taxi be

1. arson ( 18/05/2006 11:10)
Mba mahagaga ahy mihintsy re olona ny taxi-be indrindra mo ireo 119 izay zotra mankany Ankatso.
Indray ny frais 200 indray 300.tsy fantatrao intsony ze marina e!
sady @izay oa zao ko ny seza ao anatin'izy reny matetika de efa tsizy tsony e!fa anarany fotsiny sisa ny fitombenana no mipetraka aiza ko ilay seza efa potika tanteraka!
Aiza ko omaly zany aho nitaingina efa saika hifanoroka @ eo akaikiko mihintsy,satria mantsy de mitongilana be mihintsy ilay seza.
Fa nga de tsisy vola mintsy ary anavaozana kely azy ireny.Nefa samy taxi-be izao ihany anie de ny sasany tsara ny sasany mifanohitra @io e!
zay le mahavo antsika gasy mihitsy,zavatra kely tokony hasoavina de tsy hita fa varina @ fitadiavana?
AOKA ATAOKO ANIZAY ANGAMBA!
(nefa anie reto ny versement @iny eo2 ihany e!hitako @ le tompona fiaram-pitaterana ireny mantsy zany)
TENA HENJANA ZANY!!!!!!!
NB:na taxi ville aza manao toy zany indray2
novalian'i dailynews ny 20/09/2006 17:52
2. xxx ( 18/05/2006 14:01)
io resaka taxi -be io dia mandreraka tokoa fa misy dia manàja tokoa ny mpanjifa isan'izany ny 194 izay eo ANDRANOMENA jusqu'à MAUSOLE mahafinaritra ny ataon'io zotra io .
Fa ny 133 iray ka ny 119 dia record @ tsy fanajàna ny mpandeha seza volamena etsy fikitakitàna ny mpandeha eroa etc...
3. Zina ( 18/05/2006 18:00)
Tena efa lasa fitiavan-tena be ny an'ilay tompon'ny tomobila..Tsy mba mijery ny mahasoa an'ny vahoka...Mbola ho avy ny androny rehefa tsy hisy olona hiditra ao anatin'ny dabany intsony dia zay vo ho taitra e.
4. xxx ( 19/05/2006 05:42)
Ny marina aloha dia samy tsy manaja olona daholo ny taxi be rehetra, satria ny teny hevitra ijoroany hoe "transporteur" amiko dia ny mpanjifa no andrianina fa tsy ny "Patron" mazava angamba aloha ny eo, fa na io 194 resahana fa manaja olona io aza mbola vao @ 6 ora hariva dia tsy misy mety ho any andranomena intsony fa mody daholo raha vao mba manontany ianao dia izao no valiteny azo "bedin'ny patron izahay raha alina be" nefa ny olona tsy voatatitra akory ka aza gaga raha mahita vonoan'olona foana @ gazety satri tsy maintsy mody ny olona na dia mandeha tongotra aza. Koa ny toe-tsain'ny patron aloha no tokony ovaina na ny lalàna mifehy ny fitaterana no mba ovaina kely mba hisian'ny fandaminana fa tena mijaly ny olona taraiky @ alina.
5. booboo ( 19/05/2006 06:18)
ié !!!
6. petiterose ( 19/05/2006 06:48)
Ary ahoana ny hevitrareo amin'ireny taxiB na taxi maka lasantsy nefa feno mpandeha ireny?
7. arson ( 19/05/2006 07:35)
tena gravy mihintsy,araka ny mahamaika anao ody vao maka lasantsy izy.@ fotoana tokony hakana tsy mameno lasantsy r'zalah.Loza izany marina mafyyyyy!sady @io misy soratra mazava be eny @ tobin-dasantsy ey hoe:MBA VONOY NY MOTERA ny an-dry zareo vao maika halefany.AZA TRATRAN'NY PATSA IRAY TSY OMBY VAVA IHANY FA ZAY VAO DOMY AHO RANOTRA!
8. heriman ( 03/07/2006 08:10)
slt ; ny momba io indray dia tsoriko aloa fa tokony hiala ao @ kôperativa izy rehefa tsy mahatanty ny fahefa-mividy ny vahoaka madinika e!
9. VIRGINIE ( 01/09/2006 12:28)
Slt,nareo to mamely ny Taxibe dolo,tsy hoe tokony hiala ao amin'ny kaoperativa ve?sao dia mba lafo loatra kosa ny vidin'ny seza fa mbola vo manangona e!na mety lany @ vidin'ny motera ny vola,aleo ihany aloha izy hiasa na ratsy aza ,fa hoatranay raha tsy misy an'ireny dia matin'ny jiolahy aty ambany ala aty raha sendra alina,tsy ho soloiny ihany ve rehefa tena mianjera tanteraka .
10. fiderana ( 14/09/2006 08:33)
Ngaha izany fotsiny ry ireto â! ilay resevera, misy fofona hafahafa, manginy fotsiny, manadino mamerina famerim-bola , ka raha tsy mitaky ianao dia eo no raisina, hodiny fanina fotsiny , mba efa tratra ny tenanay tamin'izay, rehefa mba manana 5.000 ar, ka dozy kely aleho mandeha taxi, satria mitovy ihany, raha tsy mahazo famerim-bola.
11. dailynews ( 20/09/2006 17:52)
Tsy haiko raha efa nisy nahavaly ilay resaka fa ny fahafantarako azy t@ izaho naka ilay izy dia rehefa miakatra mankany Ankatso dia 300 Ar fa rehefa midina an'Ambohijatovo dia roanjato 200 Ar.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1141