TSY IZY INTSONY ITY RE REY OLONA!...

1. 4mimananelatra ( 09/05/2006 14:58)
Tsy izy intsony ity re rey olona
mandainga izay milaza fa tsy mimonomonona! hoy ilay mpihira izay !..
Raha ny fijery ny zava-misy eto MADAGASIKARA aloha mandrak'izao dia mbola maizina be mihintsy ny ho avy .Misy namana moa dia miteny foana hoe maninona ary no mimenomenona foana ianareo fa tsy mbà manomé solution ,ny biby tsy manan-doha hoy ny NTAOLO tsy afaka mikisaka,ny mpitondra no tena tompon'andraikitra betsaka @ izao fahantràna izao.
Ny zava-misy aloha hatramin'izao na ara-pôlitika na ara-ekonomika dia FIASCO daholo .Trop loatra ilay atao hoe pôlitique politicienne .
Jereo izao ny ataon'ny TIM antoko izay misy ny mpitondra ankehitriny ,tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra: miady an-trano ! samy te hitondra ny volant nefa 1 ihany no tsy maintsy saofera ,moa tsy efa lesona ratsy taloha ve izao zava-nitranga izao dia miverina ihany.
Ara-économique sempotra na ireo vahiny mampiasa ny volany na ny tompo-tany miha lafo ny angovo (éléctricité sy ny solika)...efa misy ireo orin'asa zay tsy maintsy hanakatom-baravarana noho izany
oh:COLOMBIA CLOTHING ao ANTSIRABE izay mampiasa malagasy 2 200 eo hoe eo.

Ny hamaranako azy sao diso lava loatra dia tokony haka lesona ny mpitondra ankehitrio un homme averti en vaut 2 hoy ny vazaha maro ireo lesoka hita taloha kanefa miverina in1 ,ka na hiezaka sahala @ inona ary ny vahoaka refa ny mpitondra koa no tsy ao dia retout à 0 foana e!
novalian'i gorge ny 17/05/2006 12:59
2. mino18 ( 09/05/2006 15:29)
vo niainga io de fantatra fa tsy hamely. tsy manana ny profil takin 'ny andraikitra i ravalo. lasa manaonao foana. tsisy programme niaingana . zany tsy nisy fotoana nandinihany ny lalana hitondrana ny firenana.ko inona moa zany fa hevitra misavoan danitra daholo no miainga eo. misaotra. aleo koa isika tanora mba hanao politika na de hatao fialam boly aza.
3. Lejim ( 09/05/2006 16:58)
Marina fa tsy dia azo atokisana ny mpanao politika Malagasy, fa ity indray no mba tadidio.
Avy taiza ireo mpanao politika ireo raha tsy avy teny @ fiarahamonintsika ihany.
Taiza izy no be, taiza izy no nianatra? Dia teny amin'ny sekolintsika ireo ihany (ny ankamaroany).
Raha toa ka sasany ihany, na andian'olom-bitsy no manao ilay politique politicienne teneninareo dia azontsika kianina ry zareo @ izany. Fa toa ny ankabeazan'ny mpanao politika nandalo teo, mba tsy hilazako hoe izy rehetra, no manana fomba fisainana mifanipaka @ zavatra takian'ny firenena. Izay olona te hanasoa ny tanindrazana indray no vitsy. Any amin'ny firahamonintsika mihitsy noho izany ny tena olana! Ny fomba fifanabeazantsika mila hatsaraina!
Samy midradradradra an'io fitiavan-Tanindrazana io isika mianakavy, na ny mpitondra, na ny mpanohitra, na ny vahoaka. Kanefa samy mitazona ny heviny koa. Ireo mankasitraka Transition mihizingizina @ Transition, ireo izay contre tena contre tokoa. Toa tsy mba misy an'ilay atao hoe "marimaritra iraisana" mihitsy eto @ firenena, ary tsy rariny raha ny mpitondra fanjakana ihany no omen-tsiny amin'izany!
Manaraka an'izany, isika ihany no nifidy an'ireo ka eto isika samy miandry izay hapoakany, dia @ fifidianana manaraka koa vao afaka manome ny opinion-tsika!
Misaotra tompoko
4. xxx ( 09/05/2006 20:10)
Tsy mora leiretsy ny manarina ny zavatra nataon'ny teo aloha an. Ny lalana aloha dia betsaka ny vita! Raha tsy noraharahina mihitsy izany taloha.
Ka aza mimenomenona fa mihezaha dia manankarena toy ny sasany ireny hitanareo miriorio eny @ ville rehetra ireny.
5. vale ( 09/05/2006 20:19)
xxx> marina zany,..lalana, ny trosa mba efa nisy afaka kely...! aleo wa atao fijery positif izy ity fa raha ny lesoka foana ange no hotanisaina ka tsy hampandroso koa e, ampitahao aloha ny zava-bitan'ny teo aloha, sy ny @ zao dia ho tony isika eh!!!
6. stephane197 ( 10/05/2006 08:56)
tsy tokony ho sarotra io raharaha io fa tena mbola miady @ mpanjanaka ê! angaha hadinonareo fa hoy ry zareo hoe "angaha ho afaka mora eo ianareo..." d efa mazavab fa ataony daholo ny moyens rehetra tsy handrosoantsika! aza kivy ê! ...
7. marozevo ( 10/05/2006 19:44)
lejim > Misaotra leitsy ah... Io lazain'ialahy io no tena marina.
8. piste ( 14/05/2006 18:16)
Mba misy hadisoan'ny mpitondra koa aloha é, fa tsy hoe avy tamin'ny ny teo aloha na ny mpanjanaka. Izay fanilihana andraikitra izay aloha no tena lesoka be indrindra ho an'ity Fitondrana ity. Tsy mba miaiky ny tsy fahombiazany fa ny manilika foana.
Ireny Détaxation ireny izao dia hita fa hevitra taingina fotsiny, ary izay no anisan'ny niteraka an'ilay fihena-danja ny sandam-bolantsika be toy izao.
Marina fa mba nisy zavatra nataon'ity Fanjakana ity ihany, tsy lavina izany fa tokony mba tena hitsinjo ny tombotsoan'ny Firenena sy ny vahoaka marina izy fa tsy ny tombotsoany foana.
9. xxx ( 14/05/2006 20:43)
Koa isika nga sosialiste raha tsy capitaliste?
10. gorge ( 17/05/2006 12:59)
:^)marina ny an'lahy ,tena tsy avotra intsony any é !,aiza ve efa ho 13500f indray zao ny 1euro any ,mampalahelo ny any dago izao fitiavantena tsy afaka mihintsy; Reny détaxation ireny no namono ny vahoaka,aiza ve daba efatrefatra ho an'ny karana indray ve no tsy ampandoavina hetra,fa mpivarotra madinika no nakarina ny mpatanty indroa avo heny hanetsemana ny banga; diniho anie aty frantsa andoavana hetra daholo ny zavatra rehetra io no mampandroso andreo aty ;fa ny any dago mampanakarena karàna fotsiny no misy any , aiza ve machine à laver koa ary detaxé ,tsy zakanay ireny na zaka ary tsy ho voaloa ny jirama,ny jiro ary tapatapaka.Efa tokony lasa lavitra ny gasy raha tsy nisy ny détaxation;....!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0538