fasam-bao
1. romilino
(
27/05/2006 12:13)
sahirana ny fianakaviana fa tsy mahafantatra ny fomba malagasy, toa misy fomba hono rehefa nahavita fasana vaovao. Ny olana dia izao: "toa hoe":
tsy mahazo mampiditra faty lena ao @ fasam-bao raha tsy mametraka razam-be iray hono, izany hoe tsy maintsy mamadika. Ny hafa milaza fa tokony mametraka vatan'ankondro aloa. Inona no marina???? misaotra anareo.
tsy mahazo mampiditra faty lena ao @ fasam-bao raha tsy mametraka razam-be iray hono, izany hoe tsy maintsy mamadika. Ny hafa milaza fa tokony mametraka vatan'ankondro aloa. Inona no marina???? misaotra anareo.
novalian'i missa ny 15/09/2013 15:51
2. Fiffi
(
27/05/2006 12:41)
tena tsy mahafantatra fa dia aleo miandry ny namana de mba ho fantatra koh zany avy eo , sao mba.....
3. Robert
(
27/05/2006 14:25)
Fa inona kay no ilaina ny fasana tsy hametrahana ny razana maina na lena.
Ohatra ny zava-bita rehetra ireny ny fasana de misy fitokanana azy koa(fanokafana azy ofisialy izany io), matetika ny olona manao fanadihana mamindra ireo Ray aman-dreny efa lasa korazana.
Ohatra ny zava-bita rehetra ireny ny fasana de misy fitokanana azy koa(fanokafana azy ofisialy izany io), matetika ny olona manao fanadihana mamindra ireo Ray aman-dreny efa lasa korazana.
4. booboo
(
31/05/2006 14:11)
robert > nenay koa tsy azo asiana faty lena ny fasam-bao fa razana efa maina no natao tao klou vao natsofoka tao ny dadabenay. Tsy fantatro ny antony :roll:
5. prime
(
02/06/2006 10:24)
Tena fomba malagasy io fa tsara raha misy mpanandro na mpahay fomba mba mitondra fanazavàna ny amin'io...
Fa tena tsy azo idirana faty lena ny fasam-bao ho an'ny malagasy maro...:?
Fa tena tsy azo idirana faty lena ny fasam-bao ho an'ny malagasy maro...:?
6. romilino
(
03/06/2006 07:25)
ny olona hoy aho: dia samy manana ny filazany ny 1/1, na ny mpanandro na ny olon-dehibe, na ny boky aza... dia tsy hita intsony izay tokony hatao. :cry:
9. missa
(
15/09/2013 15:51)
Misy marina ireo voalaza ireo satria tsy maintsy manaraka Fomba malagasy kely ihany raha vao miresaka fasana io fa saro-pady amin'ny Malagasy izy io. Rehefa mahavita fasana vaovao ny fianakaviana dia asiana io vatan'akondro isaky ny fandriana vato io tokoa ao. Angahtahina any amin'ny fanjakana ny fitsaràna io fasana io vao azo ampidirana razana ao. Solontenam-panjakana toy ny Maire sy ireo mpanampy azy ary Dokotera amperinasa no tonga hitsara ny fasana ary andro vitsy aorian'izay dia mahazo ilay atao hoe Immatriculation , omen'ny commune izy io ary tsy maintsy adika amin'ny takela-pasana natao tamin'ny simenitra. Rehefa vita izany dia azo atao ny manao fangatahana hamindra ireo Raiamandreny razam-be ho ao amin'ilay fasam-bao. Tsy maintsy izany no atao mialoha fa tsy mety raha tonga dia razana lena no ampidirina mialoha ao. Tsy dia ilàna mpanandro loatra izany fa ara-pomba MAlagasy fotsiny ihany. Rehefa tonga ny fotoana hanaovana ilay famindràna ny razambe dia efa karazana famadihana ihany io ka voatery hamahana olona maro raha eny ambanivohitra. Ampiarahina amin'ny Fitokanana ilay fasam-bao ny famolavolana sy famindràna ireo Raiamandreny razambe. Fa raha fasana vaovao eny amin'ny cimetière kosa dia azo ialàna ihany ilay famahanana olona marobe fa ireo nikarakara ny fasam-bao ihany no anaterana sakafo ary afaka miara-misakafo any an-kafa ny fianakaviana avy eo. Asa raha mba nahavaly ny fanontaniantsika teo aho aloha fa dia ireo no mba fantatro.