loharanon-karena ny olona manao ny marina

21. saho ( 27/05/2006 13:53)
Prime>
Raha tsy misy ny marina @ olona iray dia hoy ianao hoe fisaka ny rariny...

Amiko raha manaja loi (lalana) ny olona 90% ao @ firenena iray dia lasa lavitra tokoa ary ny mpitsara sy ny tompon'ny fahefana koa tokony hanaja izany lalana izany...

Io no fiantomboan'ny marina ao @ firenena...Misy aza anie rehefa manambola ianao dia afaka vidiana ny rariny e! Izany hoe mandoa caution ianao dia afaka ho azy. Ohatra misy io any USA fa arakaraky ilay Fitsarana mivoaka ihany...

Ohatra hitako izao ny Frantsay tsy mba manaja lalan'ny fifamoivoizina fa rehefa mangina ny tanana misy feu rouge dia mandeha feu rouge daholo na moto na voiture...tena efa hitako maso izany...kay izaho aty Allemagne dia tena efa mahatsapa fa matoa lasa lavitra ny allemand dia presque 90% ao aminy manaja ny regle ao aminy fa kosa raha mandika izany dia mandoa sazy be...tsapako koa fa ny allemand tena mahay be na eo @ resaka fikarohana ara-technologie na ara-scientifique....ry zareo dia tena hafa mihitsy ny fiainana...mahay dieny mbola any am-pianarana ary lasa savant daholo ny akabeazany t@ fotoana fikarohana voalohany. Tsy hitantara aho hoe inona avy no zavatra vita eo @ tsena fa dia tena lasa lavitra be ry zareo...

Ny tsenantsika gasy any Mkar dia raha zavatra vokatra sy vitan'ny tanana daholo no betsaka. Izany hoe mijanona foana @ Art malagasy fa nahoana re no tsy mba tia karokaroka e! Toa mandrato fianarana aty ivelany daholo izay te ho Ingenieur na Scientifique fa ny fahaizana ao an-toerana tsy dia mankaiza loatra ve sa efa tena tsy mivoatra ny UNIVERSITE sa dia ahoana mankaiza daholo ny KNOW HOW azo rehetra indrindra fa ireo tanora boursier taloha...

Tena mampalahelo raha INGENIEUR AGRONOME nivoaka UNI malagasy no tsy tafavoaka @ raharaha sahaniny fa dia vita ny UNI dia mijanona...maninona raha manohy foana na karoka na fianarana dia lasa PROF.

Tsy ny fahaizana ihany no tsy ampy ary mahatonga ny FAHANTRANA fa ao koa ny tsy manao ny MARINA.

Ny FAHAMARINANA no fototry ny loharanon-karena ary tsy hisy intsony ny NOANA SY MPANGATAKA raha miainga @ fahamarinana ny nipoiranao teto an-tany
22. tangalamaitso ( 29/05/2006 10:49)
Mahatsiaro miatrika famelabelaran-kevitra amina taranja filojofia t@ mbola nianatra aho(izaho mantsy efa miasa fa tsy afaka nonohy lavitra, araka ny fangatahan\\\'i saho, noho ny tsy fahampian\\\'ny enti-manana), mamaky ireo hevitra arosonareo ato anatin\\\'ity lohahevitra ity. Isan\\\'ny lohahevitra iray goavana mantsy ity hoe \\\"fahamarinana\\\" ity tao anatin\\\'io taranja io. Tadidiko tsara fa tsindraindray ihany aho vao mba mahazo isa mihoatra ny 10/20 t@ ity taranja ity. Nefa ange, dia efa mba niezaka be mihitsy nanao fikarohana nentina nanatsaràna ny fanohanan-kevitra e! Asa raha te hampita hafatra amiko ilay mpampianatra hoe sarotra ity lohahevitra iray ity. Isan\\\'ireo \\\"idealy\\\" ho antsika tsirairay ny fanaovana ny \\\"marina\\\". Araka izay azo hatao, dia miezaka ny hanao ny \\\"marina\\\" isika. Izay tsy \\\"marina\\\" mantsy, dia \\\"diso\\\". Dia mila mahay manaiky koa isika rehefa \\\"diso\\\" ny fomba fijerintsika sy ny hevitra avy @ntsika. Indraindray koa anefa mety hisy hevitra na fomba fijery roa samihafa samy \\\"marina\\\" dia eo no manomboka ny adi-hevitra, satria samy tsy hanaiky lembenana fa samy hiaro ny azy ho \\\"marina\\\". Dia io indraindray no mitondra mankany amin\\\'ny fikorontanana rehefa samy miziriziry. Dia lasa tsy harena indray @ izay fotoana izay ilay \\\"marina\\\" fa mety handrava ny harena. Dia eo no teraka indraindray ilay fitadiavana \\\"marimaritra iraisana\\\". Io marimaritra io anefa tsy voatery ho ny \\\"marina\\\" fa hevitra ifanarahana fotsiny mba handravonana ny tsy fitoviam-pijery. Izany hoe mety tsy manao ny \\\"marina\\\" izany fa mba tsy hampikorontana fotsiny dia mitady marimaritra. Moa tsy io fiziriziriana io ve no mitranga eo @ fiainana ara-politika eto amintska @ izao fotoana! Samy mihevitra ho manana ny \\\"marina\\\" ry zalahy, dia ireo hitantsika sy rentsika amin\\\'ny haino aman-jery ireo e! Samy maneho ny heviny ary samy milaza ny azy ho \\\"marina\\\". Ary ianao mba inona izao no heverinao fa \\\"marina\\\" @ izay resahan\\\'ireo mpanao politika ireo, @ izao fotoana????????. Sarotra be ity lohahevitra iray ity, nefa ezahina ihany ny hifehy azy. Mino aho fa tsy ahazo \\\"moyenne\\\" indray @ ity indray mitoraka ity. Tsy maintsy hahita lazaina foana izao ilay mpampianatra. ha!ha!ha!:D:D:D:D:D:D:D
23. saho ( 29/05/2006 13:40)
Tangalamaintso>
Miainga @ Justice ny tena atao hoe marina. Izany hoe misy lalana mifehy ny tsirairay ary toa hoe code civil no fiantsoana azy @ teny frantsay. Efa misy izany any amintsika kanefa dia betsaka ny olona tsotra tsy mahafantatra izany.

Raha regle hoe MARINA no tena tadiavina dia samy manana ny sokajiny avy ny toko tsirairay. Ohatra resaka Chemie dia misy porofo foana ary marina no mivoaka @ experiment voalazan'ny mpikaroka azy

Raha resaka toko economie indray dia ohatra theorie Macro- sy Micro economie dia misy Marina ao ary voaporofo tokoa ny fandehan'ny economie ao @ toerana, firenena iray

Raha resaka baiboly, finoana indray dia ianao mino avy hatrany fa tsy voaporofo. Ka asakasaky izay tsy mino sy mino fa raha ny MARINA aloha araka ny filazantsara vaovao dia nitsangana t@ maty i Jesosy ary nahita izany ny mpianany rehetra ... tantara io

Be dia be ny zavatra azo lazaina fa MARINA ary voaporofo raha ara-Theorie nianarana tany @ sekoly ambaratonga ambony indrindra fa teto Allemagne

Tsy hoe Mpampianatra aho fa tena rehefa manana fahaizana ianao dia ianao ihany no misafidy ny fahalalanao rehetra. Izany hoe ianao MAHAY (Savant)izany ary mampita izany araka izay azonao atao fa raha tsy misy ny MARINA, tsy mandroso ny firenena.

Ny resaka politika any Dago dia be dia be ny olona tsy Mahay (Savant) ka miady place daholo izay te hahazo toerana ary io dia mameno paosy sy manao ny danin'ny kibony rehefa tafakatra ambony fa tsy misy experience sady ny mahantra ihany no mihinana mahantra fa ny fitiavana ny namana manaraka tsy misy sady tsy ao koa ilay fisainana hoe sady maka no manome fa sisiny tokana foana dia mangataka lava sy mameno paosy fa ny sasany tsy hay akory na dia hoe vahoaka aza no nisafidy

mazotoa
24. prime ( 31/05/2006 08:21)
Marina ny lazainao ry saho fa izao anie e, ilay hoe "marina" mihitsy no misy heviny maro raha ny teny malagasy...
Raha ny baiboly fotsiny izao: hoy Jesosy "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana", (chemin, vérité, vie), io izao ilay tadiavin'ny filôzôfa maro fa toa mbola tsy hitany mandrak'ity ny androany, "fondement de la théorie du scepticisme sur la vérité absolue"...
Dia hoy ihany Jesosy "aoka ho marina ianareo raha mitsara...", io angamba ilay tianao ambara milaza "justice". Izany dia mila lalàna tokoa ary tsy maintsy mahitsy tsy azo idovirana satria atao hoe "juste"...
Dia Izy ihany no mbola indramantsika ny teny "aloavy ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara, ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra...", "Raha marina amin'ny kely indrindra
25. prime ( 31/05/2006 09:07)
Miala tsiny fa tapaka dia tohizako ihany...
\"raha marina amin\'ny kely indrindra ianareo dia...\" (ohahevitra lehibe ao amin\'ny fivavahana sy finoana ao io...), eto izy dia manamafy ny \"honneteté\", na \"intégrité\" ny olona, indrindra eo amin\'ny lafiny fitantanana sy ny finoana...
Ka izay no lazaiko hoe sarotra ny mahita ny marina.
Ho an\'ny malagasy matetika ny rariny no tena resahina. Ny rariny anefa misy fetrany, rariny amiko mety tsy rariny aminao, dia izay no mahafisaka azy, tsy mamono ny reniny nefa tsy mahafaty ny zanany ka tsy maintsy ahitàna marimaritra iraisana.
Ary izay no mahazava-dehibe ity lohahevitra ity satria mora resahina fa sarotra tanterahina...
26. tangalamaitso ( 31/05/2006 11:50)
Ny fihevitr'olombelona tsy fihevitr'Andriamanitra! Ny marina amin'ny olombelona izany mety tsy ho ny marina amin'Andriamanitra. Misy filôzôfa iray izay koa (tsy tadidiko ny anarany) nilaza fa: "Andriamanitra ihany no hendry (manana ny fahamarinana), fa ny miezaka manakaiky izany fahendrena (fahamarinana) izany no anjaran'ny olombelona." Dia ahoana indray ny @ izay ry saho sy prime?
27. prime ( 02/06/2006 10:01)
Hoy i saho
betsaka ireo olona voafidy fa tsy olona marina
...
Hoy i tangalamaitso
"Andriamanitra ihany no hendry (manana ny fahamarinana), fa ny miezaka manakaiky izany fahendrena (fahamarinana) izany no anjaran'ny olombelona."


Ny olona manao ny marina kosa misy raha ny hevitro e! fa tsy avela sy omena sehatra hitantana sy mba handray anjara amin'ny asa fampandrosoana izy ireny satria mety hanelingelina tombotsoa maro... Vao miseho izy dia efa fantatry ny rehetra dia miray loha foana ireo manana tombotsoa hanalàna azy...
8-)
28. saho ( 14/06/2006 07:33)
Mahafinaritra rehefa miasa saina ho an'ny Fahamarinana ny malagasy sasany na dia tsy izy iray manontolo aza.

Sarotra tokoa ny mandray andraikitra raha tsy mitombona io fahamarinana io na eo @ sehatra Politika na sehatra Toe-karena na inona sehatra na inona

Aiza ho aiza re isika malagasy atsy ao aoriana raha tsy misafidy io Fahamarinana io. Dia mahantra foana ve no valin-kasasarana, izany hoe na miasa mandeha mikarama isan'andro aza dia vary masaka foana no sasatra azo isaky ny faran'ny volana?

Mbola ela tokoa vao hisy izany fiadanana ara-pahamarinana izany...kanefa Aza Kivy fa mbola hisy foana ny Masoandro hiposaka @ tsiray2
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2977