Fananganan-jaza (lalana velona)

1. soanja ( 27/05/2006 02:36)
Henoko tamin'ny voalohandohan'ny taona teo fa nahantona hono ny Fanangan-jaza any Madagascar. Lasa maty ve ny lalana tao sa mila fanovana dia miandry sa ahoana? satria rehefa namangy orphelinas aho dia nilaza ry masera fa tsy misy izao ny fanangana-jaza satria nahatsahatry ny fanjakana noho ny olana sahamifaha izay tsy voaaramason'ny fanjakana hono. Misy afaka manome fanazavana momba an'io ve azafady?
Raha misy anefa ilay lalana dia sao mba misy mahafantatra hoe inona avy ny dingana tokony hatao raha hanangan-jaza any Madagascar. Mpivady vazaha no hanangana.


novalian'i fijo ny 21/06/2006 19:56
2. Fiffi ( 27/05/2006 04:29)
izay le olana!! be ny te-hanangana fa voarirarira ? nefa raha jerena tsara , betsaka ny mahazo tombon-tsoa @ io fananganana zaza io.
3. Simpona ( 27/05/2006 06:13)
Ny momba io lalana vaovao io aloha dia mbola tsy reko.
Fa tato ho ato dia be ny resaka maloto momba io fananganan-jaza io nandeha tam gazety: Hala-jaza, fivarotana zaza (hatram 400000,00 Ar ny zaza iray) ary misy aza ilau we vehivavy miteraka zaza amidy no asany (efa lasa anton'asa miitsy izy io :x:x:x:x. Betska miitsy ny misy tsy mazava am'reny fitaizana zaza kamboty eto am tsik reny.
Mety ho izay angamba no nahatonga ny fanjakana handray fepetra.
Enga anie ka fepetra hamongorana ny tsy mety ihany io ary mba ahafahan'ireo tena manao ny marina manampy am fanaganan-jaza ara-drarirny
4. zoara ( 27/05/2006 12:04)
zany indrindra,momba an'ireo olana nisy taloha no nahatonga an'io ho nahatona,ary tsy any Madagascar irery fa misy firenena hafa koa.henoko sy voavakiko t@ gazety fa misy mihitsy aza ny mpampivelona miray tsikombakomba ratsy ka milaza @ reniny fa maty lay zaza de avy eo anaovany fausse declaration etc....tena maharikoriko.tokony ho regler-na haingana io fa tena mampahonena,na ny ankizy hatsangana,na ny ray amandreny(honnete)mpanagana
5. valissouah ( 21/06/2006 15:36)
Nivoaka t@ volana Mai teo io lalana io raha tsy diso ny fitadidiko, ny tena tsara dia mijery ny journal officiel aty Madagascar izay lina.Aza kivy ianareo izay vonona hanao izany dingana izany fa ny tsy manan-draiaman-dreny aza efa tsy fidiny mainka ve fa ny misy hanabe sy hikarakara.

Ny tena tsara aminareo izay any andafy dia manantona Notaire Malagasy na mifanoratra e-mail amin'izy ireo fa ireny no tena mahay io resaka io.
6. fijo ( 21/06/2006 19:56)
soanja,ny antony nampihantonana io fanangananjaza io any amintsika,dia misy betsaka ,ny olana nitranga noho ireo mpanelanelana.lasa fitadiavam bola le izy.ka mba hisorohana an'izay,dia nahato aloha ilay fananganana zaza any.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3863