Mahay vava ingahy SARKO erak\'i AFRIKA....

1. victime101 ( 23/05/2006 09:12)
Manao fitsidihana firenena afrikanina maro ingahy NICOLAS SARKOZY ohatra: MALI, NIGER, BENIN..
Lany tao @ assemblée moa ny atao hoe immigration choisie zany hoe ireo élites ihany no tokony hiditra ao FRANCE .
Loha laharana ohatra ny maliens 200.000 clandestins .Teny avoakan\'ireo afrikanina matetika moa dia hoe:\"la FRANCE sur le passé colonial a pillé l\'Afrique .\" izany hoe nandroba an\'i AFRIKA ny frantsay nandritra ny fanjanahana ,marina io...et maintenant la FRANCE va piller aussi nos élites...izany hoe ireo izay mahery afikanina koa mbola ho alain\'ny frantsay indray...i AFRIKA izay efa azo lazaina fa marefo @ lafiny rehetra

Ny valin-tenin\'ingahy SARKO moa tsotra fotsiny:\"aujourd\'hui,notre pays n\'a pas besoin économiquement de l\'Afrique!\" mazava amintsika angamba io teniny io....

Ny fanontaniana mipetraka dia mbà mieritreritra ve ingahy SARKO alohan\'ny hitenitenenany foana?
firifiry moa ireo clandestins izany manao ny asa mafy rehetra ao FRANCE ao izay tsy ho vitan\'ny vazaha mihintsy,firifiry ireo afrikanina sy arabo izay raha tsy misy azy ireo tsy ho vita ny bâtiments sy ny infrastructures routiéres? izay asa tsy ho ataon\'ny frantsay mihintsy...

Ka raha mbà mi-boycoter ny algérianina sy ny angolais izay manana pétrole ary ambakain\'ny frantsay tokoa ,toy izany koa raha tsy misy mety mividy ny fiara frantsay Renault,Peugeot,...na tsy avela miditra aty AFRIKA ny AIR FRANCE faty antoka sahana @ inona moa ny an\'ireo frantsay.

Nefa ry zareo miditra aty AFRIKA manao izay tiany atao? mbà maha lasa saina ihany...
novalian'i fijo ny 23/05/2006 21:30
2. mandrindra ( 23/05/2006 09:19)
tsy mety io tenin'i sarko io satria maro ny orinasa frantsay miasa any afrika.

fa misy zavatra marina kosa nolazainy dia ny hoe ny mpitondra anareo no mampahantra anareo, saingy adinony fa ny akamany sady fahavalony ankehitriny no nametraka ireny olona ireny teo.
3. ravakamalala ( 23/05/2006 10:18)
sahy miteny an izany i "sarko" satria fantany fa tsy hiala aminy velively ny afrikanina, fa tsy sahy hiteny izany kosa amin ny firenena arabo izy satria ny firenena arabo dia miray hina ao ambadiky ny OPEP, ka raha io opep io fotsiny no midongy aminy indray mandeha dia ahita faisana izy.

ka ny tokony ataon ny afrikanina dia ny miray hina ary rehefa misy manao taimbava ohatran izany dia omena ny anjarany!

4. hery ( 23/05/2006 11:44)
Ary ny Afrikana ve mila an'i Frantsa economiquement? Raha mahita alternatives maninona no tsy sahy miteny sy mitsipa-doha?

Efa nolazaiko tany ho any fa manana adidy Lafrantsa handray ny clandestins afrikanina satria mba noraisin'ireo afrikanina ireo koa ny clandestins (colons) frantsay tamin'ny fotoan'androny.
5. lemenakely ( 23/05/2006 12:27)
normal raha miteniteny foana izy satria isan'ny firenena mafàna ireo 40° à l'ombre tsy zakan'ny atidohany hi hi hi ....
6. booboo ( 23/05/2006 13:17)
:-D:-D
7. Fiffi ( 23/05/2006 19:06)
i Sarkondra koh aloha de miteniteny foana foana eh!:-D:-D:-D:-D:-D:-D
8. fijo ( 23/05/2006 21:30)
za aloha tsy hiditra amin'ilay resaka politika,fa ny zavatra misy no jereko.marina tokoa aloha ,fa misy isika vahiny ,dia tena tsy mahay manaja ny fiaraha monina mihintsy.ka mahatonga ireo vazaha iahiahy antsika.
amiko dia samy manana ny adidiny isika.isika vahiny mba mihezaka ny ahay hiaina miaraka amindry zareo(fomba,fahadiovana,fisainana)tsy natao hanadinoina ny maha izy ny tena akory izany.
izy vazaha koa,mba mihezaka ny mandray sy manoro ny vahiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.184