critical thinking
22. soanja
(
27/05/2006 01:41)
Rainikarabo:
za tsy nianatra tsianjery hatrizay nianarako (SFF, SAFF, SAFM, Akatso). Mety ho miankina amin'ilay mampianatra angamba io zavatra resahinareo io.
Mety diso angamba ny fanazavako azy hoe " Tsianjery" satria ny tiako resahina eto dia ny hoe na mianatra par coeur ianao na manana tadidy tsara dia tsy voatery hianatra tsianjery fa ny fivoakany rehefa any ampianarana dia tsy maintsy ilay ao anaty lesona no averinao na amin'ny fomba ahoana no amoahana azy. Ny fomba fianatra koa mantsy misy isan-karazany: ao ny mijery dia mahatadidy ohatra toy ny ahy dia tadidiko mbaminy fipetrapetrak'ilay lesona zany hoe ny soratra ao anaty cahier, ao ny mihaino dia mahatadidy izay no mahatonga ny sasany tsy maintsy mamaky vao mahatadidy satria henony ny lesona, ao ireo izay manao izy roa miaraka, ary ao ny tena tsy maintsy haverina hadika mihitsy satria mila tazomin'ny tanana koa ilay lesona vao hay na mamita azy amin'ny alalan'ny materiel.
Fa ny esprit critique dia hafa mihitsy raha ohatra ka milaza ilay mpampianatra hoe manga ny lanitra androany dia mamaly ianao hoe mena no fahitako an'io miaraka amin'ny fikarohana nataonao hanamafisana azy fa mena. Ity fanentanana ankizy madinika amin'ny fikarohana ity no tsy hitako tany e.
Tsy mino aho fa nisy an'io fomba fampianarana io raha tany amin'ny SFF. Amin'izao angamba efa misy satria misy ny fivoarana ary tsy anjakan'ny Frantsay intsony ny kianja fanangonam-pahaizana any Madagasikara.
23. Fiffi
(
27/05/2006 05:49)
tsy dia hitako loatra ry zareo zay hanaovana tsianjery maimbo ny lesona satria io dia lasa mitatatata fotsiny eo , nera raha hasaina hanaovana pratika de tsy ho tafavoaka akory! tsy aleo ve tonga dia ny fanazavana arahin'ny pratika no hatao mba miditra kokoa ao an-tsaina ?
24. MTN
(
29/05/2006 14:05)
Izaho tsy nanao SFF fa ilay mandoa vola. Fa na dia izany aza ny boky nampiasainay dia nitovy ihany. Vao T 2 izahay dia namaky ny "Tantelin-jaza" ... Dia misy tantaran'i Bado sns tao. Dia notenenina tsara mihitsy hoe tsy nety ny nataon'i Bado satria nahoana. Tena miankina amin'ny mpampianatra marina angamnba io. Tsy haiko aloha ny momba ny "A toi de parler" eh.
25. Fiffi
(
30/05/2006 03:13)
raha mba ny recitation no hay tsara hatao tsianjery , nahazo noty tsara ery an! :-D:-D:-D
26. tisera
(
31/05/2006 16:03)
Ilay fomba fampianarana sy fitaizana mihitsy hatry ny fahazaza dia samihafa be ny any Dago sy ny aty Eoropa ( tsy haiko ny any amarika) : ny ankizy kely aty efa CP vao tena hoe manoratra sy mamaky teny fa ny any Dago lasa aloha be @ io saingy tena fenoina zavatra be loatra ny sain'ny ankizy kely mpianatra any dago fa tsy dia ampianarina lojika loatra ny any . Ohatra izao vao maternelle petite section ny any dia asaina manisa manao tsianjery h@ 20 ; ny aty na ny 1 aza mbola exercice sy pratique isan-karazany @ alalan'ny kisarisary mba hahazoan'ilay zaza hoe : izao ny 1. Raha mifameno no tena tsara angamba hoy aho : nitondra ireny les incollables ireny aho tany Dago fa sahirana ihany lé ankizy efa 7taona manao ireo exercices -n'ny 5ans satria lojika no betsaka...
Dé angamba koa ilay zatra tapenam-bava ny zaza gasy dé tsy zatra maneho hevitra sy manakina : jereo ange fa taloha raha misy zaza mitomany indrindra raha tao dago foana ny ray sy renin'io zaza io dia tsy maintsy izao no azon'io zaza io hoe : "marenina , mangina "; kanefa raha aty eoropa io na zana-bazaha dia mbola hanontaniana aloa hoe : inona no mampitomany anao ? Na nahoana ianao no mitomany : izany hoe asaina milaza ny heviny é!
Lasa lava be lé resako fa sao vao mainka miha-sarotra ny fahazoana azy fa avy eo tohizako @ ohatra velona iainako é!
Dé angamba koa ilay zatra tapenam-bava ny zaza gasy dé tsy zatra maneho hevitra sy manakina : jereo ange fa taloha raha misy zaza mitomany indrindra raha tao dago foana ny ray sy renin'io zaza io dia tsy maintsy izao no azon'io zaza io hoe : "marenina , mangina "; kanefa raha aty eoropa io na zana-bazaha dia mbola hanontaniana aloa hoe : inona no mampitomany anao ? Na nahoana ianao no mitomany : izany hoe asaina milaza ny heviny é!
Lasa lava be lé resako fa sao vao mainka miha-sarotra ny fahazoana azy fa avy eo tohizako @ ohatra velona iainako é!
27. Fiffi
(
31/05/2006 18:18)
tisera: tena marina mihintsy ny anao an! anjekaky ooo :{:{:{ nahoana tokoa moa ny zaza raha vao mitomany de treromina hatao hoe "mangina sns ... ? de manjary misy fihetraikany aty aoriana mihintsy io an!
28. tisera
(
01/06/2006 07:04)
ny ao antananarivo no tena tsy manome alalana ny ankizy kzly hiteny io : izaho moa zany sady zanan'i tana no notezaina tao tàna fa fony kely rà vao misy vahiny dia tsy mahazo miteny fa mihaino mangina fa resak'olon-dehibe na asaina mivoaka sns... ny tany am-pianarana indray dia lesona be tsy dia mampivelatra izany mahatonga ny tena hanan-tsaina tia karokarokfa
29. tisera
(
01/06/2006 07:14)
Fa ny fitadidiana koa aloha tena miasa é! Fa eo @ ilay culture générale no dia tena grave é!Izaho aloha @io dia aoka hotsorina fa tena bado be mihitsy fa rehefa mivoaka ny tena vao gaga hoe hay ve na tsy nianarana tany am-pianarana azy iry sy itsy dia tokony ho hay sy ho fantatra : possible mihitsy ankizy major any @ fac any Dago fa raha vao mivoaka iny domaine nianarany iny izy dia sady tsy manan-kevitra holazaina no fanina tanteraka satria tsy hainy , tsy mahaliana azy akory aza . Izaho sy ny zanako dimy taona izao mila hitovy ny fahaizanay ny géographie -n'ny lafrantsa : izy mijery sy mihaino meteo eo @ télé dia voarainy sahady ho : à l'est izao , à l'ouest izao ets... ; ny an'i M/car izany moa dia ééé zay nianarana tany am-pianarana ihany no mba haiko ; izao ny tena vao mba mianatra mijery carte sns... ny ankizy aty vao maternelle dia asaina mijery lalana labyrinthe ireny hahaizana mijery cate rehefa miha-lehibe. sns,sns.... Rà mifameno no tena tsara. Hatreo indray aloha!
31. toovs
(
08/06/2006 16:28)
soanja:
Maninona isika any Madagasikara tsy mba nampianariny an'ilay "critical thinking" rehefa mianatra fa toa lesona par coeur fotsiny nefa tsy ilaina ilay izy rehefa tonga aty an-dafy, fa raha vao ilay nomen'ny mpampianatra anao no averinao aminy aty tonga dia zero boribory no azonao. Filozofia ihany no mba tadidiko nanaovako an'izany tany Dago. Tsy mba voan'izany ve ianareo taty tamin'ny nianatra taty. Efa voa imbediabe aho vao nahazo ilay fomba fanaovana devoara hoe mikaroka mikaroka hatrany fa aza mampiasa ny efa nomena.
ny azao lazaina amin'io de système frantsay no tena narahintsika fa tsy anglisy. Na ny terme ary ange tsisy handikana azy loatra amin'ny teny frantsay e. Ngah tsy hainao fa ny frantsay no tena tompondakan'ny fandraisana an-tsoratra sy ny famerenanana azy rehetra amin'ny mpampianatra. tsy haiko aloha fa mpampianatra metisy espaniola sy anglisy nefa miasa any frantsa no mpiteny an'io hono e. ""les français sont les champions de grater et de recracher "