Fanasana avy amin' ny FPMA USA

1. hery ( 20/05/2006 16:49)
Fanasana voaray izay hitanareo ao amin'ny
http://lisitra.serasera.org/content/view/25/55/
Ny FPMA eto USA dia faly manasa ny be sy ny maro izay te-handray
anjara amin' ny lasim-pianakaviana izay atao eto Boston Massachussetts
ny
24 jolay 2006 ka hatrmin' ny 30 jolay 2006.
Toerana:
Gordon College
255, Grapevine Road
Wenham Massachussetts 01984-1899
USA

Fialan-tsasatra
Fifalian' ny fo sy ny saina
Fahafinaretana aram-panahy no miandry anao mandritra ireo fotoana ireo.
Hisy ny:

fianarana soratra masina sy fiaraha mivavaka tarihin' ireo mpitondra
fivavahana avy any Frantsa sy Madagasikara
Fampisehoana an-tsehatra, amin' ny teny vahiny
Lalao sy hirahira ho an' ny ankizy sy ny lehibe
Fijerena ny tanana sy famangiana ny toerana manan-tantara
isan-karazany eto Boston sy ny manodidina.
Saran-dasy sy fisoratana anarana alohan'ny 30 Jona 2006
Ho an' ny lehibe:
- $50 fisoratana anarana
- $312 saran-dasy, fatoriana, miaraka amin' ny sakafo maraina
an-toandro,ary hariva.
Ho an'ny ankizy 3 ka hatramin'ny 18 taona:
- $35 fisoratana anarana
- $250 saran-dasy, fatoriana, miaraka amin' ny sakafo maraina
atoandro, ary hariva.
Ireo izay any ivelan' ny USA dia afaka mandrotsaka mivantana (wire
transfert, fee $15) ny vola fisoratana anarana amin' ity adiresy
manaraka ity:
FPMA USA
Account Number: 004600354767
Routing Number: 011000138
Bank of America
81 Elm Stree, Danvers, MA 01923
USA

Ny avy eto USA sy Canada kosa dia afaka mandefa ny fisoratana anarana
amin' io adiresy ny banky eo ambony io, na koa mandefa ny cheque amin'
ity adiresy manaraka ity:
FPMA USA
Po BOX: 465
Danvers, MA 01923
Ireo izay tsy maintsy manao VISA kosa, dia aoka hametraka ny taratasy
fangatahana VISA any amin' ny Ambassade Americaine dieny izao, izay
mila certificat d' hebergement dia tsy maintsy mandefa ny saram- bola
fisoratana anarana sy antsasaky ny saran-dasy alohan' ny 22 Jona 2006.
Ny certificat d' hebergement dia ho faxer- ny tompon' andraikitra eto
an-toerana mivantana any amin' ny Ambassade Americaine any amin' ny
toerana misy ny tsirairay, raha vao voaray ny momba azy rehetra.


Ny saran-dasy rehetra dia tsy maintsy voaloha alohan' ny 14 Jolay 2006.
Ny mpandray anjara rehetra dia tsy maintsy tonga eo an-toerana ny 24
Jolay 2006 alohan' ny 6ora hariva. Ny program dia alefa aminao miaraka
amin' ny taratasy fanamarihana ny nandoavanao ny saram-bola fisoratana
anarana sy ny fandraisanao anjara.


Raha misy fanotaniana dia antsoy:
Miss. A. Lovely-Fairchild na Mrs. S. Rasolondraibe
tel: (978) 390-2047 tel: (978) 390- 2093
Email:alovelyfairchild@yahoo.com Email: Slondraibe@yahoo.com


--------------------------------------------------------------------------------------------------
Fisoratana Anarana sy Fandraisana Anjara dia azonareo jerena ao
amin'ny takelaka eto ambany
http://lisitra.serasera.org/content/view/25/55/
novalian'i onjah ny 22/05/2006 11:19
2. Fiffi ( 20/05/2006 20:42)
hery: misaotra anao :) :( lavitra loatra!
3. onjah ( 22/05/2006 11:19)
hery:

tel: (978) 390-2047 tel: (978) 390- 2093


Ahoana izany nomero misy smile izany 8)


:lol:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4583