin'ny aterineto aza dia heverina ho zavatra tsy matotra ny zavatra soratana fohy kely ka tsy hita rehefa tadiavina amin'ny alalan'ny aingam-pikarohana mahazatra. Manandrama raha te-hanaporofo. Foto-pisainana gasy ihany koa ny maneho ny heviny rehefa asaina mitantara izy. Tsy masinina tsy misy toe-po akory izy ka raha anontaniana hoe : Inona no zava-miseho marina tamin'ilay olona voahitsaky ny kamiao ka ny valiny tsotra dia hoe nohitsahin'ny kamiao ilay olona no nahavoahitsaka azy! valio ary!
7. Fiffi ( 31/05/2006 13:49)
heu.....
8. Fiffi ( 31/05/2006 13:49)
le manitatra resaka aloha tsssss!!:wink:
9. gasypantin ( 31/05/2006 16:03)
Raha mihaino radio izany moa ianao raha misy match en direct na CAN io na MONDIAL na EURO dia misy mpitantara baolina miteniteny foana moa tsy izy no arbitre. Baolina tsy maty fa akory indraindray fa manonontanona ny but ry RUFFIN RAKOTOMAHARO,ry DANIEL RANDRIAMAHARO izany ao @ RNM MAAAAAAAAATY.....elaela vao tonga saina ,tsy maty ry havana ny tsy manana fahita lavitra efa mihoraka daholo @ izany... hay kay tsy maty akory!!!!
Indraindray manao tsianjery maimbo tsy TREZEGUET akory no mikitika baolina eo @ écran fa i THIERRY HENRI dia lazaina fa any @ TREZEGUET NY BAOLINA...:-D:-D
10. tisera ( 01/06/2006 07:26)
:(:(:( Fa mbola fianarana daholo ange ny fiainana é! Eeeeh ! ts'isy tonga lafatra koa !
11. Zina ( 07/06/2006 16:34)
tisera a marina mihitsy zany
Fa mbola fianarana daholo ange ny fiainana é! Eeeeh ! ts'isy tonga lafatra koa !

ary ho mbola fianarana mandra-pahafaty mihitsy ka
12. mirana5 ( 08/06/2006 19:25)
raha ianao mba BE TENY io ary no teo @ toeran'ilay mpitantara dia mba phrase firy no noteneninao dia nazava azon'ny mpihaino rehetra ny tantara e, mba ataovy kely hoé é!!!
13. Herimiafina ( 08/06/2006 19:38)
4mimananelatra:

EEE dia mbola mila ezaka be mihintsy e !ny ankabeazantsika refa mitantara zavatra na interview na en direct par téléphone na resaka na in ...dia lava loatra nefa détail tsy ilaina sady tsy mihaino!!
oh:raha misy olona iray mitantara nahita olona voahitsaky ny camion sanatria ...dia anontaniana
-Hono hoa madama inona no zavatra niseho teo marina?

-Tena mpamono olona mihintsy io saofera io ,tena tsivanona olona mipetraka ao ....Nandalo ilay olona dia niampita dia nitondra siô dia tsy niklaksôna ilay saofera dia avy eo nandroso nihemotra io olona io dia voahitsaka ,lasa nisy embouteillage be saika novonoin'ny olona io saofera io sady mamo hono ,io olona manao akanjo menamena io no saofera eo dia mbola miandry ihany tsy tokony hanatitra io olona io any @ hôpitaly no atao blà blà....:°):°)

Ao @ kidaona maraina RADIO TANA izany moa dia sady mampihomehy no mahasosotra efa miteny ny mpanentana hoe ataovy fohifohy eeee mbola ho ela e ....



Io leisy tsy ny gasy irery no manao io an! Rehefa en communauté de izay foana, reflexe gregaire io!
14. rapala ( 09/06/2006 12:10)
HM: enao kou ve mba be tantara ohatr'izany?:-D
15. rapala ( 09/06/2006 12:12)
HM: enao kou ve mba be tantara ohatr'izany?:-D
16. Herimiafina ( 09/06/2006 13:00)
Renjekaky oo :{:{
Inona moa leisy no horesahana, i sareraka aza io efa mifosa gasy sahady klé. hehehehe:-D
17. rapala ( 09/06/2006 13:08)
matahotra ny hofosain'i sareraka nga toi ry HM?:-D:-D
18. Fiffi ( 10/06/2006 03:46)
:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0913