Raha sanatria ka hisy grévy indray @ 2007 ary dia...

1. OLPolonaleopolitika ( 11/05/2006 18:04)
Raha sanatria ka hisy gréve in1 ary @ 2007 dia mbà mitonona anarana eto hoe izay
-hanao ny fiambenana andra8 eny FARAVOHITRA.
-hanao barrage etsy sy eroa
-hilahatra eny @ 13 mai
-...

Izaho aloha dia tsy ho anisany fa dia miala tsiny aminareo e!!!
novalian'i marozevo ny 18/05/2006 21:22
2. totofy ( 11/05/2006 19:04)
tsy zay no vita ve ra mbola misy an' zany ....
3. Herimiafina ( 11/05/2006 19:31)
Iza moa no hitarika eo raha tsy ny very fihinanana rehetra e!
4. vancleef ( 11/05/2006 20:01)
Inona aloha no tena antony ilay grevy ê
- ho dévaluer be kokoa ny ariary ?
- isy délestage bebe kokoa ao @ JIRAMA ?
- i bloquer ny exportation rehetra ?
- hijaly bebe kokoa ny vahaoka ?
- handrara ny mpivahiny tsy ho tonga any Dago ?
- saha te hanakorotana fotsiny ?
5. arson ( 12/05/2006 07:33)
marina mihitsy zany tsy izay very fihinana ihany tokoa ve!ha ha ha aoka aloha hiomehy fa taolam-potsy ny nify.Tsy dia ireo lazainao ireo loatra fa ilay fahalelovan-toerana e!de mody ireo no asesika raha ohatra ka...nefa zay hisolo eo indray dia hilaza ny hoe hanarina ny ratsy izay nentin'ny teo aloha.NEFA NY PAOSY AMIN'IO MIBONTSINA IHANY,TSY ALEO EO IHANY NO EO?
aza misy aloha ny grevy fa isika madinika no potika sy montsana.Fa ry zareo mody manao vazaha miady fotsiny.
6. Stone ( 12/05/2006 15:13)
Tsy adala ny gasy, fantany ny ataony, saintsaino tsara fa tsy nataotaony foana akory ireo greve generale nisy rehetra ireo. Sarotra arak'izany ny mandresy lahatra ny vahoaka, indrindra fa ny eto Antananarivo. En fait, tsy ny mpitarika akory no nanapa-kevitra t@ ireny fa dia tena ny vahoaka mihitsy.
Tadidio t@ ilay hoe hanao investiture sa tsy hanao Ra8? Raha tsy nanao investiture voalohany teo dia vita matavy, fa tena navelan'ny vahoaka. Vahoaka hoy aho fa tsy ny mpitarika isan-karazany akory.
Fantantr'i Ndrema tsara ny momban'io, jereo ny nahazo azy tetsy Ambohomanarina, resin'i Gilbert Ramarozatovo. Kanefa dia Zanahary mihitsy ilery taloha, i Ratsirahonana koa raha tsy mahay dia ilaozan'ny vahoaka eo koa.
7. lamie ( 12/05/2006 21:04)
raha sanatria!mivavaka mafy aho mba tsy hisy intsony ny grevy oh t@ 2002 reny, fijliana anie ny an'olona tany mada e!! ny lova rsty tsy afaka raha tsy nisy aloha reny fa enga anie tsisy intsony e!!marina ny an'i vancleef io an!!!!!!!!!!raha te hiverin-dàlàna isika dia manao girevyyyy
8. fijo ( 12/05/2006 21:32)
za dia sahy milaza fa tena adala ny gasy raha mbola handany andro higrevy eo.
aza hadino,fa izao olana be arabola izao anie ka vokatry ny fitokonana lavaray tamin'ny 91 sy 2001 e.dia ampio hafa koa fa hiraoka ahitra ny hiafarany.
9. marozevo ( 12/05/2006 22:48)
Ka amin'izay fotoana izay anie, raha arahina ilay logique dia tsy i Ravalomanana no hambenana eny Faravohitra fa ny adversaire-ny eh... Mba araho tsara eh... Moa tsy adversairen-dRatsiraka va i Ravalomanana tamin'izay ?

ka raha hoe hiambina an-dRatsiraka na Rajaonarivelo kosa aloha tsy hanao aho eh...
10. Optik ( 13/05/2006 16:47)
Fa inona aloha no antony hitarihan'i OLPolonaleopolitika ny resaka ho any @ grevy e!
Lazao 'zay tianao holazaina marina fa elabe.
11. marozevo ( 14/05/2006 22:44)
Tena mba tsy nampoiziko indray io fanontanian'i Optik ho an'i OLP io.... Tsara fipetraka ilay izy, fa aza manantena valiny mahafatra-po ...
12. arson ( 15/05/2006 11:58)
misy tanjona kendreny ao matoa izy manoratra io.Matoa mantsy ny olona 1, mihevitra zavatra 1 de misy katsahiny ao.Fa aza manantena grevy izany intsony aloa e! mahatoky ny vahoakan'Antananarivo za.
Eto ihany no role fa raha tsisy eto de tsysy ny manerana an'iDAGO.
13. marozevo ( 18/05/2006 21:22)
Na Rasaraka lery na Antandroy,
Na Antakarana na Antaisaka...
Tonga eto dia tsy mahafoy,
Tsara monina tsisy voadaka.

Tsy maintsy mijoro Antananarivo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2903