Ndao hivetso tonokalo'ireo poety malaza+fahatsiarovana

1. Poun ( 12/05/2006 09:53)
Marina f'efa misy ny toerana natokana ho an'ny tonokalo.Niniako napetraka ihany ity hevitra ity dia @ zay afaka manoratra na dia sombiny kely fotsiny mety ho nanohina anao na tadidinao aza no apetraka eto.Azonao atao ny mangataka ny hafa hanoy azy raha tianao
Raha mba misy ventsoventso-po na fahatsiarovana moa manaraka dia tonga soa e!(malalaka ny sehatra.azonao resahina na tonokalom-pitiavana na fiainana tsotra...)
Ndao ary Tompoko.Dia manasa anao!
novalian'i pissoa ny 27/05/2006 17:01
2. Poun ( 12/05/2006 09:59)
Aleo ary hatomboko @ tonokalon'i Rado.Tsy fantatro ny lohateny fa mba ampio aho.
Ny fasako,fasako ihany
fa ny foko dia fasako koa
Io no fasako ivelan'ny tany
Io no fasako iray faharo

Tsy mba vero na mba ragolahy.
No mandrakotra io fasana io
Fa ny nofoko...
Tena tsy tadidiko f'iza no hafaka hanoy azy?
T@ za 4ème no namaky an'io ary tsy hazoko ny heviny t@ zany.Zao efa mazava ka!...
Fa ty koa misy iray zay tena hevi-dalina mihitsy no fonosiny.sombitsombiny ao antiny fotsiny ireo fa mba mangataka aho izay mahay.
Ilay misy hoe:"sady tiako ianao no halako(...)fahavaloko malalako"
3. pissoa ( 12/05/2006 10:20)
Tsy i Rado no nanoratra io tononkalo io fa i JJ Rabearivelo.
http://serasera.org/vetso/index.php?rub=vetso/vetso&vid=v3f7cade336d61 fa efa ao amin'ny tononkalo ao io.
4. pissoa ( 12/05/2006 10:29)
Ooops ... aiza ilay hevitra iray teo :roll:

Ilay tononkalo faharoa Tia no lohateniny, dia i Rado no nanoratra.
http://serasera.org/vetso/index.php?rub=vetso/vetso&vid=v3f7d6ded1b0d1
5. xxx ( 26/05/2006 06:08)
tononkalo ranja zanamihoatra izy ity :

Eny ho aho ra malagasy
malagasy be fivoarana
tsara haingo tsara vatsy
tsara akanjo, tsara aanarana
izato hihetsiketsikao sy izato fomba amam-piteny
ianao no malagasy
fa tsy ireny Ntaolo ireny

satrinay hitsinjo ihany izato ianao mirehareha
loharanom-pandrosoana , mihedinedina fandeha
soa fa niato kely ilay rafotsibe nidraiko
ka nanajanaja hoe "mandehana sombiniaiko"

... tohizo izay mahay e

6. pissoa ( 27/05/2006 17:01)
Malagasy Mankany

Eny, ho'aho, Ramalagasy! Malagasy be fivoarana!
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana !
Izato fihetsiketsikao e, izato fomba amam-piteny!
Ianao no tena malagasy, fa tsy ireny Ntaolo ireny!

Satrinay hitsinjo ihany izato ianao mirehareha:
Borizanom-pandrosoana miedinedina fandeha.
Soa, manko, nitanila ilay Rafotsibe nidraiko
Ka nanajanaja hoe: "mandehana, sombinaiko"!

Soa fa niato kely koa Rangahy antitra efa goga,
Ilay nisatroka ahibano sy nitafy lamba soga
Izay nivimbina entan-kely ... toa tsy zakany sahady
Ka nihoaranao malaky tsy nanaovana aza fady!

Taitra ihany Ingahibe nahita anao nivatravatra,
Ka nitraka moramora, nefa dia namihin-tratra ...
Eny, hoy izy velon-tsento: mafy izany ka tsy toha ...
Saingy ho aiza moa ny tena, izao no gasy tafafoha!

Tafatombina Rangahy, zary lasa kaodikaody:
Iny koa niserana azy, tovovavy be lamaody,
Irony ilay mitetin-doko sy mibory volo irony
Sady tsy mitafy lamba, tsy miteny gasy intsony!

Dia indreny koa nandalo, niara-dia nifampitantana:
Ankizilahy sy ankizivavy, amin’ny tena fisandratrana,
Moa va tsy mpivady mihitsy amin’izato fombafombany ...
Kanjo dia tsy izany loatra, raha natao ny tombatombany.

Nantenain'Ingahibe fa mba hanaja ireto zaza,
Nefa loza no nataony fa nifampikitika aza;
Dia nifampikimokimo ..., 'ndeha hiserana, handika ...
Ingahibe no niarahaba ireto zana-kavantsika!

Eny, ho'aho, Ramalagasy! Malagasy be fivoarana!
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana !
Tsy hanozona ny Ntaolo n'inona n'inona natao
Saingy masina ny sata izay voahitsakitsakao.

Randza ZANAMIHOATRA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2795