hilatsaka ho fidiana izany Ingahy Lahiniriko Jean

1. ravatorano ( 10/05/2006 08:35)
Candidat aux présidentielles !

Jean Lahiniriko, fraîchement éjecté de son fauteuil de président de l’Assemblée nationale, ne chôme pas.

En effet, il donne, ce matin à 10h à la villa « Tafondro » à Marivolanitra, une conférence de presse pour annoncer officiellement sa candidature aux élections présidentielles du 3 décembre. Un rendez-vous médiatique qui lui permettra d’esquisser l’allure de son projet de société et le topo de ses alliés politiques

La gazette de la grande ile
La rédaction
10-05-2006
novalian'i Fiffi ny 11/05/2006 04:26
2. FARAGELO ( 10/05/2006 09:23)
tso-drano : ainga anie hahazo vato sahaza!! :-D
3. Fiffi ( 10/05/2006 09:40)
FARAGELO: hummm ! mampiheritreritra hiany ny hahazahoany vato an!
4. mino18 ( 10/05/2006 17:51)
tsy hitako zay ry olana amizany. manana ny profil izy.miandry ny votoatin' ny programan' asany ny tenanay.mankahery azy fa maro ireo te hilatsaka fa matahotra ny ramatahoran dravalo.
5. Fiffi ( 11/05/2006 04:22)
mino18: "fa matahotra ny ramatahoran dravalo" ?
6. Fiffi ( 11/05/2006 04:26)
FIFIDIANANA - Kandidà ho filoham-pirenena i Jean Lahiniriko
“Inty aho, iraho aho... na tanindrazana na fahafatesana, tsy maintsy mandresy isika!”. Ireo andalan-teny ireo no nentin'i Jean Lahiniriko, filohan'ny Antenimierampirenena teo aloha, nanambara tamin'ny mpanao gazety ny firotsahany ho fidiana filoham-pirenena amin' ny 3 desambra 2006. Ity fihaonana ity dia nitranga teny amin' ny trano fonenany eny Imarivolanitra, omaly maraina.
Nanambara ny tenany fa “noho ny fangatahan'ny olona maro sy fikambanana isankarazany no nanapahany hevitra hirotsaka ho fidiana. Tsy izany ihany anefa, hoy i Jean Lahiniriko, fa ny fahitako ny fahantrana sy ny fahoriana mianjady ary miantraika amin'ny vahoaka malagasy no namporisika ahy. Firenena manankarena i Madagasikara nefa dia mahantra ny vahoaka ao anatiny”.
Hita nanatrika ity fihaonana tamin'ny mpanao gazety ity ireo solombavambahoaka ao anatin'ny vondron'ny mpanohitra, toan-dr'i Saina Michel, Julien Reboza, Alphonse Randrianambinina, Charles Randriamahefa, ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena Soalahy, ...
Fanontaniana napetraky ny mpanao gazety ny antony nahatonga ireo mpanotrona ireo ho ao an-damosin'i Jean Lahiniriko. Nanambara i Jean Lahiniriko fa “matoa tonga eo izy ireo dia miray feo amiko izany! Ary tsy izy ireo ihany fa mbola maro any ambadika any!”. Ireo depiote nanontaniana kosa dia nanambara fa “amin'ny maha namana solombavambahoaka no nahatongavanay teo. Tsy mbola nisy baiko na fanapahan-kevitra niainga avy any amin'ny foiben'ny antokonay tsirairay”.
Tamin'io fotoana niresahan'ny mpanao gazety tamin'i Lahiniriko io koa no nilazany fa “manaiky ny hiala tsy ho filohan'ny Antenimierampirenena ny tenako, rehefa tsy noraisin'ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny fanazavan-kevitra
ara-taratasy izay nalefako tany amin'izy ireo. Tsy tiako mantsy ny hilazana fa noho ny tsy fialàko no mampitohana ny raharaham-pirenena sy mampahantra ny vahoaka, ka nanaiky niala aho”.
Mikasika ny fahavononana hiatrika fifidianana, na ara-bola na ara-pitaovana, dia nanambara ny tenany fa “efa vonona avokoa ny ho enti-manana rehetra, tsy kitsapatsapa ity fa tena vonona hatramin'ny farany hanavotra firenena”. Tsy nety niteny izay firenena mety hanohana azy manokana amin'io fifidianana io anefa izy. Nilaza koa i Jean Lahiniriko fa na ny “volavolam-piaraha-monina noforoniny hitondrana ny firenena aza efa vitany fa miandry fotoana ny zava-drehetra”.
Araka ny fantatra dia mpitahiry volan'ny fiangonana loterana Malagasy (FLM) i Jean Lahiniriko. Nanambara ny tenany fa “tsy manana olona ho tohanana manokana ny FLM. Manana ny safidiny malalaka ireo mpino ao anatin'izany fiangonana izany fa raha misy kosa ny te-hanohana ahy dia tsy hitako izay olana”.

Patrick Andriamahefa L'Express de Madagascar
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0462