ANTANANARIVO no tsara trano ......

1. OLPolonaleopolitika ( 25/05/2006 19:27)
ANTANANARIVO no tsara trano ka..
http://www.madanight.com/madagascar-photo-25987.htm

IVAKINIADIANA no sola vantony
http://www.madanight.com/madagascar-photo-17553.htm

atao ahoana e
zanako ô ! matokisa mba minoa mbola ho avy ny anjaranao !...hoy ilay mpanakanto izay
2. fijo ( 25/05/2006 19:34)
fa ireo ve vao izao fitondrana izao no toa io sa?????
3. Fiffi ( 26/05/2006 03:30)
na firenena aiza na firenena aiza , aiza no tsy hahitana an'izao ? sa ve andeha tongotra ny filoham-pirenena ? Firenena aiza no tsy misy ny ankizin'ny orphelinat ?
Fa nga vao zao vao nisy izao zavatra zao ? sa ?????
4. prime ( 26/05/2006 07:25)
Ohatry ny tsy azoko loatra ny tian'i OLP ambara.
Elanelana eo @ mpanana sy ny mahantra v no andraisana ilay lohahevitra? sa fanitsakitsahana ny tsy manana ny fanehoana asa vita? sa nahakamboty ireo zaza ireo ny fahavitan'ny lalana? sa fialonana fotsiny izao? tsy ny fahavitan'ny lalana toy ireny ange no nahakamboty an'ireo zaza ireo e??? asa aloha fa sao dia Andriamanitra no tsara anaovanao fanamarihana???
Etsy ankilany, marina ireo fanamarihan'i fiffi sy fijo ireo. Sady ilay sary faharoa anie sary mbola maneho ny asa soa nataon'ireo fikambanan'ny tontolon'ny manequinnat eto amintsika e! mbola tsara koa izany amiko satria ts ra8 ihany no miasa fa mbola misy olona tsara sitrapo mahatsiaro ny mpiray tanindrazana ihany zany.
5. Fiffi ( 26/05/2006 11:07)
tena tsy arako marina mafy :-D:-D:-D ka Antananarivo no renivohitra ka tsy norma ve raha ao no hahitana ny fiara mpitondra ny filoha ? Any ambanivohitra koa manko mba misy trano tsara an!
6. sareraka ( 26/05/2006 12:48)
Mazàva be ny tiany ho tenenina e! hatao tohatra fiakarana lava izao ny mahantra ....
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY ...
7. prime ( 26/05/2006 13:23)
Dia diniho ary ny fiakarany e!!!:-D:-D:-D:-D
8. Rainikarabo ( 26/05/2006 15:23)
fijo:

fa ireo ve vao izao fitondrana izao no toa io sa?????


tsara fipetraka ilay fanontaniana=D=D
9. Achia ( 26/05/2006 19:04)
eeeeh maneke ry zalahy ny fahefana misy a harary fo fotsiny eo nareo refa mbola manana hivelomana de ataovy ze hitomboany fa ra hitsiriritra ny harenan'ny sasany fotsiny eo a lasa adala eo no farany kozy nge zany e
10. fijo ( 26/05/2006 19:20)
sareraka,"atao tohatra fiakarana"?????tadidio,fa na aiza enao na aiza,ny vahoaka no mifidy.ny mpitondra koa dia mila asiana haja.fa tsy hitaingina sarety.
samy manana ny adidy tandrify azy ireo,ny mpitondra natao hiezaka hanatsara ny fiainana'ny olona,ny vahoaka natao hiezaka hanasoa ny fireneny.
ka tsy azoko le hoe atao tohatra fiakarana.
tsoriko,fa za dia tsy tia an dratsiraka mihintsy.fa za dia nifamaly tamin'ny vazaha foana rehefa manaratsy azy izy ireo,satria izy aloha no filoha tao mada,ka dia izy no nisolo tena antsika;
11. Fiffi ( 27/05/2006 07:51)
hasiana haja fa tsy hitaingina sarety !!! marina zany ry fijo an! io kosa ve de tsy takatr'i Sareraka ? :wink:
12. tangalamaitso ( 29/05/2006 05:04)
Izaho koa aloha tsy mahazo ny tian'i OLP ambara @ ilay lohahevitra e! Mody miafina ao anatin'ilay hoe olonaleopolitika fotsiny ianao, nefa ianao mihitsy no manao politika. Tia manao resaka ambadika tsy fantatra marina izay tiana holazaina i OLP. Mba ataovy mazava moa ilay lohahevitra dia mba mahafinaritra ny adi-hevitra e! Sa ahoana ?
13. marozevo ( 29/05/2006 19:53)
Tsara ilay tolotra ady hevitra, saingy tsy mifandraika amin'ilay lohahevitra ny sary "jerena eto", satria raha ilay loha hevitra no jerena dia izao : Arakaraka ny nahatsara ny trano ao Antananarivo no nahasola vatony ny any Vakiniadiana, satria niloloha ny hazo hanaovana trano any Tanà ireo olona (io no version voalohany fa misy hafa koa).
Ity eto amin'ny jerena eto anefa dia toa asa fampandrosoana ataon'ilay voalohany ilay faharoa : Orphelinat = Iza aloha no mitantana io orphelinat io, ary tsy misy zavatra ataon-ny fanjakana ho azy io ve ?

na izany na tsy izany, dia tsy io ihany akory no hitsarana ny zavatra tsy vita hatramin'ny 1975-2001 sy ny zavatra vita 2002-2006.
raha tsy hoe hinia mikimpy angaha... resaka hafa indray io.
14. tangalamaitso ( 30/05/2006 11:57)
Aleo mihitsy i OLP no manazava ny tiany ambara e! avy eo mba manome ny fijeriko aho.
15. marozevo ( 30/05/2006 12:43)
Raha jerena ny taonan'ireo tanora sy zaza ao amin'ilay "jerena eto" atolotr'i Palestina ao ambony ao... Mety ho firy taona re ireo zaza ireo eh ? Za siora fa mihoatra ny dimy taona ireo. Sa lasa nahantra sy kamboty tampoka teo rehefa tonga ny taona 2001/2002, fa talohan'izay ve nanan-karena be?
16. tangalamaitso ( 31/05/2006 04:25)
tsy mety tafiditra @ ity lohahevitra iray ity mihitsy aho e!!!!!!! Samy mampiteny ilay sary fotsiny ve no atao sa ...? Mba ampio aho re olona fa very a!
17. prime ( 31/05/2006 04:34)
Izaho mahita fa tena tsy mifandraika mihitsy @ilay lohahevitra ilay sary. samy manana ny fomba fijeriny moa...
Averiko indray, raha jerena tsara io sary misy zaza kamboty io an, dia sary t@ fotoana nanaovana agence de manequinnat iray fanomezana ho an'ny zaza kamboty teny @ faritra Ampefiloha sy 67ha teny. Ka eo am-piandrasana ny fizaràna izy ireo nalaina sary ireo. Ka moa ve tsy tsara izany e, misy mandray andraikitra manome sy mizara ary miasa, manao asa soa eto fa tsy dia misehoseho loatra mantsy... Raha tsy hiteny fotsiny aho ny asa ataon'ny kongregasiôna katolika sy protestanta isankarazany ho an'ny zaza kamboty sy mahantra, ankoatr'ireo fikambanana iraisam-pirenena... sy malala-tanana maro... mba tandremo lehiretsy ny sary avoaka sao ahitàna angano a!
18. marozevo ( 03/06/2006 22:00)
zany ne ho'aho no efa nolazaina tamin'i OLP fa izy ve hihaino anao eo eh ...
19. Fiffi ( 04/06/2006 06:09)
efa hatramin'ny voalohany no tsy nisy nidiran'ny le sary mihintsy ny sujet nalefan'i OLPolonaleopolitika de efa fantany zany satria io aza izy tsy nipohitra intsony !!
20. jajaf401 ( 04/06/2006 06:56)
Tsara fotsiny mba nipoitra na ny sary na ny hevitry ny tsi-1 fa zava-dehibe loatra ny fahafantaran'ny rehetra ny zava-misy.
Fa mba ho tompon'andraikitra kosa izay afaka hanarina izay tsy fitoviana zay eh, ny 100% lavitra fa ny elimination kosa mba adidin'ny tompon'andraikitra voalohany eh, ary ny amizao no tokony hanao refa tsy nahavita ny taloha na tsy nanao aza!
eoah! :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.064