Fampianarana amin'ny teny gasy

1. MTN ( 28/05/2006 20:08)
Tena miertitreritra marina ve ianareo fa ny fampianarana tamin'ny teny gasy no tsy nampadroso tamin'ireny fotoana ireny sa ny sosialisma malagasy?
novalian'i Fiffi ny 22/06/2006 16:23
2. Rainikarabo ( 28/05/2006 20:13)
sady tsy ny fampianarana no tsy ny sosialisma no tsy nampandroso fa ny "mpitondra" no tsy namely. Izay aloha ny fahitako azy, mety hanana ny fijeriny ny hafa.
3. vancleef ( 28/05/2006 20:56)
Zavatra iray sahala ireo tamin'ny sosialisma malagasy no nisy ny fampianarana tamin'ny teny gasy. Tamin'izany andro izany lery no nanoratra an'ilay boky mena ni-singer an'i Mao Zedong. Raha te hijery ny anisan'ny antony no tsy nampadroso an'i Dago die http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4479b0b27a32d#m447a0adee453c
Tsy ireo ihany no antony faha anisany fotsiny ireo
4. Fiffi ( 29/05/2006 03:51)
raha tsy nisy an' lery sy ny boky menany , tsy ho tahak'izao no niafaran'ny Malagasy , ny azy de ny fitiavan-tena fotsiny no tanjony : ny vahoaka ? i Madagasikara ? inona no mba namakiany loha ? Firy taona nitondrana , inona no mba zavatra mba nataon'lery tao ? heu.........
5. MTN ( 29/05/2006 11:15)
Tsy mandaha aho hoe nanao zavatra ratsy izy, raha kaotiana fotsiny ny isan'ny olona maty. Fa na dia izany aza tamin'ireny ange isika mba ohatra ny nahaleo tena ihany eh. Ny boky mena izany no ratsy, dia ny mpitondra, fa tsy ny maha-malagasy loatra.
6. MTN ( 29/05/2006 11:22)
Amiko ny sosialisma mihitsy no tsy mitira. Na iza na iza ny ho mpitondra teo dia ho ohatr'izao ihany no ho fipoitrany. Jereo fotsiny i Cuba sy i Venezuela. Minan...
7. Vaika ( 29/05/2006 11:40)
Tamin'ireny fotoana ireny marina dia nizara telo mihintsy ilay fanagasiana raha tsara ny fitadidiko :
-fanagasiana ny toe-tsaina
-fanagasaiana ny toe-karena
-fanagasiana ny fampianarana.
Ireo roa voalohany aloha dia tsy azoko mihintsy no tena dikany. Fa ilay fanagasiana ny fampianarana kosa dia tena hitako mihintsy hoe tsara ihany raha voavolavola tsara alohan'ny nampiharana azy. Tsy haiko nareo raha tratra ohatr'ahy fa nisy fotoana tonga dia noterena navadika sy nadika tamin'ny teny gasy daholo na ny maths ohatra ka tena fanina tanteraka ny mpianatra (sy ny mpampianatra !). Ilay fampianarana noterena tampoka angamba no tsy nety loatra ny fijeriko azy fa raha natao miadana dia tsy misy maharatsy azy indrindra (rehefa tsy lasa ambim-po diso toerana).
Ilay teny gasy mantsy dia manana hanitra manokana mihintsy ka tena ilaina mihintsy ny fahaizana azy : eo amin'ny lafiny ara-kolo dia tsy misy mihintsy ny maharatsy ny fampianarana amin'ny teny gasy....fa ilay mpitondra tamin'izany fotoana no efa tsy avotra intsony ka nitondra tany an-kady.
8. Fiffi ( 29/05/2006 12:14)
na inona na inona zavatra lazaina eto, dia tsy misy afatsin'ny marina , ary ny marina marina hiany. Ny mpitondra taloha no nanimba an'i Madagasikara sy ny Malagasy , de i ratsiraka zany !!!
9. MTN ( 29/05/2006 12:22)
Marina izany ry fiffi fa tsy ampy ah. Efa tsy mpitondra intsony izy izao. Dia afaka mifaninana amin'ny vahiny ve isika izao. Ohatra hoe mitombo isan'andro ny vokatra sinoa ao Behoririka.
10. mandrindra ( 30/05/2006 06:44)
ny fanagasiana ny fampianarana dia tsy vato misakana ho any amin'ny lalan'ny fahalalana. ny antony dia ny tsy fahampian'ny voambolana malagasy sy ny tsy fanapriahana ireo izay kely nananana. manarak'izany dia tsy voaomana sy voaofana ny mpampianatra hampiatra ny fanagasina.

fiffi, ny mpitondra rehetra dia nanimba ary mbola manimba an'i madagasikara. marina fa misy mangirana kely ankehitriny raha hoarina amin'ny taloha saingy mangirana kely izay lavitry nytokony ho izy.
11. ari.malala ( 31/05/2006 05:25)
Vaika:

Tsy haiko nareo raha tratra ohatr'ahy fa nisy fotoana tonga dia noterena navadika sy nadika tamin'ny teny gasy daholo na ny maths ohatra ka tena fanina tanteraka ny mpianatra (sy ny mpampianatra !). Ilay fampianarana noterena tampoka angamba no tsy nety loatra ny fijeriko azy fa raha natao miadana dia tsy misy maharatsy azy indrindra (rehefa tsy lasa ambim-po diso toerana).
Ilay teny gasy mantsy dia manana hanitra manokana mihintsy ka tena ilaina mihintsy ny fahaizana azy : eo amin'ny lafiny ara-kolo dia tsy misy mihintsy ny maharatsy ny fampianarana amin'ny teny gasy....fa ilay mpitondra tamin'izany fotoana no efa tsy avotra intsony ka nitondra tany an-kady.



Izahay dia tratrani'o mihintsy, nanomboka kilasy faha 6 (6è) fa tena nijaly mihintsy!Ny sekolim-panjakana moa izany no tena nampihatra an'io fampianarana tamin'ny teny Gasy io, nefa ny vomabolana nampiasaina tamin'izany tena tsss! nampitapy e! tsy ny matematika irery ihany no natao ani'zany fa ny fizika sy ny siansy natoraly koa. Nony tonga tany amin'ny seconde amzay nijery baolina nandritra ny taom-pianarana iray manontolo... tsy haiko hoe, ny tenintsika ve no tsy voafehy ka tsy maintsy mindrana ny an'ny vahiny vao afaka mianatra sy mahay zavatra sa ahoana, fa mandinika ihany aho, ireo Japoney ireo aine ka ny tenin-drazany no ampianarany ny ankizy any aminy e, nefa manaohana ny fandrosoan-dry zareo... Sa ve noho isik azana-tany dia voazanaka hatramin'ny fiteny sa inon amihintsy no antony... asa lahy!!!Izao dia ezahina hahay teny anglisy vao kely ny ankizy, nefa ny teny frantsay aza mbola tsy tena voafehy tsra akory...
12. johnny ( 01/06/2006 08:41)
ratsiraka mitsy no nampahantra ny gasy mba hahatsotra ny resaka. raha ny votoatin-kevitry ny atao hoe sosialisma no jerena ka nampiharina tokoa tokony tsy nahatra velona ny gasy. ivereno vakio tsara ny bokimena. zany aby ny napahatra ny tany sosialista satria pitaribato vilambava ny pitondra sosialista.
13. Fiffi ( 01/06/2006 19:27)
iza koh no mbola andeha hamaky an'io boky io ?
14. prime ( 02/06/2006 11:16)
boky mena...
mahonena...
fanagasiana...
mahaliana...:-P
15. Fiffi ( 02/06/2006 11:28)
prime: tsy aleko ity ?
16. Fiffi ( 02/06/2006 11:29)
:-D
17. MTN ( 06/06/2006 11:47)
ari.malala:

Izahay dia tratrani'o mihintsy, nanomboka kilasy faha 6 (6è) fa tena nijaly mihintsy!Ny sekolim-panjakana moa izany no tena nampihatra an'io fampianarana tamin'ny teny Gasy io, nefa ny vomabolana nampiasaina tamin'izany tena tsss! nampitapy e! tsy ny matematika irery ihany no natao ani'zany fa ny fizika sy ny siansy natoraly koa. Nony tonga tany amin'ny seconde amzay nijery baolina nandritra ny taom-pianarana iray manontolo... tsy haiko hoe, ny tenintsika ve no tsy voafehy ka tsy maintsy mindrana ny an'ny vahiny vao afaka mianatra sy mahay zavatra sa ahoana, fa mandinika ihany aho, ireo Japoney ireo aine ka ny tenin-drazany no ampianarany ny ankizy any aminy e, nefa manaohana ny fandrosoan-dry zareo... Sa ve noho isik azana-tany dia voazanaka hatramin'ny fiteny sa inon amihintsy no antony... asa lahy!!!Izao dia ezahina hahay teny anglisy vao kely ny ankizy, nefa ny teny frantsay aza mbola tsy tena voafehy tsra akory...


Na tsy handray firenena mandroso be aza isika fa i Vietnam, na Indonezy izay azo atao hoe mahantra ihany koa nefa ny tenin-dry zareo izao ao anaty Nokia sy Samsung. Ny fampianarandry zareo amin'ny teniny.
Tsy haiko anefa aloha e
18. xxx ( 17/06/2006 21:24)
ka maninona ary aho no mahay e mampianatra aty amin'ny oniversite aty ivelany nefa dia nanao fanagasiana ranoray mihitsy sao dia ianareo kosa no tratry ny fandemen-tsaina ?
19. Fiffi ( 18/06/2006 03:02)
xxx: tratry ny fandemen-tsaina ahoana moa izany ?:roll:
20. MTN ( 18/06/2006 17:13)
Ohatra izao ny azy iny. Fa ny creativite-atsika mihitsy no nidaraboka nony tany amin'ny langue no nironan'ny eritreritra.

Tsy misy an'ilay critical thinking http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m44766117ef303
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0864