Numéro !!..

1. marozevo ( 05/05/2006 22:19)
Mba soso-kevitra ny ahy ry zareo ah... Miantefa amin'ny mpikarakara anefa ilay izy. Raha possible moa... raha sanatria tsy possible tsy misy olana akory.
Ity ilay soso-kevitra :
Nahoana raha mba asiana numero ny hafatra tsirairay, izany hoe, ohatra, eto amin'ity loha hevitra sokafako ity, dia numero 1 izay voalohany eo, dia ny manaraka n° 2 etc....
Ny mahatonga ahy hanolotra ilay soso-kevitra, dia amin'izay mba mora ny mampahatsiaro izay efa voalaza, na mi-citer zavatra efa voalaza, fa tsy voatery hanao "quote" foana.
Raha mety... Raha tsy mety tsy misy olana akory. Possible ve izany techniquement ?
novalian'i marozevo ny 08/05/2006 14:08
2. fijo ( 06/05/2006 02:55)
efa misy daty sy ora anie ny zavatra voasoratra rehetra eto e,dia inyfotsiny averina:
oh marozevo06/05/2006 03:19:26
avy dia hita le izy
3. Fiffi ( 06/05/2006 03:45)
fijo: ka ahoana no hahitana an'io rehefa lasa alavitra ?
4. diamondra27 ( 06/05/2006 07:28)
:-w:-w
5. ds ( 06/05/2006 16:49)
mitombina mihitsy io sosokevitry marozevo io. Efa nanipy hevitra toy io aho momba ny ahafahana manokatra mivantana ny laharan'ilay hafatra.
6. methode ( 06/05/2006 17:23)
Tsara be io raha tanteraka fa dia anjaran'ny tompon'andraikitra ny manatanteraka azy raha mety!
7. Fiffi ( 06/05/2006 19:03)
^:^^:^^:^
8. marozevo ( 08/05/2006 14:08)
Ekena fa azo atao mety tokoa io lazain'i fijo io. Nefa anie ilay mitady ny daty sy ora ndraindray mba mahamonamonaina ny namana ihany fa tsorina ny marina eh. Matetika manko no mba asaina mitamberina kely ny namana raha toa ka misy hevitra efa voalaza. Izay no nahatonga ny soso-kevitra.
Raha ohatra anie ka tsy possible techniquement io tsy misy akory ny olana eh... fa mba eritreritra nandalo. fa raha possible techniquement, ndao handramana eh... Sa ahoana hozy nareo ?

Azafady raha mifangaro teny frantsay...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.7327