fifidianana filoha
21. Fiffi
(
15/05/2006 19:28)
arson:arson: mba avelao kosa izy hivavaka eh!
lamie:mba hajoroy ny hevitra fa aza variana miantso ny zanahary eo.Angaha ty fiainana ity vitan'ny fitalahona hotr'izany fotsiny?Fa ilay avo ao ambony anie lazaiko anao fa tsy manampy izay tsy manampy ny tenany e!.
22. marozevo
(
18/05/2006 21:06)
fa sahy kosa ry zareo manary vola aman-karena amin' ny fifidianana.
Io no amaranan'i Manantsoa ny teniny ao ambony ao. Ny voalazany rehetra alohan'io dia itovizako hevitra aminy, fa ity farany ity dia tsy itovizako hevitra noho ilay teny hoe manary izay ampiasainy. Tsarovy ry Manantsoa fa tsy manary vola mihitsy ireo kandidà ireo, fa mamafy vola. Mamafy satria manantena hijinja. Indrisy vitsy loatra ny Malagasy no mahatsapa fa isika ihany no jinjain'ireo mpanao politika ireo rehefa vokatra sy masaka tsara ny voa nafafy.
23. lamie
(
19/05/2006 15:57)
arson:ilay "taloha" io r'ise ratsiraka, andriamanjato sy izay efa niaraka rehetra ka nameno paosy dia natahotra ny vahoaka ka lasa nipirimpina kely aloha ny sasany, vao nisy namadika palitao? mitady hiverina fa misy ny lany fananana,misy tsy dia nahavita nmeno ny paosin'ny fianakaviany koa,efa ninamana t@ ratsiraka daholo ireo fa tandremo voafitaka isika,marina ny voalazan'ise marozevo,isaky ny fifidianana dia mahay mamafy mba hitombo zato heny raha voafidy eo!!politika daholo zany aloha e, fa politikan'ny mpitsentsitra sy mpamadika ny tanidrazany any ankady,
24. fijo
(
20/05/2006 03:21)
lamie,"rehefa mifidy"izany hoe tsy olana izay fidianao ao,satria safidy manokana io,fa mifidiana fotsiny aloha,ary saino tsara izay vato kely arotsaka fa iny no hitondra vokatra be
25. marozevo
(
21/05/2006 08:33)
Ny mandrotsaka bulletin ao anaty vatam-pifidianana koa dia mitovy amin'ny mamafy ihany.
Ka izay mamafy rivotra (kely) dia hijinja tadio (be), fa izay mamafy voa tsara dia hijinja voa tsara zato heny.
Inona sy iza anefa no tsara ?
Ka izay mamafy rivotra (kely) dia hijinja tadio (be), fa izay mamafy voa tsara dia hijinja voa tsara zato heny.
Inona sy iza anefa no tsara ?
26. lamie
(
21/05/2006 10:10)
fijo: za no voalohan-daharana raha ny hifidy fa aza matahora e!za ndray tena patriote ka!gasy io an!raha mpanao politika avo , lay tena izy aho dia niritsaka koa e!!
27. tangalamaitso
(
22/05/2006 04:57)
Tsy mbola izao angamba hoy aho no ahafahana manao safidy @ olona hotohanana @ fifidianana. Hatreto mantsy dia mbola vao ny filazàna fa hirotsaka fotsiny no nataon'ireo efa nitonona hanao izany. Mbola tsy misy fantatra izay fandaharan'asany sy izay paik'ady entiny manatanteraka izany fandaharan'asany izany. Mino aho fa rehefa manomboka mivoaka izany fandaharan'asan'ny tsirairay izany dia hafana ny adi-hevitr'isika eto. Raha azonao hatao aloha, dia esory ao a-tsaina ny hoe tsy hifidy. Sady adidy izany no andraikitra. Rehefa hifidy fotsiny ianao, dia saino tsara alohan'ny handrotsahana ny vato.
30. Stone
(
23/05/2006 00:26)
Nety daholo ny nataon-dR8, afa tsy ny détaxation!
Kanefa rehefa atao ny + sy - dia tsy aleoko ihany aloha ilery. Satria raha olon-kafa ny teo (indrindra fa raha tsy mpanambola) dia ny hameno ny paosiny sy ny akamakama (Népotisme sns) fotsiny aloha no nahamay azy.
Kanefa rehefa atao ny + sy - dia tsy aleoko ihany aloha ilery. Satria raha olon-kafa ny teo (indrindra fa raha tsy mpanambola) dia ny hameno ny paosiny sy ny akamakama (Népotisme sns) fotsiny aloha no nahamay azy.
31. tangalamaitso
(
23/05/2006 05:01)
Andao hoe ezahina hofakafakaina ny + sy - n'ireo efa nilaza hirotsaka hofidiana. Atomboy @ Atoa Roland RATSIRAKA hoe ry Stone.
32. Stone
(
23/05/2006 21:09)
Izaho angamba tsy hi-s'aventurer indray @ "Ratsiraka bis", Oublie tout çà! Ireo fils à papa mianakavy (Hasina, Monja R sns)koa torak'izany.
Olon-kafa aroso.
Olon-kafa aroso.
33. tangalamaitso
(
24/05/2006 05:23)
Ary Atoa Lahiniriko sy Atoa Pety na i Atoa Herizo Razafimahaleo indray manao ahoana ry stone?
34. prime
(
24/05/2006 05:56)
Ra8 tsy maintsy hilatsaka ary izy no tsy maintsy ho lany eo.
Lany andro eo fotsiny isika fa efa voaomana daholo ny ho amin'izany.
Amiko indray aloha na fils à papa na fils à maman ny asa vitany tokony tsy ho adino kosa.
Lany andro eo fotsiny isika fa efa voaomana daholo ny ho amin'izany.
Amiko indray aloha na fils à papa na fils à maman ny asa vitany tokony tsy ho adino kosa.
35. marozevo
(
24/05/2006 14:36)
Misy fiteny hoe : Ny ray no manao ny ataony, ka ny zaza no voatonom-bolo. SY HOE Ny reny no tia tsakotsako ka ny zaza no simba nify.
Rolland Ratsiraka (neveu fa tsy zanaka, nefa mitovy ihany izany ho antsika Malagasy).
Hasina...
Roindefo...
Nefa koa misy hoe : Ny anaran-dRay tsy enti-miondrika. Josoa.....
Rolland Ratsiraka (neveu fa tsy zanaka, nefa mitovy ihany izany ho antsika Malagasy).
Hasina...
Roindefo...
Nefa koa misy hoe : Ny anaran-dRay tsy enti-miondrika. Josoa.....
36. manantsoa
(
25/05/2006 15:39)
Mbola nianatra tany amin' ny EPP izahay no efa naheno ireo anarana sasany tanisainareo fa hirotsaka hofidiana ireo.Amin'izao fotoana izao ;efa 3 ny zanako ary 1 ny vadiko fa tsy mbola hitako izay tena zava-bitan' izy ireo ( na ny fianakaviany ... ) ka nampandroso ny firenena.
Raha resaka : tori-teny na kabary dia hain'izy ireo tokoa fa raha hiasa hampandrso ny firenena dia ASAKASAKAREO IZAY HIFIDY AZY .
Raha resaka : tori-teny na kabary dia hain'izy ireo tokoa fa raha hiasa hampandrso ny firenena dia ASAKASAKAREO IZAY HIFIDY AZY .
37. fijo
(
25/05/2006 20:25)
ny hasina aloha ,mba nanao ihany,fa ilay izy taranaboanjo,no somary manahirana ahy.
ratsirahonana koa dia nahay nitondra,fa asa izay fandaharanasany vaovao.
ratsirahonana koa dia nahay nitondra,fa asa izay fandaharanasany vaovao.
39. fijo
(
26/05/2006 20:21)
izahay moa ry prime tsy mba hafaka ny handrotsaka vato,fa dia mamporisika anareo izay afaka hanao izany adidy masina izany
40. prime
(
31/05/2006 09:37)
Efa misy "projet" ahafahan'ny expat. rehetra mifidy miainga any fa tsy hay raha ho tanteraka na tsia fa izay mantsy ilay lalàm-pifidianana tokony hodinihina akaiky izao satria ny an'ny firenena hafa ny teratany mieli-patrana eran'izao tontolo izao tambazana hifidy (ampiasàna ny "consulats" rehetra) ny antsika zara aza tsy mifidy... tsy haiko hoe inona no antony????
