ny zava-dehibe indrindra ho an'ny olombelona

1. rabeflorian ( 23/05/2006 12:25)
Maro isika no tsy mahalala na koa mety ho diso hevitra eo amin'izay zavatra tokony han-danja indrindra eo amin'ny fiainantsika.Indraindray dia variana amin'ny ady hevitra tsy misy vokany ka samy miziriziry amin'ny heviny ny tsirairay nefa tsy mitondra vokatsoa ho azy izany.Ny tiako ahatongavana dia izao: rehefa mandeha amin'ny heviny sy ny sitrapony isika dia mitondra ho any amin'ny fahaverezana izany, fa raha manaiky ho tarihin'Andriamanitra isika dia ho entiny amin'ny lalan'ny fahamarinany sy ho any @ ny fiainana mandrakizay. Andeha hazavaina @ ohatra izany:
- Hevero hoe olona tsy mahalala na inona na inona isika no apetraka amin'ireny building vaovao be sy avo be ireny; may anefa io trano be io ary tsy mahita lalana hivohahana isika satria maizina be ao anaty trano nefa betsaka koa ny miantso hoe aty na eaty lalana mba hamitahana antsika; dia mivezivezy ao anatin'ilay trano be isika mila ho may indraindray; @ fotoana hafa mba milamina fa lasa lavitra ny afo; ny fantatra anefa dia tsy maintsy ho may tanteraka ilay trano ary amin'izay dia tsy misy afaka hivoaka intsony.Tao anatin'izay no nisy lehilahy iray zanaky ny tompon-trano niteny fa afaka mitondra any @ lalana fivoahana izay ary afaka manome akanjo aro-afo sy rivotra madio mba tsy ho sempotry ny setroka ary izy koa dia afaka manome hazavana hahitana ny lalana.Koa miantso ny rehetra izy hanaraka azy dia samy ho velona avokoa.Nisy nanohitra izy anefa ary novonoina fa hoe mpandainga, dia maty izy nefa nohon'ny afaka kelikely dia velona indray ary lasa nivoaka nakany amin'ny tompon-trano. Izao no hafatra napetrany:"ianareo izay matoky ahy dia manaraha ahy nefa mialoha izany ilazao ny rehetra fa efa omena famonjena avokoa izy ireo fa mila matoky sy mino ny teniko ary manaraka ny lalako dia samy ho tafavoaka ity trano ity avokoa, fa izay tsy manaiky izany dia hijaly ato mandrakizay. Rehafa tapitra mandre izany ny rehetra dia ho avy aho hamoaka sy hamonjy anareo"
Ny zava-dehibe indrindra ho antsika dia ny hahazo ny fiainana mandrakizay; omen'I Kristy maimpoana ho antsika izany fa ny ilaina ho antsika dia ny ho afak'heloka sy ny ny voatsangana ho zanaka'Andriamanitra indray.Azontsika ireo zavatra roa ireo raha mino isika fa efa nanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao Ktisty tamin'ny nanaovana batisa Azy ary efa nefaina teo amin'ny hazo fijaliany ny trosam-pahotantsika dia ny ahy sy ny anao ary ny an'ny olona rehetra; efa resiny ny fahafatesana (Satana) ary efa nitsangana tamin'ny maty Izy.
Ny zava dehibe ho anao izao dia hahafahanao miteny fa efa nofafan'I Kristy ny helokao ray efa tonga zanak'Andriamanitra manana ny fiainana mandrakizay ianao. Moa tianao ho tahak'izany tokoa ve?
novalian'i prime ny 06/06/2006 12:29
2. rurik ( 23/05/2006 13:00)
lava be ko le izy :D
3. Zina ( 23/05/2006 15:11)
Tsara ny hanatrao.
ary oy ianao
Ny zava dehibe ho anao izao dia hahafahanao miteny fa efa nofafan'I Kristy ny helokao ray efa tonga zanak'Andriamanitra manana ny fiainana mandrakizay ianao. Moa tianao ho tahak'izany tokoa ve?

iza moa no tsy hanaiky an'izany, kanefa kosa mbola betsaka ny zavatra tokony ataon-tsika en plus ilay fanekena fa efa nofafan'i Jesosy ny heloka, dia ny mandray an'azy ao am-po ary manaraka izay lazainy ao @ baiboly. Tsy vitan'ny mamaky fa mbola mila mahafantatra tsara izay lazain'ny baiboly koa.
4. Achia ( 24/05/2006 06:24)
fa nga tao @ ilay trano tsisy concierge e ?
5. dadabe ( 24/05/2006 09:32)
lava be de tsy marisika aho namaky:roll:
6. prime ( 24/05/2006 10:02)
Miampy fianam-bavaka koa e!:D
7. rabeflorian ( 24/05/2006 11:29)
Zina:

Tsara ny hanatrao.
ary oy ianao
Ny zava dehibe ho anao izao dia hahafahanao miteny fa efa nofafan'I Kristy ny helokao ary efa tonga zanak'Andriamanitra manana ny fiainana mandrakizay ianao. Moa tianao ho tahak'izany tokoa ve?

iza moa no tsy hanaiky an'izany, kanefa kosa mbola betsaka ny zavatra tokony ataon-tsika en plus ilay fanekena fa efa nofafan'i Jesosy ny heloka, dia ny mandray an'azy ao am-po ary manaraka izay lazainy ao @ baiboly. Tsy vitan'ny mamaky fa mbola mila mahafantatra tsara izay lazain'ny baiboly koa.


Ny marina dia izao: ny olona rehetra ao anatin'ilay trano dia samy mahita ilay "issue de secours" hivoahana tao fa saingy vitsy no mety na sahy na mahalala fa fa raha mandeha amin'io izy dia tsy ho may; ary sasany mahafantatra koa dia mbola lany andro amin'ny kenokenona samihafa ka mety ho tara vao handeha. Ny fanekena fa ho faty sy tsy mahay manàvo-tena isika ary ny finoana fa Kristy efa nanolotra ny tenany ho fanavotana antsika ary manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy antsika izay no lalana idirana eo amin'ilay "issue de secours"; ny ankoatr'izay dia fanefena antsika indray mba handray andraikitra amin'ny famonjena ny hafa mbola tavela ao anatiny mba tsy ho faty koa izy ireo
8. prime ( 24/05/2006 11:43)
Izay ilay fitiavana e! :D
"...Andriamanitra dia fitiavana"
"...Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay"
"Fa izao no tena fitiavana dia ny nanolorany ny ainy mba hamonjy ny sakaizany"
"Izay milaza ho tia an'Andriamanitra nefa mankahala ny rahalahiny dia mpandainga izy"
"Fa izao no didiny... sady tsy mavesatra ny didiny...Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, amin'ny tenanao rehetra, amin'ny sainao rehetra ; dia izao koa, tiava ny rahalahinao tahaka ny tenanao"
9. marozevo ( 24/05/2006 14:42)
Rabeflorian > Ekena ny fanoharana, ary ekena koa ny ezakao handresy lahatra, izay tsy tianao raha ny hafa no manao izany, fa raha ianao no handresy lahatra mety ery !!!
10. Fiffi ( 24/05/2006 17:28)
Dia izao fotsiny no azoko hamaliana azy:

Jehovah no Mpiandry ahy, Tsy hanan-java-mahory aho, Mampandry ahy amin' ny ahi-maitso Izy; Mitondra ahy eo amoron' ny rano fialantsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy; Mitarika ahy amin' ny làlan' ny fahama-rinana noho ny anarany Izy. Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, Dia tsy hatahotra ny loza aho; Fa Hianao no amiko; Ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason' ny fahavaloko Hianao; Manosotra diloilo ny lohako Hianao; Ny kapoakako feno dia feno. Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin' ny andro rehetra hiainako, Dia hitoetra ao an-tranon' i Jehovah andro lava aho.
11. Fiffi ( 24/05/2006 17:31)
Fiffi:
Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, Dia tsy hatahotra ny loza aho; Fa Hianao no amiko.



12. LazaRandri ( 25/05/2006 01:21)
ny zava-dehibe indrindra ho an'ny olombelona
:arrow: ANDRIAMANITRA
13. marozevo ( 25/05/2006 07:03)
Fiainana mandrakizay
14. prime ( 26/05/2006 13:00)
15. marozevo ( 26/05/2006 20:45)
Inona ny an'i prime ?
16. Fiffi ( 27/05/2006 08:10)
Ny finoana
17. prime ( 31/05/2006 03:32)
Mitovy hevitra @ marozevo aho kah!
Ny fiainana mandrakizay, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy.
18. Fiffi ( 01/06/2006 07:31)
Amen
19. prime ( 01/06/2006 08:59)
Aza dia tia mizatra fanoharana loatra rabeflorian fa hanahirana anao io indray andro ihany... Dia aza mitompo teny fantatra koa hoe "ny marina dia izao", satria Jesosy ihany no toa hitako sahy nanao hoe : "lazaiko aminareo marina dia marina tokoa...".
Adihevitra mantsy ny antsika eto ka samy mba manana ny azy sy ny heviny sy ny finoany tsy misy anki-tery izany...
20. Fiffi ( 04/06/2006 09:40)
marina izany an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2604