manana harena madagasikara

21. jajaf401 ( 16/05/2006 01:42)
Fiffi: Ohatra 1 mikasika moyen fotsiny an, raha hanao import-export enao de mila FOND zay !!!!
22. Fiffi ( 16/05/2006 03:38)
marina zany aloha an! fa zao indray ary: raha mba nomena moyen ny olona , io fond io , sur fa handeha ny rehetra , saingy nahoana kosa no ireo karana ireo no tsy hasiana hadihady ny fanomezana azy io fond io ? nahita lahatsoratra aho tao @ gazety momba an'io , nisy gasy nanao fangatahana io fond io de tsy nahazo mihintsy , fa nahoana ?
23. tangalamaitso ( 16/05/2006 05:23)
:):)
Ianao manoratra io no harena voalohany ho an'i Madagasika. Raha tsapanao izany, dia hanankarena lavitra noho izao isika. Hazavaiko ny hevitro. Ny fijoroanao @ maha Malagasy anao sy ny fiarovanao ireo soatoavina Malagasy (izay tsara sy mahasoa an!)eo @ sehatra rehetra misy sy hifaneraseranao aman'olona, dia hanampy be dia be anao tsy hanaiky lembenana amin'izay mety ho adi-hevitra sy adi-varotra amin'ny fitantanana sy fitrandrahana ireo harena hafa ananatsika.
24. arson ( 16/05/2006 05:45)
ka isika gasy anie raha atao ny kaonty de vendrana sy donto e!aiza ko any @ tany tsy tokony hasaina no hasaina? AIZA NO TSY ANJAKAN'NY SASANY NY FANANANA.
25. Fiffi ( 16/05/2006 12:25)
arson:
ka isika gasy anie raha atao ny kaonty de vendrana sy donto e!
:roll::roll:


26. arson ( 17/05/2006 06:30)
marina zany ka!
:?:?
27. xxx ( 17/05/2006 07:09)
porofo mivaingana: ARSON :-D:-D:-D
28. arson ( 17/05/2006 07:20)
Jereo @ireny zavatra miseho eto @ny firenentsika reny e! laozana mifanenjika fotsiny fa tsy izay tokony atao no atao.Angaha moa izany firenena izany vitan'olon-tokana fa ny fiaraha-miasa no mampisy ny ezaka.noho izany mba miara miasa @izay tsy lasan'ny sasany ilay harem-be e!sa ahoana?
FA TSY MIFAMPITSIKERA AMPITOERANA TOY NY BOKA MITANINANDRO FOTSINY.
29. soanja ( 17/05/2006 08:11)
quote=tangalamaitso]
:):)
Ianao manoratra io no harena voalohany ho an'i Madagasika. Raha tsapanao izany, dia hanankarena lavitra noho izao isika. Hazavaiko ny hevitro. Ny fijoroanao @ maha Malagasy anao sy ny fiarovanao ireo soatoavina Malagasy (izay tsara sy mahasoa an!)eo @ sehatra rehetra misy sy hifaneraseranao aman'olona, dia hanampy be dia be anao tsy hanaiky lembenana amin'izay mety ho adi-hevitra sy adi-varotra amin'ny fitantanana sy fitrandrahana ireo harena hafa ananatsika.
[/quote]

Ekena tantareka ny hevitrao. Soa fa misy Malagasy toa anao.:-*:-*:-*


30. arson ( 17/05/2006 10:41)
toantsika fa tsy zao irery.:?:
31. soanja ( 17/05/2006 13:17)
arson:

Jereo @ireny zavatra miseho eto @ny firenentsika reny e! laozana mifanenjika fotsiny fa tsy izay tokony atao no atao.Angaha moa izany firenena izany vitan'olon-tokana fa ny fiaraha-miasa no mampisy ny ezaka.noho izany mba miara miasa @izay tsy lasan'ny sasany ilay harem-be e!sa ahoana?
FA TSY MIFAMPITSIKERA AMPITOERANA TOY NY BOKA MITANINANDRO FOTSINY.

Marina dia marina anie ny zavatra voalazan'i Arson eto e saingy ity sehatra ity dia natao hifampitsikerana sy hakana ambony alaina ambany izay mety ho fanatsarana an'i Madagasikara. Eto no ampiadiana ny hevitra fa tsy natao anabatiana ny hafa akory.
Avy eo samy manao izay vitany hanampiana an'i Mada. Sarotra be ny tonga dia hiara miasa eto satria samy elanelanin'ny kontinanta sy ranomasina isika rehetra eto. Raha tsy hoe angaha misy tapakevitra ny hifanao fotoana dia any Dago mifampitady hiara miasa.


32. arson ( 18/05/2006 06:42)
marina tokoa mo zany!!!!
33. marozevo ( 18/05/2006 20:42)
Anisan'ny zavatra hafa tsy nampandroso antsika koa ny zava-nitranga tamin'ny 1971, fony i Ratsiraka niomana fatratra ho minisitry ny raharaham-bahiny. Efa fantany fa ho tonga Filoha izy na ho ela na ho haingana, ary efa nanomana teti-dratsy tamin'izany fotoana izany.
Mampalahelo loatra. Misy vavolombelona maro momba izany, saingy matahotra ny betsaka.
34. tangalamaitso ( 19/05/2006 04:47)
Dia sahin'i Arson ve no milaza fa donto sy vendrana isika Malagasy? Tsapako mihitsy fa mitady ho very ny "fierté" maha malagasy an'i Arson. Tandremo izany ra-namana a! Dia izao e! mba andefaso hevitra mivaingana azo ampiharina avy any @ i Arson hoe jerena. O ry marozevo a! sao dia ho lany fotoana @ fanilihan'andraikitra eto isika! Iny @ faritr'i Marozevo (RN2) iny izao misy harena tokony hotrandrahina sy tantanana mba hampitombo azy. Sa ahoana hoy ianao?
35. marozevo ( 22/05/2006 20:09)
Marina izany ka... tena faritra maitso mavana tokoa iny, ka ny maitso moa sady tandindon'ny fanantenana no mitahiry harena rahateo. Iza anefa no ho afaka hampamokatra ny "tagn'ala maitso" ?
36. tangalamaitso ( 23/05/2006 04:58)
Ianao dia efa afaka kà. Sa tsy vonona ve i marozevo?
37. prime ( 23/05/2006 14:34)
Marina izany eeeeeeee! :°):°):°):°)
Ny ahy ny tena ahiako dia ity mondialisation sy globalisation ity ;-).
"Importation be loatra, exportation tsy misy" hoy ianareo fa ny olantsika malagasy lehibe mahatonga ny tsy fifandanjam-pifanakalozana eo amin'ny varotra iraisam-pirenena dia tsy manaram-penitra amin'ny lafiny rehetra ny vokatra malagasy :cry:.
Itokisan'ny mpampindram-bola kokoa ny vahiny (karana, frantsay, sinoa...) satria matotra ara-pitantanana ka mahaverina ny vola sy ny zana-bola (mihoa-pampana aza) :oops:. Izaho efa nahita fa ny fidiran'ilay karana (efa mpindram-bola ao)tao amin'ilay birao (banky malagasy io) no ela tonga dia vita ny sonia fampindramam-bola satria hoy ilay mpiasan'ny banky tamin'izay "ohatrinona indray amin'ity fa betsaka ny crédits azo alaina izao? :roll:".
Ankoatr'izany izaho mahita fa ny toe-tsaintsika koa tena mbola manahirana. Ny fialonana, ny fisintonana ny tafita hidina ambany, ny fifanaratsiana, ny fifampiangana. Dia mbola ady mafy io an! raha vao ny hafa foana no diso dia sarotra ny raharaha :?.
38. marozevo ( 24/05/2006 14:21)
Vonona aho ka !... Ary hitombo zato heny ny fahavononako raha miaraka vonona amiko i ...tangalamaitso.
39. prime ( 26/05/2006 10:02)
D manaova ranc nareo mitsam zan!!!! fa tafahaona ny t... sy ny m....:-D:-D:-D:-D
Fa ny harenantsika dia ny olona ihany e!!!!!:}
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 2.6361