TOLOKO.... TOMANY....

1. victime101 ( 26/05/2006 15:06)
TOLOKO.. TOMANY sy ratra manenika
eto an-tany ka be ireo rendrika rendrika
mila vonjy ka miantsoantso hoe: TOMPO O AIZA IANAO?

Aleo angamba io hiran'i HERY (ex NJILA) sy NIRY LANTO io no hiraina e @ izao fiainana feno korontana lava izao...
répondu par Fiffi le 30/05/2006 04:04
2. Rainikarabo ( 26/05/2006 15:16)
Ito koa misy hira tsara atao amin'izao fiainana izao:

Tsy maintsy courage aho courage aho Jesoa
Tsy maintsy courage aho fa manana anao
3. Achia ( 26/05/2006 18:46)
EHHH Hijoro aho 2
hijoro falifaly lalandava
4. marozevo ( 26/05/2006 20:33)
Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa fa mandalo izao fiainana izao.
Moa ny tany no miha ratsy sa ny olona no efa lany vatsy ?

Ny antitra tokoa antitra ihany eh!...
5. Fiffi ( 26/05/2006 20:50)
Fandalovana marina....
6. Simpona ( 27/05/2006 12:34)
Malahelo any aho malahelo any aho fa mijaly e......
Tsisy azok atao tsisy azok atao ....:-D:-D:-D
Le tonony aza tsy haik akory
7. Fiffi ( 27/05/2006 13:31)
Tompo ô aiza ianao ?
Mba jereo ireto ondrinao
Mba mangataka aminao
Sy mitalaho , ampio izahay Tompo ô.
8. dadabe ( 28/05/2006 06:27)
na mafy aza ny alondrano
izay lalovanay ety
be ny fanatenako
fa hitsena Anao aho Jesoa


na hihorohoro aza ny kotroka
na hifanesy aza ny tselatra
Eh ! ny fanatenako
hitsena Anao aho Jesoa
9. bellla ( 28/05/2006 17:41)
.....
O, ry Jesosy Izay naharara,
ny onja namely ny sambo tary
Anivon'i Genesareta ho tsara
toneo ny onjan'ny foko aty
10. bellla ( 28/05/2006 17:44)
O, ry Jesosy Mpamonjy mahery!
izaho maniry indrindra Anao
fa reraka aho ka mila ho very
Ny foko saronan'ny ratsy izao:
Ry Tompo tsilovy , ny lalan'ny saiko
Ka mba arovy ny fo sy ny aiko.

O, ry Jesosy Izay naharara,
ny onja namely ny sambo tary
Anivon'i Genesareta ho tsara
toneo ny onjan'ny foko aty.
[/quote]


11. dadabe ( 29/05/2006 10:25)
enga anie ka homba anao Jsoa
hanadio sy hanazava
hampahery lalandava
...
12. marozevo ( 29/05/2006 20:13)
Raha miroso no sendra toloko sy tomany,
Ireo mpamafy ndeha hamafy ny voa.
Mbola hiverina avy any kosa ireo velon-kira.
Milanja ny vokatra, mody any an-trano.
Ankalazao ny Tompo
13. Fiffi ( 30/05/2006 04:04)

Voninahitra ho an'Andriamanitra amin'ny avo indrindra
Ary fiadanana ho ambonin'ny tany
Ary fankasitrahana ho an'ny olona anie.
Midera Anao izahay
Misaotra Anao izahay
Mitsaoka Anao izahay
Mankalaza Anao izahay
Misaotra Anao noho ny voninahitrao lehibe izahay....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1343