Milionera tadiavina maika!
1. soanja
(
21/05/2006 00:29)
Sao mba misy olona manam-bola be farafaharatsiny $1,000,000 na Euro io na Yen fa misy ilana azy maika eto amin'ny sehatra na fantatrareo gasy ihany an. Tena tsy misy sangisangy io fa tena izy. Mba manorata amiko maika azafady o. Tsy izaho akory no mila vola an.
novalian'i soanja ny 22/05/2006 18:07
2. Fanja1
(
21/05/2006 05:28)
@ izao fiainana efa sarotra zao ve de hisy hanome vola fotsiny @ izao? vola hindramina io sa omena hono? na manakarena sy manambola ve aza ve ny olona @ izao fotoana zao de ouzy enao we hisy hanome? asa aloha e:)
7. soanja
(
21/05/2006 12:37)
Fanja1:
@ izao fiainana efa sarotra zao ve de hisy hanome vola fotsiny @ izao? vola hindramina io sa omena hono? na manakarena sy manambola ve aza ve ny olona @ izao fotoana zao de ouzy enao we hisy hanome? asa aloha e:)
Aleo hazavaiko eto indray sao diso ny hevitra narosoko teo; tsy izaho akory no mila vola na hoe hangataka ho ahy na hoe hindrana. Fa raha misy olona manana an'io volabe io dia misy zavatra mba tiako resahina aminy momba an'i Madagasikara. Tombotsoa ho an'ny rehatra. Tsy io volabe io akory no ilaina fa ambihiny kely amin'io no ilaina.
8. soanja
(
21/05/2006 12:38)
dadabe:
:roll::roll: ho any Japan angaha toi ??Aligator!!
Efa tany aho ary tsy mazoto ny hiverina any intsony. Sady tsy any izao no mahamaika fa Madagasikara.
9. Fiffi
(
21/05/2006 13:00)
hummm! te-hahafantatra lalindalana an'io zah na dia tsy hananako aza le vola beeeeee !!
10. soanja
(
22/05/2006 00:53)
Fiffi:
hummm! te-hahafantatra lalindalana an'io zah na dia tsy hananako aza le vola beeeeee !!
Misaotra an'i Fiffi izany nanontany sy liana. Izao ilay izy. Misy tanana 10 any Madagasikara be aretina be mihitsy any Madagasikara. Mbola be noho ireo no misy any fa ireo no notsidihiko. Antony dia tsy misy ny rano fisotro madio fa renirano maloto no sotroin'ny olona. Mampalahelo ny zaza Malagasy be dia be. Tapakevitra aho hanao asa. Tsy misy atakandro. Mba te hitsapa ny alalin'ny rano eto fotsiny aho. Tsy te hilaza an'io amin'ny olona rehetra anefa aho satria samy sahirana amin'ny manahirana azy ny olona araky ny volazan'i Fanja1 saingy misy olona manam-bola be any mipetra-potsiny tsy hitany izay anaovany azy. Ka raha lazaiko an'io izy dia mety hanaiky hanampy ahy. Tsy voatery handalo amiko ny vola fa directe miara miasa amin'ny lehiben'ny tanana any. Efa manana olona afaka manoro izay atao any izahay. Efa betsaka ny vaza te hanampy fa tiako ho Malagasy alo no mandray andraikitra vao mba vaza. Isika no tompom-pery. Ka ahoana iza avy no te hanampy ahy; $2,000 raha be indrindra ny vovon-drano iray, tafiditra ao anatin'io ny etude sns hahavitana azy. Ny ilana Milionera dia henoko hoe mahantra na marary ara-tsaina hono matetika ireo olona manana an'ireo vola be ireo fa tsy hitany izay anaovany ny volany ka sahirana ny sainy. Rehefa mba omena an'izay asa izy dia sitrana. Zavatra novakiako tamin'ny boky fotsiny ny ahy io fa tsy hitako hoe fahamarinan' io resaka io na tsia (ilay hoe aretina) satria izaho mbola tsy Milionera.
11. LazaRandri
(
22/05/2006 02:38)
$2,000 raha be indrindra ny vovon-drano iray, tafiditra ao anatin'io ny etude sns hahavitana azy.
- olona hanao projet ianao ve dia tsy hanazava tsara akory fa hoe sns?????
- ahoana no ahazahoana antoka fa madio ny rano rehefa avy amin'ny vovo no angalana azy????? Tandremo fa ireny no tena atahorana hankarary na ampangotrahina ela be aza satria misy poizina (fa tsy otrikaretina) toy ny heavy metals (metaux lourds) sy DNAPL (Dense Non Aqueous Phase Liquid).
12. xxx
(
22/05/2006 05:26)
Ahitsiko kely fa diso fijery ny bokin'i Soanja fa tsy marary ara-tsaina na mahantra velively ny olona manam-bola amina millions (euros na usd). Vola mba nikirizana sy nahatsemboka ihany io.Ary tadidio fa tsy mipetra-potsiny izany ny vola fa mihodina sy miasa hanasoavana ny tany foana : (hanampiana ny orinasa madinika, ny fikarohana ara-pahasalamana, fikarohana ara-teknolojia ets)saingy mazava ho azy fa izaho tsy manome trondro fa fintana no omeko raha mila.
13. soanja
(
22/05/2006 12:26)
LazaRandri:
$2,000 raha be indrindra ny vovon-drano iray, tafiditra ao anatin'io ny etude sns hahavitana azy.
- olona hanao projet ianao ve dia tsy hanazava tsara akory fa hoe sns?????
- ahoana no ahazahoana antoka fa madio ny rano rehefa avy amin'ny vovo no angalana azy????? Tandremo fa ireny no tena atahorana hankarary na ampangotrahina ela be aza satria misy poizina (fa tsy otrikaretina) toy ny heavy metals (metaux lourds) sy DNAPL (Dense Non Aqueous Phase Liquid).
LazaRandri a, marina ny anao tsy nanazava teto aho satria lany fotoana raha hanazava amin'ny antsipirihany saingy raha manoratra any amiko ianao ka vonona ny hanampy ahy dia hohitanao fa hanome anao ny antsipirihany rehatra aho: projet sns tsy izaho akory no handeha hangady ilay vovo sns fa efa mana tech any efa vonona hanao izay zavatra rehetra hanantanterana azy. Tsy arako na hadio tsy misy pentina ilay vovo atao na tsia satria izaho tsy mahay manao test an'ireo fa sao dia izay ary no ilana anao amin'ity asa ity. Ny ifarimbonantsika no ilaina fa tsy fanomezantsiny. Izay vonona hanampy manoratra manokana any amiko ary ny vola tsy alefa aty amiko fa efa misy fikambanana any efa io no asa ataony. Mpitady mpamatsy vola no asako. Tokony ho mpaopin-drano aza no tena mety raha izaho no mifidy saingy tsy manana ny entimanana an'izany aho. Io vovo io aloha no hatao dia hita eo. Jirama efa sahirana be any Mada. Ny zavadehibe dia mifanampy ary miasa ho an'i Mada.
xxx tsy diso ny hevitrao fa tsy ny mpanambola rehetra dia marary saina daholo. Ary diso aho raha milaza fa marary saina fa hoe angamba tsy sambatra no mety ilazana azy nefa dia io no tanjona ny rehetra ho tonga tamin'io sehatra io.
Hoy i Soeur Theresa mitovy ny aretin'ny mahantra sy mpanakarena MATETIKA dia ilay mahantra ara-panahy. Ilay mahantra dia matetika voakarakara satria tonga dia hitan'ny olona ny manjo azy dia sahirana manao izay azo atao olona hanampy azy ka tafiditra ao anatin'io ny fanetanana azy hamonjy an'i Kristy sns. Fa ny manankarena kosa dia heverin'ny olona hoe efa milamina nefa izy indrindra no tena mijaly. Be safary be za zany fa izao. Raha fintana no omenao, inona izany ilay fintana fa izay avy any aminao ilaina daholo e. Ny vovo anie ka azo amboarina amin'izao fotsiny zany hoe mangady dia maka rano fa noho izy hoe ho ara-pahasalamana dia lasa io volabe io e. Ny vola miodina izany, izay ekeko, dia any Mada sa aty an-dafy. Hatramin'izao aloha ny mpanakarena ao Mada tsy hitako loatra izay vitany raha misy dia olona azo isana amin'ny rantsa-tanana sy tongotra miaraka. Fa raha aty an-dafy dia tsy misy ifandraisana mivantana amin'i Mada ilay volabenao fa mbola miodina be vao mety ho tonga any. Fanontaniana, inona no azonao atao ho an'ny firenenao? fa mahantra ny any ary mila ny fanampianao na ara-pahaizana io na ara-bola na ara-javatra hafa.
14. xxx
(
22/05/2006 17:36)
Soanaja>Nanao zavatra aho tany Mada fa tsy voatery ho dradraina sy atao an-gazety daholo akory ny zava-drehetra, izay no tsy hahitanareo azy satria be loatra ny fijaliana sy fahantrana ao Madagasikara. Nanao resaka rano ohatran'io ataonao io koa izahay ary vita soa aman-tsara, ny fepetra napetraky ny fanjakana tamin'izany dia tsy azo ampidirina an-trano io rano io (na dia any @ dezaka be tsy fantatry ny Jirama aza no misy an'ilay tanàna),dia efa vita moa izy io, manana paompy isaky ny boriborin-tany ny fokonolona, efa taona vitsivitsy izay, fa tsy misy olona mahazo misarika hiditra any an-tranony, fepetra nanekena ny asa natao io.Dia mbola mitohy mantsaka sy mitatitra rano ihany ny kilonga fa mba miova amin'ilay maka any an-tsaha fotsiny .Ka mazotoa e!
15. soanja
(
22/05/2006 18:07)
xxx:

XXX faly be aho raha nahavita zavatra any ianao. Ary misaotra anao i Madagasikara. Tsy ho anao irery anefa no niatefan'ny resako fa indrindra ireo izay mbola tsy mahafantatra fa betsaka ny azo atao any ary tsy voatery misy ifandraisany amiko akory na ny vovon-drano. Fanentanana ny ahy fa tsy fidradradrana sanatria. Ny antony nanoratako an'io titre io dia satria nisy olona 2 nanoratra tany amiko dia nanontany hoe manambola izy saingy tsy fantany hoe aiza no hanaovan-javatra sao lanilanin'olona fotsiny ny volany ary mandeha any ampaosin'ny hafa. Hatramin'io dia tongasaina aho hoe mila manentana aho izany fa mbola betska ny olona tahak'izay any ho any fa mila tosika kely fotsiny. Na izany na tsy izany, Misaotra xxx tsy fantatra anarana a. :-*:-*:-*