Ampio i Lahiniriko hiverina amin'ny teniny

1. rabaradaka ( 07/05/2006 13:31)
Fa hono hoy aho, i Lahiniriko Jean ve dia tena hilatsaka tokoa ? Efa fantany anefa ange fa tsy ho lany izy e ? Iza no afaka hanampy azy hamerina ny teniny hoe aza milatsaka.
Rabaradaka
2. avolenta ( 07/05/2006 14:32)
olon- debe iny ve tsy hafantatra ze ataony, tsisy afaka ny hanova ny heviny mintsy satri izy mihevitra fa malazalaza kely de tin'ny vahoka.
Izy alo de tsy ho lany mintsy fa de ho lany vola fotsiny. Nefa nge izy mbola tsy nilaza ny hilatsaka ko é
3. Lejim ( 07/05/2006 17:31)
Ka tsy izay milatsaka rehetra anie ho lany, sady maro ireo izay efa mahafantatra fa tsy ho lany izy nefa mbola miditra sy mandoa vola be hilatsahana ihany.
Porofon'izany ireo izay mahazo vato latsaky ny 5% rehetra ireo. Tsy misy ny espoir fa milatsaka ihany.
Tsy azoko mihitsy izay zavatra eritreretin-dry zalahy ireo any!
4. Fiffi ( 08/05/2006 04:08)
mba manandrana ry zareo kah !
5. rasah ( 08/05/2006 06:38)
raha tena mahafantatra tsara ny lalana nolalovan'i Lahinirko dia tsy hifidy azy mihitsy raha milatsaka eo izy
6. Optik ( 08/05/2006 08:19)
Ny an'i Lahiniriko anie aretim-po no esoriny eo fa tsy adidy @ tanindrzana intsony e, raha ny zavatra ataony no jerena.
Ny karazan'ny olona toy ireny leantsoina hoe maivan-doha.
7. mino18 ( 08/05/2006 14:28)
MALALAKA NY FILATSAHANA HO FIDIANA HO FILOHA. LAHINIRIKO KOSA MBA MISY BAORITRA , MBA TANORANORA KOA. LEO OLONA ANTITRA.NEFA KOA MILA OLONA AFAKA HANARINA AZY NY FIRENENA.LAHINIRIKO DIA TOMPON' ADRAIKITRA MIARAKA AMIN DRAVALO AMIZAO FAHASAHIRANAN'NY FIRENENA IZAO
8. Fiffi ( 08/05/2006 14:56)
mino18: aza hatao majiskilll akia an! :)
LAHINIRIKO DIA TOMPON' ADRAIKITRA MIARAKA AMIN DRAVALO AMIZAO FAHASAHIRANAN'NY FIRENENA IZAO
hummm ! toa tsy naharaka vao2 loatra angamba ianao an ! satria toa efa tsy ao intsony izy ? http://www.clicanoo.com/article.php3?id_article=129270
9. Lejim ( 08/05/2006 15:29)
Lahiniriko sady olona tsy tomponandraikitra no koa tsy mahay politika.
Ny maha mbola tsy nahafaka azy ho president-n'ny assemble (raha tsy ho afaka izy androany na rahampitso) dia satria tsy competent sy tsy azo atokisana koa ny Depute TIM.
Tamin'ny zoma teo izy (araka ny vaovao), dia nanadio ny tenany ary nampitovy azy amin'ny Kristy Tompo. Tsapako ho nataony fitaovana hitazomana toerana izany ny fahaizany Baiboly, nefa loza sady mahamenatra izany.
Tsy haiko aloha fa zah tsy mankasitraka an'iny ho filoha.
Mangina fotsiny ny sentimaka ataony amin'IRAN.
10. mino18 ( 08/05/2006 15:43)
ka taiza ianareo tamy ravalo nilaza ny tenany ho mesia hanavotra ity firenena ity.ravalo leity no nampiasa ny fivavahana hahazoana seza voalohany ary tsy maintsy hinjija ny nafafiny izy.ze sentiment amy iran ndray tsisy olana izany. tsy an 'ny usa leitsy ny tany ka zay tiany no hatao eto.maninona raha manapotika ny fitaovana nokleary eo antanany daholo ireo firenendehibe reo.amizay tsisy manana ny rehetra
11. Lejim ( 08/05/2006 15:52)
mino18> Zah koa mino hoe tsy hanao izay hamalifaly an'ny Amerika foana ny firenena rehetra, anatin'izany i Madagasikara. Fa, tsy tokony koa isika hanao zavatra tsy hamalifaly azy tsotra izao.
Inona izao ny zavatra azontsika amin'ny firaisana tsikombakomba amin' IRAN. Isika tsy afaka hiady amin'ny Amerikana mihitsy na oviana na oviana, c'est pure et simplement suicidaire. Na tsy tokony hisolelaka @ Amerika sy ny firenena hafa aza isika, na i Frantsa izany na i iza, tsy tokony ataontsika koa ny hanao zavatra hankahalan'ireo antsika.

Tsy resaka fahaleovan-tena ara-politika na ara-ekonomika izany fa resaka diplomacy.
12. Fiffi ( 08/05/2006 18:25)
Tsy resaka fahaleovan-tena ara-politika na ara-ekonomika izany fa resaka diplomacy.
marina mihintsy aloha i satria tsy misy hidiran'ny fahaleovan-tena ara-politika mihintsy ny hanaovana ny fialany oe @ toerany.
"Quatre chefs d’inculpation...
Dans leur lettre, les élus TIM ont accusé le président de l’Assemblée nationale de violer l’article 56 de la Constitution. Lors de sa visite en République Islamique d’Iran, il a « sciemment engagé la diplomatie malgache en félicitant officiellement la politique nucléaire de cet Etat ». La deuxième accusation porte sur les absences systématiques lors des cérémonies officielles. Et en troisième lieu, ses détracteurs ont accusé M. Lahiniriko de suspension intempestive d’un ordre du jour régulièrement adopté. Enfin, ses anciens frères d’armes ont réitéré que la demande de démission du président de l’Assemblée, l’année dernière, a porté atteinte à l’image de cette Institution."
Alphonse M Madagascar Tribune.

miala tsiny raha @ teny frantsay.
13. xxx ( 09/05/2006 20:28)
Izany vao tena hoe Vita Matavy, Sady ilery sady tsy politicien charismatique no tsy orateur.
Ny equilibre regional no mba ventiventesin'ilery foana.
Ka dia tsy hitako izay tohiny azo eritreretina, miracle angamba satria ilery toa mpiandry FLM ihany!!!!
14. cutie ( 11/05/2006 20:37)
nanin tsara moa izy no naongana :roll:
15. lamie ( 11/05/2006 21:06)
nahoana aho no anampy any lahitsiniriko?
il a sa part de responsabilité civile na hafa kou!
refa sahy izy ka hahavita dia aleo izy hilatsaka ao e!tsy hoe misy fahasahiranana mada dia mitsaoka sy mamadika palitao foana akory e!! lacheté zany moa e!
couraga ranamana a! mada io e!
16. cutie ( 11/05/2006 21:07)
lamie koa heveriko fa hamaly ny fanontaniko8O
17. maditra ( 12/05/2006 00:07)
cutie> Ezahiko valiana ny fanontanianao,
Misy ilay cause lointaine izy ity no misy cause imediate, lazaiko anao doly izy roa.

Cause lointaine:
- t@ izy vao lany (Atoa Lahiniriko) dia nampangain'ny depute mpanohitra ho mpanohana anjambany ny fanjakana izy. Nimenomenona aoka izany ny depute mpanohitra satria toa tsy misy fahaleovan-tena hono ilay andrim-panjakana misy azy ireo, ny parlement izany, satria voabaikon'ny executive.

- Tsy haiko na izany no nahatonga an'i Lahiniriko ho niova fihetsika fa, toa nanomboka nitsikera ny fitondrana izy taty aoriana. Betsaka be ireo depute avy @ antoko mpanohitra nanaraka azy sy nieritreritra fa tena olona "azo antoka izy."

- Nanomboka anefa ny tsy fitiavan'ny TIM azy, antoko izay niaviany ihany, satria nanomboka nampiditra ireny resaka amnistie sy ny tariny ireny nedala, ary nanohitra ny fampigadrana an'i depute (taloha) Voninahitsy, sy ilay depute iray avy any Ikalamavony. Nihasahy nitsikera, ary nanaratsy mihitsy, ny fanjakana izy ary efa fantatra tamin'izay fa misy zavatra tsy mifandray aminy sy amin'ny antoko TIM, ary ny filoham-pirenena koa hono. Ny tsy nanomezana azy anjara fitenenana t@ fankalazana ny taom-baovao anefa no tena namaky ny ady. Nahatsiaro ho notampenam-bava manko Andriamatoa Lahiniriko Jean.


Causes imediates:
- Resaka Bombe nucleaire tany Iran: Nilaza i Lahiniriko fa mankasitraka ny fitrandrahana Uranium sy (pouvoir nucleaire) any Iran izy, kanefa atahorana sao hanimba ny fifaneraseran'ny fanjakana amin'ny mpamatsy vola izany.
- Absence t@ fahatongavan'ny president Allemand sy fihaonana maro izay nilaivana azy: Toa mi-negliger ny asany izany izy.
Mbola misy raisons hafa fa tsy tadidiko, fa en general dia ireo izany no nanesorana azy. Azafady raha lava loatra! :lol:
18. cutie ( 12/05/2006 18:09)
merci maditra , mazava ka
le causes imediates io ihany no henoko t@ BBC
19. marozevo ( 12/05/2006 22:35)
Maro no sodokan'ity Lahiniriko ity, ary izaho anisany. Saiky voan'ny fakam-panahy hifidy azy aho raha tsy nisy izao zava-nitranga farany izao. Nahasodoka hoy aho, satria raha tsaroantsika ny KRIZY 2002 ireny, raha tsy teo i Lahiniriko dia asa angaha... Minisitry ny asa vaventy izy tamin'izay, ary vitany tao anatin'ny fotoana fohy ny tetezana notapahin-dRaMerci sy ry Tsaranazy.

Soa fa nivadika ny diska ka fantatra ihany ny tena Lahiniriko nony farany.
20. lahiniriko ( 07/06/2006 10:08)
Manahona r'akitipo!!!
F'angaha tao anaty loha n'i lahiniriko ao angaha ianareo no manao hamaivanana toy izany sa entim-po de miteniteny foana !!!!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0991