Sempotry ny rivotra politika ny firenena
1. Fiffi
(
26/05/2006 06:38)
Mafana tanteraka ny raharaha politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, izay toa hifampiderana fahaizana milalao azy, na ho an’ny antoko politika rehetra na mpanohana na mpanohitra na ireo mpisababaka, sns...
Tsy hivalapatra eo akory ny lahatsoratra fa tsetsatsetsa tsy aritra ihany io. Ny manintona ny saina fotsiny dia ny fisian’ny fihetsika samihafa ataon’ireo mpilalao politika. Toa nisehoana sinema maromaro tato ho ato izay toa manamarika ny volon’andro mampafampana amin’ny raharaha politika eto amin’ny firenena.
Indreny fa niseho avokoa ireo antoko politika efa noheverina fa tsy nisy intsony, misy aza ny sahy nandrotsaka kandida satria efa taranaky ny mpilalao politika. Eto no somary mahalasa saina satria fantatra izao ny tanjak’ireo antoko politika efa nanambara ny firotsahany sy ny antoko mbola handrotsaka kandida. Tsy fanina amin’izany anefa ny vahoaka fa efa mahalala ny tokony hataony. Ho fantany miandalana eny ny hafetsen’ireny antoko politika ireny. Azo antoka mantsy fa fitadiavam-bola no anisan’ny mampihetsika ireny antoko politika ireny izay miharihary sy tsy takona afenina.
Azo an-tsaina avy hatrany ny tanjony dia ny hanohana kandida no betsaka, saingy be no hirona any amin’izay manam-bola. Maromaro ny safidy amin’ity satria bebe koa ireo kandida toa nahazo famatsiam-bola sy fitaovana raitra toy ny fiara 4x4 sy « hélicoptère ».
Inona kosa no tetika politikan’ny mpanohitra amin’ity fifidianana ity ? Raha ny sitra-pon’izy ireo , dia tsy miandry izay fifidianana, sady eo koa ireo tsy mivaky loha amin’izany raha tsy vita hono ny fampihavanana an-dRatsiraka sy Ravalomanana. Tsy ampy koa ny hery entina manatanteraka ny fikasana hanao teteza-mita ka toa samy mihainohaino hiandry ny fifidianana ihany no hiafaràny. Teo ihany ny fotoana tokony nanararaotan’ireo mpanohitra amin’ny firaisan-kina toy ireny fivakivakisan’ny TIM ireny, saingy nibahana ny hambom-po politika ka aleo ihany samy mandeha samy mitady!
Manoloana izany rehetra izany dia toy « ny valala voatango » ny vahoaka tompon’ny safidy amin’ireto filalaovan’ny mpanao politika azy. Sempotry ny rivotra politika sahady, volana maro aty aloha. Manampy trotraka ny fihazakazaky ny fisondrotry ny vidim-piainana.
Hiverina indray ny fahalainan’ny olona handatsa-bato amin’ny fifidianana satria tsy te ho tompon’andraikitra amin’ny fanohanana olona hilalao politika intsony izy.
Hery A. Madagascar Tribune
novalian'i Fiffi ny 04/06/2006 05:19
2. Fiffi
(
26/05/2006 06:41)
tao koa ny nifoha.......
Ny « Grady Iloafo » dia anisan’ilay antoko politika mifoha amin’ny torimasony. Tsy henoheno nandritra ny fotoana naharitra fa dia nanipitsipy soson-kevitra teny ho eny sy mihaona indraindray amin’ny namana mpanao politika. Netsehan’ity fifidianana ity koa angamba ny hambom-po ka taitra! Hanan-kambara ity antoko ity anio etsy Ambohidahy. Na inona ho resahany ao na ho inona, dia azo antoka fa ho tafiditra ny resaka politika. Handrotsaka kandida sa hanohana? Mbola ao anatin’ny teny fanevany hoe « Tsy lahatra akory ny fahantrana » no iainan’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao, izany hoe mbola hanana ny lanjany io teny filamatra io satria tratry ny fahantrana tsy avy amin’ny lahatra ny vahoaka malagasy. Marihana moa fa ny antoko « Grady Iloafo » dia efa nanolotra an’atoa Rabetsitonta Tovonanahary ho kandida filohan’ny repoblika.
Amin’ity fihaonana anio ity koa no iandrasana izay hevitry ny antoko amin’ny fisian’ny fiantsoan’ny fanjakana azy ireo ho eny Iavoloha amin’ny faha 29 Martsa.
Hery A. Madagascar Tribune
3. Fiffi
(
26/05/2006 06:55)
Indreny fa niseho avokoa ireo antoko politika efa noheverina fa tsy nisy intsonyhummmm !! tahaka an'io Grady Iloafo io ????
Tsy fanina amin’izany anefa ny vahoaka fa efa mahalala ny tokony hataony. Ho fantany miandalana eny ny hafetsen’ireny antoko politika ireny. Azo antoka mantsy fa fitadiavam-bola no anisan’ny mampihetsika ireny antoko politika ireny izay miharihary sy tsy takona afenina.hummm !! misy mitady ny hameno ny paosiny indray an! io hiany ve no tokony ho tanjona eh ???
4. sareraka
(
26/05/2006 12:46)
Tara ihany ianao raha izao vao nahita fa sempotry ny rivotra pôlitika ny tanàna....
Manakaiky ny fifidianana e normaly izany maro no te hijapy train faramparany
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY E !!!!
Manakaiky ny fifidianana e normaly izany maro no te hijapy train faramparany
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY E !!!!
5. Fiffi
(
27/05/2006 05:45)
ka normal koh raha sempotry ny rivotra politika ny tanàna satria tsy ho ela ny fifidianana , na firenena aiza na firenena aiza manao an'izao daholo , tsy Madagasikara irery no hahitana an'izany ! zany no hatao hoe politika !
KA INONA NO TSY MARINA AMIN'IZANY ?
KA INONA NO TSY MARINA AMIN'IZANY ?
