savorovoro

1. Lejim ( 08/05/2006 18:24)
Araka ny lalana hono dia vote secret no anaovana ny fandatsaham-bato rehetra ao @ antenimieram-pirenena, kanefa tsy nanome precision hoe ahoana ny fomba na proces hanaovana azy io. GeneralisE be manko ilay "vote secret".

Ny tsy nahavitan'ny latsa-bato fanesorana na tsia ny filoha Lahiniriko Jean, dia satria tsy nitovy ny fandraisan'ny DeputEs an'io caractere secret-n'ny vote io.

Nanontaniana ny HCC (Haute Cours Constitutionels), nilaza anefa ireo fa tsy andraikiny ny raharahan-toka-tranon'ny assemblE. Ny asany hoy izy dia ny mitsara na ara-dalana na tsy ara-dalana ny fizoran'ny fifidianana, efa any aoriana izany.

Mety efa samy mahay ireny arguments rehetra naroson'ny TIM sy ny deputE hafa angamba isika eto, ka asa misy afaka ny hilaza ny heviny momba io.
novalian'i lamie ny 10/05/2006 21:20
2. Fiffi ( 08/05/2006 18:31)
Toa tsy hoe hatao secret fa toa resaka sonia ? raha azoko tsara aloha ny fandehany an! http://www.madagascar-tribune.com/
3. Fiffi ( 08/05/2006 18:33)
(raha toa ka miala eo ireo articles 3 momba an'io de haveriko ny archives satria miova isan'andro ny lohateny anaty gazety.)
4. Lejim ( 08/05/2006 19:15)
Fiffi> io signatures io dia fangatahana ny fisian'ilay fifidianana. Tsy voatery ho 2/3 (107 signataires)io fa majorite fotsiny angamba raha tsy diso zah.
Otraotran'ny famonoana lolo no nanaovan'ny TIM io isa io ho mihoatra be.
Fa ilay tiako hofantarina eto dia ilay election a caractere secret, satria io no nampisavoritaka an-dry zalahy tao satria toa samy hafa ny fandraisan-dry zareo an'io. Dia ny hevitry ny namana ato @ serasera no tiako ho fantatra.
5. ds ( 08/05/2006 20:35)
Fiarovana ny safidin'ny mpandatsa-bato tsy ho fantatry ny mpifidy hafa no hanafenana ny vato. Izany hoe mialoha, mandritra ary aorian'ny fandatsaham-bato, dia tsy azo lazaina na aseho ny safidy raha tsy efa tapitra tanteraka ny fifidianana. Ahoana ny fomba anatanterahana izany ? izay no fanontaniana tokony hipetraka raha toa ka tiana hafenina ny safidy (vote secret).
Ny fanontaniana hafa mila valiny : inona avy ny fomba fifidianana ary iza no manapa-kevitra momba ny fampiharana azy eo anivon'ny antenimieram-pirenena. Araka ny hevitro, dia izay voasoratra ao amin'ny lalàna fototra sy/na fitsipika anaty mifehy ny antenimieram-pirenena no afaka mamaly azy.
6. xxx ( 08/05/2006 23:40)
Efa voaongana izy @ izao isika miserasera izao. Députés 06 no nitsipaka. Tsy hitako izay azo lazaina @zany, afa tsy ny hoe nanjaka ny democratie. Izay no tapaky ny maro an'isa ka dia vita matavy hatreo izany ny an'ingahy.
7. Lejim ( 09/05/2006 00:31)
Kay vita izany ny momba an'iny,
Ho hitantsika eo ny lazain'ny HCC momba ny constitualite-n'iny satria toa nisy fahafahana manara-maso ny vato nalatsaky ny namana tsirairay manko hono ny fizotry n'izy tao.
8. Fiffi ( 09/05/2006 03:26)
Lejim: noheveriko hoe efa lany daty ary ireo sonia ireo satria efa nohoatra ny 120h , kay zany efa vita ilay izy.
9. ravatorano ( 09/05/2006 04:06)
stone
10. Fiffi ( 09/05/2006 05:08)
de jereo ao @ "Hoy ny gazety" fa efa navokan'i ravatorano ao daholo ny momba an'io!:)
11. lamie ( 10/05/2006 21:20)
miomahy ahy mamaky reto lahatsoratra reto, tsy hain'ny gasy ny tena hevitry ny hoe " politique"ny fomba fitondrana etat zany e!democratie e,nefa aiza kory?? any frantsa aza tena miady mihitsy ny pm sy ny minisitra koa!!samy manohana ny heviny daholo ry zalahy a! tsy maintsy misy savorovoro kely fa milamina foana io e!!kalamina tsika e!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0869