FANGATAHANA" VISA ".mankany Frantsa:Misy hafahafa ao .
1. Fiffi
(
30/05/2006 04:44)
Nisy fianakaviana iray, efa-mianaka, izany hoe mpivady miaraka amin’ny zanany roa, nanao fangatahana « visa » hitsangantsangana any Frantsa. Nolavin’ny « consulat » frantsay anefa izany fangatahana izany, ary toy ny fanaony dia tsy nisy fanazavana ny antony fa dia « dossier refusé », izay ihany no nivoaka avy tany.
Talanjona ireo mpangataka raha nahita izany ka liana mafy mba te hahalala ny anton’ny fandavana. Nandefa taratasy ho an’ny tompon’andraikitra ao amin’ny « consulat » frantsay àry izy ireo, ho fangatahana fanazavana. Nilaza ihany koa izy ireo, tao anatin’ny taratasy nalefany, fa tsy manana eritreritra ny hijanona any frantsa, ary roapolo andro monja no hivahiniany any mba hijery tanàna sy hamangy havana, indrindra ny renibeny izay tsy salama. Ny taratasy ilaina ho amin’ilay fangatahana natao moa dia feno tsara rahateo, noho ny maha maro havana an’ity fianakaviana ity any an-dafy. Tao daholo ny « certificat d’hébergement » sy ny mombamomba ireto mpangataka, toy ny asany sy ny sisa. Nohanamafisan’izy ireo ny amin’ny tsy ananany fikasana ny hipetrahana any ivelany ihany koa ny fananany trano sy tany ary zavatra hafa maro eto an-toerana, ankoatra ny asan’izy ireo izay azo lazaina fa “mety tsara” ka tsy hatakalo izay any ivelany. Raha vao naharay izany taratasy izany tokoa àry ry zareo tao amin’ny
« consulat » dia nampiantso ireto mpangataka “visa” ireto haingana mba hiverina any miaraka amin’ny « dossier » rehetra. Teo ihany dia azo ilay fahazoan-dalana hivahiny. Asa na inona tamin’ireo voalaza ireo no nampiova hevitra tampoka ny tompon’ny fanapahana tao ?... Efa mahazatra ihany ny mahare ny hoe lavin-dry zareo ny fangatahana fahazoan-dalana hivahiny any frantsa, indrindra raha tovovavy no manao izany, saingy nahagaga ihany ny tamin’ity indray mitoraka ity. Rehefa mandeha moa ny eritreritra, amin’ny toe-javatra toa itony, dia mifamahofaho ao an-tsaina avokoa ny mety ho antony mety hitrangan’ny zavatra iray. Sao dia mba azo eritreretina ihany, raha aminay, ny mety ho fanaovana
« routine » ny asa, ka raha vao vehivavy no mametraka ny
« dossier », dia tsy ilaina ny mandany fotoana handalinana, na hamakiana izany antotan-taratasy izany akory ny olona mandray azy, fa tonga dia manipy izany ao anatin’ny “ dossiers refusés”, araka ny filazan’izy ireo azy. Azo eritreretina ihany koa ny mety hisian’ny hevitra hafa mba hahazoana manao risoriso ka sakanana aloha ny fangatahan’ny olona, avy eo mitanty fotsiny an’ireo izay tsy nahazo valiny mahafa-po. Ahazoam-bola mantsy ny karazan’olona toa ireny, izay tena mitady lalana mafy hipetrahana any an-dafy. Tsy tokony ho mazava ho azy amin’ny rehetra koa ve fa na ny vazaha aza dia efa mitandrina fatratra, satria mahatsapa avokoa ny Gasy fa efa tsy azo iainana intsony izao eto ka zary mitady lalana hifindra monina ny ankamaroan’ireo izay afaka manao izany ?…
La Gazette de la Grande Ile.
novalian'i Fiffi ny 22/06/2006 11:44
2. Ralay
(
30/05/2006 05:55)
Fiffi: Zavatra posible tokoa io ary mateti-pitranga. Izaho izao no efa tratran'io nisy olona nangatahako visa dia refusé avy hatrany satria vehivavy celibat nefa ny dosier complet daholo. Tsy nanaiky aho fa nadehanako tany satria tany an-toerana aho t@ io fotoana io ka voatery naverina nodinihina indray ny dossier dia nivoaka ny visa.
Conclusion:Rehefa hitanareo fa dans le bon droit ianareo ka tsy fantatra izay antony maha refusé ny dossier-nareo dia aza misalasala ny manoratra na mangataka ny hihaona @ responsable fa hahazo foana ianareo. Tandremo anefa sao mijanona manao cland tokoa fa dia grillé ilay ol miheberger.
Dia bonne chance ho an'izay hangataka visa rehetra.Aza hadino anefa ny:D na koa :twisted: refa ilaina :D

3. diamondra27
(
30/05/2006 06:57)
ralay::P
dia hiezaka ny hangataka explication izany @ manaraka e! fa na de 'zany aza toa efa mafy ihany vao mahazo visa an! sambatra ianareo izay mbola afaka mivoaka
dia hiezaka ny hangataka explication izany @ manaraka e! fa na de 'zany aza toa efa mafy ihany vao mahazo visa an! sambatra ianareo izay mbola afaka mivoaka
4. mamzelkely
(
30/05/2006 08:51)
fa anagah diams ts mahazo mivôka klé :roll:
de hahita loza zany kou mila manao mafy loha tsara zany vô afaka mahazo visa klé enjana zany :roll:
de hahita loza zany kou mila manao mafy loha tsara zany vô afaka mahazo visa klé enjana zany :roll:
5. morsah
(
30/05/2006 10:05)
fa maninona kou ra hatao toy izany koa ny fidiran'ny vaza any dago e!
Tsy rariny alou e! ianao any an-toerana no mangataka visa tsy omeny. Nefa ry zareo efa tonga eny Ivato vao maka visa?
Tsy rariny alou e! ianao any an-toerana no mangataka visa tsy omeny. Nefa ry zareo efa tonga eny Ivato vao maka visa?
6. endrika
(
30/05/2006 10:39)
manaona daholo,aty frantsa miitsy za zao mamaky ny dinika zao,tôko saika tsy tafavôka koa za raha tsy niverina efa in-3 tao amin'ny ambasady,za aza efa manambady malagasy,juste mamangy ny zandriko vavy sy ny zanany aty za.1 volana no naatongavako taty,de mody dans quelques jours za io.Vo sambany za no taty fa fa raha mahita asa aty klouny zaay mivady de tiko aty e!sinon aleo ry reto any amin'ny tanana iany a!
tonga amle oe zay tsy hita no iriana e!
Ry zareo vaza te oany amitsika.
tonga amle oe zay tsy hita no iriana e!
Ry zareo vaza te oany amitsika.
7. Fiffi
(
30/05/2006 10:53)
Efa tahak'izao foana hono ny zavatra mitranga any raha mangataka visa .
-Tsara ho fantatra fa resaka efa namboarina daholo zany hatraty frantsa , fa raha sahisahy ny olona de tsy mijanona @ zao . Betsaka manko ny olona raha vao miverina ny dossier hoe "refusé" de tonga de mijanona @ zao . Politikan'i Sarkondrana daholo izany eh!

8. Fiffi
(
01/06/2006 05:46)
morsah:maninona tokoa moa ?
fa maninona kou ra hatao toy izany koa ny fidiran'ny vaza any dago e!
Tsy rariny alou e! ianao any an-toerana no mangataka visa tsy omeny. Nefa ry zareo efa tonga eny Ivato vao maka visa?
9. prime
(
02/06/2006 11:41)
Tsy mitovy kosa koh... ho an'ny tany mahantra, ny hahatongavany eto aza ataon'ny mpitondra mba hitondràny vola hiasa aty... Ho an'ny tany manan-karena tsy dia mila anao izany izy satria saropiaro @ hareny izy... ny asa tokony ho azy alainao mpiavy avokoa...
Atsy Maurice koa tsy mila visa, atsy afrika atsimo tsy mila visa... dia izay dago kely mafy ady ve no mba hitabataba, kendain-dry zalahy fotsiny, iray andro dia mitsitra...:-D:-D:-D
Atsy Maurice koa tsy mila visa, atsy afrika atsimo tsy mila visa... dia izay dago kely mafy ady ve no mba hitabataba, kendain-dry zalahy fotsiny, iray andro dia mitsitra...:-D:-D:-D
11. cazal
(
22/06/2006 07:17)
TSY MISY ILANA AZY MIHITSY IO CONSULAT AO DAGO AO IO
Izaho aza manana zanaka 3 vazaha fa mbola tsy ampy taona any DAGO dia efa nividy billet ho azy ireo mba hipetraka aty FRANTSA fa ny reniny no gasy dia natao daholo nyttsy rehetra nilain'ny consulat, mba HITONDRA ireo ankizy ireo aty (MANANA PASPORT VAZAVA ANEFA ireo akizy ireo) fa ny reniny no nagatahana visas dia tsy nahazo. GRRRRRR nefa ny ankizy tsy mahazo mandeha amin'izao satria mbola mineur 2 ans 3 ans tsy maitsy mila ny reniny mikarakara izany.
AHOANA NO MBA HEVITRARE AMIN IZANY?

12. Fiffi
(
22/06/2006 11:44)
cazal:marina aloha io an! misy lalàna manko mikasika an'io. Ary irfeo zaza ireo tsy maintsy misoratra ao anatin'ny passeport-n'ny reniny satria mbola kely loatra , hafa indray raha sanatria hoe marary na heu..zavatra hafa , fa io aloha tena misy lalàna mifehy azy an!
mahazo mandeha amin'izao satria mbola mineur 2 ans 3 ans tsy maitsy mila ny reniny mikarakara izany.
AHOANA NO MBA HEVITRARE AMIN IZANY?