Pôlitikan'antitra ny an'ny gasy ka tsy mahagaga!...

21. Achia ( 19/05/2006 18:15)
tena marina zany fa betsaka ny gasy no manambola fa tsy hainy no mampiasa azy , tena mahalala maro aho ao dago ao fa tsy hitany ny hanaovana azy
22. fijo ( 19/05/2006 20:46)
achia,asaivo homeny ahy,fa ampitomboiko foloheny.dia ahy ny ambony
23. Fiffi ( 20/05/2006 03:58)
de le ambony kely omen'i fijo ahy !
24. Achia ( 20/05/2006 16:18)
tsy mahafoy ho anao zany ry fijo na ny kodiny aza a na ho averina aza ny minibus ihany no masaka ao antsainy
25. fijo ( 20/05/2006 21:05)
kiiiiiiiiiiiiii za nefa efa niandry sy nanantena
26. marozevo ( 21/05/2006 08:05)
Dia atao ahoana izany ireto antitra ireto eh? Izay anie no tena loha hevitra ry reto eh!
27. tangalamaitso ( 22/05/2006 04:38)
Ny antitra aloha, tsy azo ailika avy hatrany kosa e! Misy ilay fiteny hoe "Ny antitra, antitra ihany". Ilaina ny antitra @ famelomana ny tantara sy ahafantarana ny zava-nisy tany aloha. Ahafahana misintona lesona ihany koa ny zavatra nataon'izy ireo tany aloha tany. Ny mila tandreman'ny tanora koa mantsy, dia ny mitsambinki-mikipy. Izany hoe manao tsinontsinona ny zava-nisy tany aloha fa entin'ny hafanam-po be tafahoatra. Raha ny hevitro izany, dia hoe: tsara raha mandray andraikitra amin'izay ny tanora, nefa tsy tokony hataony ambanin-javatra ihany koa ny mifanakalo hevitra @ ireo Raiamandreny efa antitra. Ny Raiamandreny kosa tsy tokony ho vato misakana ny fandraisan'andraikitry ny tanora fa hijoro ho mpanolo-tsaina sy mpanoro làlana. Ohatr'ireny Raiamandreny sy zanaka ao an-trano ireny mihitsy e! Sa ahoana? Sa tsy mety eo @ sehatry ny Firenena izany?
28. Achia ( 22/05/2006 17:37)
fijo:

kiiiiiiiiiiiiii za nefa efa niandry sy nanantena


tsy efa laibany ve nareo ry fijo any andafy any a modia @ zay hampandroso an' Gasikara e hiandry ze tsy hanome eo
29. marozevo ( 22/05/2006 19:53)
..maitso > Marina io lazainao io, ary tena théorie tsy misy ho mianina mihitsy, saingy rehefa tonga tokoa ny tokoa izany ve no mitranga.

Marihina fa antitra amin'ny heviny ara-politika no lazaina eto fa tsy hoe antitra araka ny heviny an-davan'andro.
30. tangalamaitso ( 23/05/2006 04:36)
Izay fahanterana sy fahatanoràna @ hevitra izay mihitsy ilay tiako holazaina ry marozevo a! Ireo manana hevitra efa "antitra" tokony tsy hiziriziry fa hanaiky hoe misy mihevitra vaovao (tanora) mety ho tsaratsara kokoa. Ireo manana hevitra "tanora" tokony hamakafaka tsara sao tsy masaka (mature) tsara akory ka hitondra aretina (olana) indray. Ary i marozevo mora mahazo zavatra rehefa hazavaina ela be an! :D:D:D:D:D
31. marozevo ( 24/05/2006 14:08)
(mature) Fiteny aiza ary io eh? Efa im-piry kosa aho no nilaza an'izany ry maitso ah... Azoko vetivety io rehefa azavainao ela.
32. toovs ( 01/06/2006 12:36)
Fiffi:

Tsy ny tanora manam-pahaizana no tsy misy ato dago , saingy marina mihintsy io lazain'i fijo io hoe sahy mijoro ve ry zareo ? Marina fa hoe mila saosy fa na izany aza , tokony hampisehoan'ireo tanora ny maha-izy azy eh!


mila jerena koa ange ny influence ataon'ny firenena mandroso amin'izay olona tohanany e. Heverinareo fa tsy misy ifandraisany amin'i Lafrantsa ve ny naha i Zafy no natao ckandida an'i Herivelona e, nisy sivana politika avy amin'ny contrainte international (ny tena marina i France). Ary heverinareo koa ve hoe inona no stratégie nataon'i Mampino fotsiny ihany mba hanoherany an'ilay safidy mialohan'ny firenena nanjanaka. raha voavalinareo ireo de tsy tokony ho gaga ianareo raha toa ka ireo zaza navelan-drakotofrah sy izay voatambitambiny daholo eo amin'ny fitondrana amin'izao na de eo ary ilay hoe volabe vao mahavita firotsahana hofidiana e.
33. prime ( 02/06/2006 09:52)
Hoy tangalamaitso>
tsara raha mandray andraikitra amin'izay ny tanora, nefa tsy tokony hataony ambanin-javatra ihany koa ny mifanakalo hevitra @ ireo Raiamandreny efa antitra. Ny Raiamandreny kosa tsy tokony ho vato misakana ny fandraisan'andraikitry ny tanora fa hijoro ho mpanolo-tsaina sy mpanoro làlana.

=D=D=D=D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0088