Mbola maro ireo toerana mampatahotra ao TANA ao!.....

1. lemenakely ( 26/05/2006 19:40)
Asa ianareo raha mahatsikaritra fa na eo aza ny fandrosoana sns ,dia mbola maro ireo toerana mampatahotra ao TANA ao indrindra @ alina raisiko ohatra @ izany iny: AMBOHIDROA AMBOHIMANARINA iny akaikin'ny hôpitaly sady mangina no be fasana,ao koa ANJANAHARY ,AMBOHITRARAHABA iny koa ..eny AMBODIHADY AMBOHIMANARINA akaikin'ny carriére ,...tsy mahasaky mandeha amin'ireny aho na omena volabe aza koah:(:(
novalian'i Fiffi ny 30/05/2006 12:44
2. dongadonga ( 26/05/2006 20:03)
aiza moa no misy tany milamina fa angaha any tena milamina tsy misy panendaka sy panolana?
3. Fiffi ( 26/05/2006 20:22)
henoko hiany aloha fa toe hoe ny mpanendaka no manjaka eny @ ireny toerana ireny ? fa nga tsy mba mitaraina ny vahoaka ? tsy misy firaisankina ve hoe hiaraka hiaro ny tanana ? sa ahoana ?
4. petsambava ( 26/05/2006 20:24)
eo koa ry nenitoa ny angatra sns...fa angaha ny mpanendaka ihany?
5. Fiffi ( 26/05/2006 20:26)
nenitoa ? angatra ?:roll:
6. petsambava ( 26/05/2006 20:33)
mpamosavy izany e! dia misy matoatoa sy angatra ...raha iny AMBOHITRARAHABA iny lehilahy izay sahy mamakivaky an'iny @ 0h00 an-tongotra
7. Fiffi ( 26/05/2006 20:41)
anjekaky ooo :{:{:{:{:{
8. ramialy ( 30/05/2006 09:27)
fa na ny taxi be miasa maraina ireny ary lazain'ny olona fa nitondra angatra indray mandeha, mody groupe ry zareo no niditra fa rehefa hoe eto ve ianareo miala, tsisy hita daholo ry zareo :roll:
9. Fiffi ( 30/05/2006 12:44)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1865