ny fiainam-bavaka

1. LazaRandri ( 23/05/2006 01:10)
Ny vavaka dia resaka atao amin'Andriamanitra. Noho izany tsy ianao irery no miteny ka ilaina koa ny mihaino Azy. Tsy voatery hisy anton-javatra lehibe akory vao mivavaka fa tena ilaina mihitsy ny vavaka na dia zavatra heverinao ho tsy dia important loatra aza. Fanamafisana izany fa miankin-doha TANTERAKA amin'Andriamanitra ianao amin'ny lafi-piainanao rehetra.

"Mivavaha ka aza mitsahatra".
"Ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra." Jakoba 5:16b
novalian'i prime ny 01/06/2006 11:03
2. Fiffi ( 23/05/2006 04:33)
ny fivavahana dia tsy voatery hoe misy toerana natokana ho azy , azo hatao tsara mihintsy ny mivavaka na aiza na aiza , na misy inona na misy inona.
Tsy handrasana koa hoe nisy zavatra niseho na misy fangatahana manokana zay vao hivavaka , ny fivavahana dia hiainana isan'andro .
3. valisoad ( 23/05/2006 05:27)
ny fivavahana dia toy ny sakafo iray tsy maintsy ilain'ny vantana ary resaka hifampiresahana amin'Andtra ,izy no lakilé ahazoana miditra any andanitra.
tsy rehefa misy olana ihany vao mivavaka fa tokony ahatsiaro an'Andrtra mandrakariva isika
Ary ahay misaotra Azy koa rehefa mahazo valim-bavaka fa tsy falifaly fotsiny eo ka hadino ny misaotra
Mahaiza misaotra sy mankasitraka ny tompo na @inona
4. Zina ( 23/05/2006 15:13)
marina zany ry valisoad
5. prime ( 24/05/2006 12:38)
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra!
AMEN ^:^^:^^:^
6. marozevo ( 24/05/2006 14:44)
Ny vavaka koa, ankoatra ireo efa voalaza ireo, dia toy ny sakafo ifampizarana mba samy ho velona izay rehetra mandray anjara amin'io sakafo io.
7. tisera ( 24/05/2006 16:06)
Reehefa mahatsapa ao anaty hoe izay rehetra atao dia atao @ anaran'ny sy ho an'ny Tompo ! Fa zà aloha tena mahatsapa hoe rehefa tsy ampy vavaka na tsy ampy ny tenin'Atra dia ohatra ny tsy ao tsara izany é!
8. marozevo ( 25/05/2006 07:05)
Ny ahy hatramin'izay dia tsy mandeha amin'ny izy ny fiainana raha vao banga ny fiainam-bavaka. Tsapako manko fa malemy dia malemy aho, ary mpanota, ka raha tsy eo ny fahsoavan'Andriamanitra dia reraka foana aho.
9. Fiffi ( 27/05/2006 08:16)
eo @ fiainan'olombelona dia tsy maintsy misy ny fahadinoana ny fivavahana nohon'ny antony samy hafa.
Rehefa nahatsiaro tena nefa hoe " andray !! fa naninona aho no tsy nivavaka t@ iny" ? niondrika sisa no natao , zah aloha io an! niondrika fa naninona ? menatra an'Andriamanitra fa nanana fotoana aho nanaovako izay tiako hatao nefa tsy nahavita nanome fotoana na dia kely monja aza hivavahana . Fangatahana famelana sisa no natao.
10. bellla ( 28/05/2006 17:53)
Mifalia mandrakariva. Mivavaha ka aza mitsahatra
Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'Kristy Jesosy ho anareo.
I Tes. 5: 16-18
11. prime ( 31/05/2006 03:34)
Amen!
12. bellla ( 31/05/2006 17:07)
Izany rehetra izany dia marina tokoa.
13. Fiffi ( 01/06/2006 07:30)
14. prime ( 01/06/2006 09:11)
15. toovs ( 01/06/2006 10:29)
de ahoana ny fomba fijerinareo an'ilay fomba fitenin'ny olona sasany hoe "aza ampidirina am zany ny fivavahana fa fiainana an-davanandro zany". ohatra izao misy olona tenenina fa tsy mety amin'andriamanitra ny homosex. fa izany no helok'i Sôdôma sy gômôra. de mamaly ilay olona hoe aza ampidirina am zany ny fivavahana

16. prime ( 01/06/2006 11:03)
ka ny fivavahana ihany koa no mety ho fiainana andavanandro kooh... dia ny fiainana andavanandro mety ho fivavahana...
Izay fitenin'ny olona sasany izay dia mba mety izay no fahareseny lahatra ka dia azy izany... sa ahoana???:-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2376